- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miditra Ho Firenena Mandrara Ny Horonantsary Manohitra An'Islam I Kazakhstan

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika

Nifanome tanana tamin'ireo firenena maro hafa i Kazakhstan amin'ny fandraràna ilay horonantsary manohitra ny Islam miteraka resa-be, “The Innocence of Muslims [1].” Ny 4 Oktobra, niampanga [2] [ru] io horonantsary io ho mahery fihetsika ny fitsaràna iray tany Astana, renivohitr'ilay firenena ary nanome baiko ny amin'ny handraràna ny fanafarana sy fizaràna an'io “The Innocence of Muslims” io erak'i Kazakhstan. Talohan'ny baikon'ny fitsaràna, nanakana ny fidirana amin'io sombin'horonantsary io tao amin'ny YouTube ireo manam-pahefana.

Voarara [3] any Ejipta, Libia, Malezia, Indonezia, Pakistana, India, ary Filipina io horonantsary voalazan'ireo Silamo maro eran-tany ho manafintohina io. Anivon'ireo manodidina an'i Kazakhstan’ any Azia Afovoany, araka ny tatitry ny Global Voices Online teo aloha, nandrara ny fizaràna io horonantsary io any amin'ny taniny i Afghanistan [4] sy Kyrgyzstan [5].

Na teo aza ireo fampihorohoroana mitohitohy amin'ny alalan'ny baomba [6] nataon'ireo Silamo mahery fihetsika namely ny firenena tanatin'ireo 12 volana lasa, manambara ny fitomboan-kerin'ny fandraisana ara-pototra an'Islam anatin'ity firenen'Azia Afovoany, Kazakhstan izay tsy nahita korontana mahery na hetsi-panoherana mikasika ny “Tsy fananan-tsinin'ireo Silamo”.

[7]

Any Kazakhstan, ilay firenena farany nandrara io horonantsary manala baraka io hatreto, dia saika Silamo avokoa ny atsasaky ny mponina. Ity sary ity ia mampiseho ny moske foibe ao Astana, renivohitry ny firenena. Sary an'ny mpampiasa Flickr Msykos (CC BY 2.0), nampiakarina ny 6 Jona 2008.

Mpampiasa Aterineto maro ao amin'ny firenena no manohana ny fanapaha-kevitry ny fitsaràna. Ohatra, raha mitsikera ny tatitra iray mikasika io fandraràna io ao anatin'ny vohikalan'ny Tengrinews.kz ny mpampiasa tsy fantatra anarana iray, dia nanoratra [8] [ru]:

Правильно сделали, а то какой то отморозок выпустил фильм и мог довести до третьей мировой. Его запрет будет лучше для всех…

Zavatra marina no nataony. Nisy olona tsy misy saina manokatra io horonantsary io ary mety hahatonga ny ady lehibe fahatelo. Tsara ho an'ny rehetra io fandraràna io…

Na izany aza, misy mpampiasa aterineto vitsivitsy milaza fa tsy ilaina ny fandraràna io horonantsary io. Nanome ny heviny [9] [ru] i Umka fa tsy mitovy amin'ireo teratany avy amin'ireo firenena ireo ny teratany Kazakhstanis izay niterahan'io horonantsary io fihetsiketsehina mifono hatezerana:

Никакой фильм меня не заставит выходить на улицу. Я знаю что это фильм…

Tsy misy horonantsary hahatonga ahy hidina an-dalambe. Fantatro fa horonantsary fotsiny ihany iny…

Anatin'io vohikala io ihany, misy mpampiasa iray tsy fantatra anarana naneho ny heviny [10][ru] fa vao maika hampalaza io horonantsary io ny fandraràna azy amin'ny famoahana azy bebe kokoa ao amin'ny firenena:

Этот так называемый “фильм” – на него бы внимания никто не обратил… Так нет же – надо было на весь мир привлечь внимание запретами, чтобы и те, кому вообще пофигу – а таких в мире процентов 99 – обязательно посмотрели…

Tsy tokony nisy olona liana tamin'io ‘horonantsary’ io… Nefa ny zavatra nataon'izy ireo dia ny nampifantoka ny fahalianan'izao tontolo izao tamin'io horonantsary io noho ny fandraràna azy ary araka izany dia mahatonga ireo tsy niraharaha [ny mikasika io horonantsary io] teo aloha, hijery izany…

Nitarika mpampiasa aterineto vitsivitsy ao amin'ny firenena hifantoka amin'io horonantsary io manokana ihany koa ilay fandraràna. Nandray [11][ru] io “The Innocence of Muslims” io ho “endrika vaovao fanjonoana olona [12]” ny mpitoraka bilaogy Tenebrant, milaza fa tokony nosorohina ny fihetseham-po mikasika io horonantsary io:

Вообщем, я тут поразмышлял и понял, что это ни что иное, как новый тип троллинга. Вот сидит народ на всяких блог-платформах и от безделия и скуки пытается вызвать баттхерт своими откровенно тупыми комментариями, постами и высказываниями, а тут один чувак взял и затроллил треть мира.

Nieritreritra aho ary tonga saina fa tsy inona ny mitranga fa fomba iray vaovao fanjonona olona. Olona maro amin'ny ankapobeny no mandany fotoana anatin'ireo sehatra fitoraham-bilaogy, miezaka hahatonga fanafitohinana [13] amin'ny alalan'ny fanoratana tsikera, lahatsoratra, sy fanambarana adaladala lavitry ny tsy fahavitrihana sy ny sorisory; ary eto dia manana olona iray manjono ny ampahatelon'izao tontolo izao ianao.

Ireo hafa kosa dia mieritreritra momba ny fiantraikan'io fandraràna io lavitra kokoa. Mihevitra [14][ru] i Assel fa fiantombohan'ny famerana ny aterineto ao anatin'ny firenena ilay fanapahan-kevitry ny fitsarana handrara io horonantsary io:

Готовьтесь, теперь доступ к youtube перекроют =(

Miomana fa hanakana ny fidirana amin'ny YouTube izy ireo amin'izao fotoana =(

Manakana [15]maro heveriny ho mampidi-doza ny filaminana anatiny ny governemantan’ i Kazakhstan. Nametra ny fahalalahana ara-pinoana [16] ihany koa izy ho setrin'ny fitomboan'Islam mahery fihetsika.