26 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 26 Oktobra 2012

Minisitra Zambiana Tratra Nijery Ny ‘WikiLeaks Zambiana’

  26 Oktobra 2012

Azo sary tamin'ny fakantsary teo am-pijerena ny tranonkala Zambian Watchdog nandritra ny fivorian'ny mpanolo-tsainan'i Lusaka ny Minisitra lefitry ny Vola Miles Sampa sy ny Minisitra misahana ireo lehibe Nkandu Luo. Io Fanaparitaha amin'ny aterineto io, fantatra amin'ny fandaharana fandihadiana,dia norahonan'ny lehiben'ny Sampana Fandraisana Tataon-ketran'ny orin'asa hakatona tamin'ity volana ity.

Ejipta: Soso-kevitra ho An'ny Mpanao Fihetsiketsehana ao Koety

Satria efa miditra amin'ny hetsi-panoherana goavana indrindra ny Koesiana hanamelohana ny fanovana lalàmpifidianana, nataon'ny mpandovan'ny fanjakana rehefa noravana ny Antenimiera, nisahirana tao amin'ny Twitter ny Ejipsiana mba hanome soso-kevitra ireo Koesiana amin'izay tokony atao sy tsy tokony atao. Resaka fomba fiakanjo ho an'ny lehilahy Koesiana, izay manao akanjo matsora lavabe antsoina hoe...

Tontolo Arabo: Mitovy i Obama sy Romney Mikasika An'i Syria

Nanana teny masiaka hozaraina ny mpiserasera Arabo rehefa avy niandry hatramin'ny vao maraimbe mba haneho hevitra mikasika ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana teo amin'ny filoha Obama sy ilay Repoblikana be fanantenana Mitt Romney alohan'ny fifidianana amin'ny Novambra izao. Tao amin'ny Twitter, nitsikera ny politika Amerikana momba an'i Syria...

Tontolo Arabo: Fotoana Mahasosotra Ny Salafista

Salafista, fantatra amin'ny volombavany lavabe, sy ny akanjony (thobe), ary manaraka fitsipika sarotiny amin'ny fomba Islamo, no kendren'ny vazivazy tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny tenifototra hoe #SalafiAwkwardMoments. Taorian'ny fionganan'i Zine El Abidine Ben Ali tao Tonizia sy i Hosni Mubarak tao Ejipta ary ny famonoana an'i Muammar Al Gaddafi tao Libya, nisandrahaka...