- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pôrtô Riko: Mirehareha Amin'ny Maha-Pelaka Azy ny Mpanao Ady Totohondry Orlando Cruz

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)

I Orlando “Ilay fenomenina” Cruz (@ElFenomenoCruz), mpanao ady totohondry Pôrtô rikana, no mpanao ady totohondry voalohany teo amin'ny tantara, nanambara ampahibemaso ny maha-pelaka azy, nefa izy mbola amperin'asa ara-panatanjahatena matihanina. Hoy ny fanambaran'i Cruz ao amin'ny USA Today [1]:

Te-hiezaka ny ho modely tsara indrindra ho an'ny ankizy izay mety hanao ny ady totohondry ho fanatanjahan-tena sy hoavy arak'asa aho. Reharehako ny maha- Pôrtôrikana ahy ary tsy hiova izany. Efa pelaka foana aho ary ho reharehako izany.

Ity no fanambarana malalaka nataon'i Cruz farany, Cruz izay eo amin'ny laharana fahaefatra manerantany amin'ny sokajin-danja “volomborona” [plume]. Mavitrika amin'ny fanatanjahan-tena ity mpanao ady totohondry ity, izay nahavita ny lalao Olaimpika tany Sydney, Aostralia, ary nefa ny tontolo ahitana azy sy ny efa nahitana izany hatramin'izay dia tontolo hanjakan'ny  mahalehilahy feno sy manaja ny mahalahy sy ny mahavavy, mitsipaka mihitsy amin'ny fomba hafa mety hidiran'ny endrika hafa amin'ny fironana ara-pananahana ivelan'ireo. Midera ny fanapahan-kevitr'i Cruz ny bilaogy mpanao ady totohondry sy mpiady En la pelea [2] [es]:

Boxeador Orlando Cruz. Foto tomada de su página de Facebook.

Boxer Orlando Cruz. Photo taken from his Facebook page.

Mientras esta es obviamente una historia del boxeo, esta también es una historia que le dolera a la cultura de los deportes de combate ‘macho‘ y muchas veces ‘homofobica‘. Las declaraciones de Cruz no solo necesitaron de coraje  si no que servirán para ser un mejor rol a seguir al ser la cara de una cultura que no siempre es aceptada en estos deportes.

Raha misongadina eo amin'ny tantaran'ny fanaovana ady totohondry izy, dia fantatra ihany koa hoe tantara izay manakaiky ny kolontsain'ny “tena lehilahy” ary matetika ny “tsy tia vavivavy”. Tsy hery ihany no notakian'ny fanambaran'i Cruz, fa hiasa ihany koa izany hahatonga azy ho modely tsaratsara kokoa noho izy endrika-na kolotsaina izay tsy dia ankasitrahana loatra eo amin'itony karazana fanatanjahan-tena itony.

Notsindrian'i Ociogay [3] [es] ny tranga hoe nanapa-kevitra i Cruz ny hilaza amin'ny olona ny momba ny fironany ara-pananahana, tao anatin'ny asa mahamatihanina azy, raha tokony hoe tany amin'ny farany, toy ny nataon'ireo atleta hafa vao manambara izany:

El valor que ha tenido Cruz es loable, ya que los ejemplos de anuncios homosexuales que se han dado en el deporte de élite han estado más cerca del final de la carrera de los deportistas. Ejemplos hay muchos, como el jugador de rugby Gareth Thomas y la estrella de la NBA John Amaechi [4]. Sin embargo, Orlando Cruz lo ha hecho en activo, con 31 años de edad, y en un momento deportivo más que bueno.

Tena mendrika hoderaina ny fahasahiana nasehon'i Cruz, raha hita hoe saika any amin'ny faramparan'ny asa maha-matihanina ny atleta foana matetika no ohatra na fanambarana ny fironana ara-pananahana teo amin'ny sehatra ambonin'ny fanatanjahan-tena. Betsaka ny ohatra azo raisina, toy ilay mpilalao rugby Gareth Thomas sy ny kintan'ny NBA John Amaechi [4] [es]. Na izany aza, nolazain'i Orlando Cruz izy ity raha mbola am-perin'asa izy, 31 taona izy ary tena ao anatin'ny fotoana maha-tsara azy ho atleta izany.

Raha atao indray mijery dia toa feno fihetseham-po eo amin'ny Twitter, ary toa samy maneho fanohanana ny fanapahan-kevitr'i Cruz iz rehetra:

@dnlmolina [5]: Orlando Cruz, el púgil que acabó de un “gancho” con la homosexualidad en el boxeo elconfi.de/9-106757 [6]

@dnlmolina [5]: Orlando Cruz, ilay mpanao ady totohondry nanisy “paingotra” teo amin'ny fampidirana ny maha pelaka eo amin'ny tontolon'ny fanaovana ady totohondry elconfi.de/9-106757 [6] [es]

@zute1971 [7]: Nilaza tamin'izao tontolo izao ny mpanao ady totohondry  Orlando Cruz fa pelaka izy. Tsy haiko tsara hoe ahoana no mety handraisan'ny tontolon'ny ady totohondry an'izany,fa izaho aloha dia maneho fanajana. Tehaka!

Naneho ny heviny ihany koa ny mafana fo an-tserasera LGBT Portorikana Yoriye Irizarry teo amin'ny Twitter:

@CyborgYoryie [8]: Estamos en todos lados, Orlando Cruz, merece apoyo, imagino debe ser dificil salir del closet en el mundo del boxeo. primerahora.com/boxeadororland… [9]

@CyborgYoryie [8]: Eo amin'ny toerany daholo isika, ary mendrika fanohanana i Orlando Cruz. Azoko an-tsaina izao hoe sarotra ny miala amin'ny mahazatra ao anatin'ny tontolon'ny ady totohondry. primerahora.com/boxeadororland… [9] [es]

Nibitsika hafatra fanohanana an'i Orlando Cruz ihany koa ny kintana malaza Ricky Martin, izay naneho ny olona ihany koa tamin'ny taona 2010, ny fironany ara-pananahana:

@ricky_martin [10]@ElFenomenoCruz [11] Felicidades boricua por tu valentía! Qué contento estoy por ti! Mucha fuerza! Mucha paz para ti y los tuyos! Abrazos!

@ricky_martin [10]@ElFenomenoCruz [11] Arahabaina, boricua, noho ny hery nasehonao! faly aho ho anao! mirary anao ny hery betsaka aho, fiadanana ho anao sy ny olon-tianao! fihina!

Cartel con cita de Orlando Cruz afirmando su orgullo de ser un hombre gay y boxeador. Foto tomada de su cuenta de Facebook.

Sary miaraka amin'ny farango avy amin'i Orland Cruz milaza ny reharehany amin'ny maha-mpanao ady totohondry azy sy maha-sarimbavy azy. Sary nalaina tao amin'ny pejin'ny Facebookn'i Cruz’.

Tany amin'ny farany, rehefa nahita ny isan'ny olona naneho ny fanohanana azy noho ity filazana ity i Orlando Cruz, dia nibitsika izao hafatra manaraka izao:

@ElFenomenoCruz [12]: Buenos Dias Puerto Rico y New York y toda parte del Mundo Gracia por sus apoyos los quiero de todo Corazon su amigo Orlando Cruz.

@ElFenomenoCruz [12]: Arahaba ry Pôrtô Rikô, New York, sy ny ambiny rehetra manerana an'izao tontolo izao. Misaotra anareo amin'ny fanohanana ataonareo. Tiako hatrany amin'ny faran'ny lalina amin'ny foko ianareo. Ny namanareo, Orlando Cruz.

*Fanampiny misimisy kokoa mikasika ny tantaran'i Orlando Cruz, vakio ny dinidinika tsara nataon'i Hermes Ayala ho an'ny Noticel eto [13]. [es]