India: Mitohy ny Fifandirana Manodidina ilay Toby Nokleary Kudankulam

Tao anatin'ny hetsi-panoherana (jereo ny lahatsoratra Global Voices) no nanombohan'ny tetikasa Angovo Atomika ao Koodankulam, ao Tirunelveli, distrikan'ny firenena Indiana Atsimo,Tamil Nadu tamin'ny volana lasa teo. Nanomboka namokatra herinaratra ny orinasa saingy miharatsy hatrany ny toe-draharaha satria mbola mitohy ny fisamborana olona ary mbola maro ireo mpanao fihetsiketsehana any am-ponja. Nanamarika ny antso ho amin'ny hetsi-panoherana mandritra ny dimy ambiniflo andro manerana an'i India ity herinandro ity ho firaisankina amin'ny tolom-bahoaka manohitra ilay toby nokleary.

Tamin'ny Alahady 14 Oktobra, namoaka fanambarana ny Manda Revolisionera Demokratika fa miampanga ny fanagadrana tsy ara-drariny sy ny fisamborana ireo mpikambana Indiana ao amin'ny ekipa mpanao famotorona momba ny orinasa nokleary ao Koodankulam, ao Tamil Nadu. Notànana tao Nanguneri, 20 km miala ao Koodankulam ireo ekipa tamin'ny 12 Oktobra, noho ny “famoriam-bahoaka tsy ara-dalàna”. Andro maro nitazonana azy ireo taty aoriana, noenjehan'ny polisy tamin'ny sehatra samihafa momba ny Lalàn'ny Onitra sy ny Fandikan-dalàna izy ireo. Noentina tany amin'ny fonjan'i Palayamkottai avy eo ireo mpikambana.

Araka ny filazan'i Sanhati:

“Tamin-kerimpo no nitoloman'ireo vahoakan'i Koodankulam ho fanoherana ny orinasa mpamokatra nokleary izay tonga nanakaiky ny fonenan'izy ireo sy ny tokantranony, tao anatin'ny volana vitsy lasa izay. Raha toa ka tokony hamaly ny fitakiana sy ny ahiahin'izy ireo ny governemanta noho ny loza lehibe mety hitranga amin'ny fandriampahalemana sy ny voka-dratsy eo amin'ny tontolo iainana izay mety ateraky ny orinasa manodidina ny faritra, dia ny famaliana azy ireo tamin'ny alalalan'ny famoretana feno habibiana tamin'ireo ankamaroan'ny mpanao fihetsiketsehana indray no nataony. Mampiseho mazava ny fikasan'ny governemanta hampihena sy hanafay ity ekipa ity fa te-hanampim-bava ny vahoaka izy ary tsy te-hahalala ny zava-misy ao Koodankulam na momba ny hetsika lehibe ataon'ny vahoaka ao. Miezaka mandrahona fotsiny sy mampangina ny feon'ny firaisankina sy ny fanohanana ireo vahoaka manohitra ny toby nokleary Koodankulmm ny governemanta.

Mpanao fihetsiketsehana manerana ny firenena mandefa ny soniany ao kudankulam, India, ho firaisankina amin'ny fanoherana ny tetikasa nokleary. Sary: Dipti Desai. Copyright Demotix (15/03/2012)

Tamin'ny Alahady ihany, naneho ny fanohanana ny vahoaka ny Antoko Sosialista Janata (Demokratika) ao Keralaagitating ho fanoherana ny tetikasa nokleary ao Koodankulam, ao Tamil Nadu.

Mbola any am-ponja ireo vehivavy nanao fihetsiketsehana. Anitha S. nanoratra momba azy ireo tamin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Vehivavy ao Koodankulam any am-ponja: Lazao ny tsirairay fa mbola eo foana izahay!:

Hoy i Xavieramma nilaza: «Eto foana izahay ka tsy hahita toby nokleary mampidi-doza sy zara raha mampidi-bola intsony izao tontolo izao… Hitako fa maro ny vahoaka manerana ny faritra maro ao amin'ny firenena no manandratra ny fihetsiketsehany. Tsy hoe noho ny fahaverezan'ny tanindrazany sy ny ranomasiny ihany, fa noho ny fananganana tontolo izay mampidi-doza amin'ny fiainana. Iza no te-honina amin'ny toerana tahaka izany?”

Hoy ny vehivavy iray hafa, Selvi, nilaza, “ Taorian'ny fandraisana anjara tamin'ny tolona no nahafantaranay fa ny fiezahana hametraka ny zony hiaina araka ny faniriany, ny miaina araka ny fiainana nenti-paharazana ary ny manontany ny amin'ireo karazan-draharaha tsy nangalana ny hevitry ny vahoaka dia mitovy amin'ny famonoan'olona sy ny fampisaraham-bazana .”

Araka ny nolazain'i Sundari, “Eto izahay noho ny antony iombonana- eto izahay ho an'izao tontolo izao.

Te hanambara amin'izao tontolo izao fotsiny izy ireo hoe mbola eto, anatiny, saingy voahidy anaty vatosokay (béton) sy vy fotsiny ny vatana.

“Lazao ny rehetra fa mbola eto izahay”.

Mbola ao amin'ny fonjan'ny vehivavy ao Trichy izy ireo, miaraka ny fahitan'izy ireo fa “afaka amin'ny zava-mampidi-doza indrindra foronin'olombelona ” izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.