- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tôgô: Andiam-behivavy miakanjo mena no nilahatra mitaky fivoarana ara-pôlitika

Sokajy: Afrika Mainty, Togo, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Filaharan'ireo vehivavy, miaraka amin'ny vondrona Andeha hovonjentsika i Togo. Saripika avy tamin'ny vohikala Flickr nahazahoana alàlana ny fampisana azy.


Aman'arivorivony maro ireo vehivavy niakanjo mena no nirohotra an'arabe, milahatra mitaky fivoarana ara-pôlitika tany Lomey, renivohitry Tôgô, tamin'ny faha-20 Septambra 2012 teo . Ny vondrona Andeha hovonjentsika i Tôgô no nanapariaka saripika maro [2] [fr] maneho izany filaharana izany.