Madagasikara : Miaro ny Vako-Pirenena Amin'ny Alalan'ny Fandraketana Ny Haino Aman-Jery

Mampiady hevitra matetika ny tantaran'i Madagasikara noho ny antony samihafa: tsy fifanarahan-kevitra tamin'ny fizotran'ny voina manan-tantara, fomba fijery voafetran'ny fitenim-[pirenena] [mg], na ny famotehana ny arsivan-tantara rehefa misy ny krizy politika. Misy fandraisana an-tanana nataon'ny fiarahamonim-pirenena ho fandraisana anjara amin'ny fandraiketana ho nomerika ny tahirin-kevitra haino aman-jery amin'ny tantaran'i Madagasikara.

Ny fikambanana Fanajariana ny Lova Amin'ny Haino aman-jery ou Fl@H no manolo-tena ho amin'ny fitehirizana ny tantaran'ny firenena. Ho fanatontosana izany dia kendren'ny fikambanana, ivondronan'ireo mivelo-tena amin'ny haino aman-jery, ny hamadika ho nomerika ireo sarimihetsika maharitra 600 ora momba an'i Madagasikara. Amin'izao fotoana izao, afa-mampiseho fandaharana voatontosa tsara vitsivitsy ny fikambanana. Ao amin'ny habaka No comment, manome ny antsipirihan'ireo zava-bita ireo i Monique Razafy Rahajarizafy :

Près de 1 400 bobines de films, représentant 600 heures d’images en formats 16 et 35 mm, sont actuellement restaurées, regroupées et numérisées [..] Un travail de longue haleine, commencé en 2007, et pour lequel Fl@h s’est vu décerner à Dublin, en 2010, le prix du Meilleur projet de sauvegarde d'archives audiovisuelles, décerné par la Fédération internationale des archives de télévision. À son actif, la réhabilitation des Actualités de Madagascar, des films jadis diffusées en avant-programme dans les cinémas et couvrant toutes les années cinquante jusqu’à la proclamation de l’indépendance. Un capital inestimable, faisant de Madagascar l’un des rares pays africains à avoir encore les images de son indépendance…

Eo ho eo amin'ny horonantsarimihetsika 1400, mampiseho 600 oran-dahatsary amin'ny habe 16 sy 35 mm, ankehitriny no voaarina, natambatra ary navadika ho nomerika [..] Asa mila faharetana, nanomboka tamin'ny 2007, izay nahazoan'ny Fl@h amboaran'ny tetikasa tsara indrindra ho fiarovana ny arsivam-peo sy sary tany Dublin tamin'ny taona 2010, izay natolotry ny Federasiona Iraisampirenena momba ny arsivan'ny fahitalavitra. Anisan'ny zavabitany ny fanarenana ny Actualités de Madagascar [Vaovaon'i Madagasikara], sarimihetsika fanokafam-bavony nalefa tany amin'ny trano fandefasan-tsinemà nandritra ny taompolo 50 ka hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena. Harena [renivola] tsy hita pesipesenina, mametraka an'i Madagasikara ho ao anatin'ny firenena afrikana vitsy dia vitsy mbola manana sarin'ny fahaleovantenany.

Matso ho fanomezam-boninahitra ny fahaleovantenan'i Madagasikara tamin'ny 1960 nalain'i Polaert ao amin'ny Wikipédia ambany fahazoan-dalana license créative commons

Natolotr'i Tsilavina Ralaindimby tany Paris nandritra ny fitsingerenan'ny fanambarana ny fahaleovantena ny sarimihetsika momba izany tamin'ny 1960. Ity ny sombin'izany sarimihetsika izany nalefa nandritra ny valan-dresaka (navoakan'ny mpanoratra):

Nandritra ny lanonana TEDxAntananarivo, manazava bebe kokoa momba ny asa vita ny iray amin'ny mpikambana antsoina hoe Hoby Niaina Rabenirainy:

Ahiana hiato mandritra ny fotoana maharitra anefa izany asa vita izany noho ny tsy fahampian'ny ho enti-manana. Amin'ny alalan'ny fanohanana ara-bola sy ara-teknikan'ny mpanao fanampiana tokoa manko no iasan'ny fikambanana. Manamarika i Monique Razafy Rahajarizafy :

Grâce à l’appui financier de la Coopération française, on a pu s’en procurer une d’occasion à 20 000 euros et on a également bénéficié du soutien technique de l’Institut national de l’audiovisuel (INA) pour la formation de nos techniciens

Noho ny fanampiana ara-bola avy amin'ny Fiaraha-miasa frantsay, afaka nividy iray efa tonta tamin'ny vidiny 20 000 euris ary teo ihany koa ny fanohanana ara-teknika nataon'ny Ivotoeram-Pirenena Misahana ny Haino Aman-Jery (INA) tamin'ny fanofanana ny teknisianina.

Ao anatin'izany fitadiavam-bahaolana mba hampaharitra sy tsy hampiakin-doha ny fikambanana amin'ny fanampiana any ivelany no anoloran'izy ireo ny asany nandritra ny fivoriamben'ny Federasiona Iraisampirenen'ny Arsivan'ny Fahitalavitra FIAT tany London tamin'ny 28 septambra ka hatramin'ny 3 oktobra tao amin'ny British Film Institute.

Mampahatsiahy i Patrick Sweeney fa amin'ny 27 oktobra ny Andro Manerantany Momba ny Lova Haino Aman-Jery eo ambany fiahian'ny UNESCO. Nampahatsiahiviny fa :

This is your opportunity to draw attention to the importance and significance of your archive, the work you do and the issues you want to promote. The 2012 theme draws particular attention to the crisis of time for archives worldwide to save and preserve this precious heritage. Tell the world what you are doing on this day to raise awareness and promote your archive.

Fanararaotra ity andro ity hanairanao ny rehetra ny maha-zavadehibe ny arsiva, ny asa ataonao ary ny lohahevitra tianao ampiroboroboana. Ny lohahevitry ny taona 2012 dia mifantoka amin'ny krizin'ny arsiva manerantany sy ny fomba hamonjena sy hiarovana azy. Lazao amin'izao tontolo izao izay ataonao amin'izao fotoana hampahafantarana sy hampiroboroboana ny arsivanao.

Indro ny lahatsarin'ny UNESCO mampiseho ny arsivan-tsarin'ny fotoana lehibe tao anatin'izay 50 taona farany izay [en]:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.