Manohy Ny Diany Ho Any Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-tany 2014 i Panamà, i Honduras ary i Costa Rica

Nanamarika ny lalao farany amin'ny fihodinana fahatelo eo amin'ny lalao fifanintsanana Concacaf ( konfederasionan'ny Baolina kitra Amerika Avaratra sy Afovoany ary Karaiba)ho an'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany  FIFA 2014 any Brezila ny Talata,16 Oktobra teo. Koa satria iray amin'ireo lehibe ny Federasiona (noho ny hamaroan'ireo nosy) dia misy fihodinana telo ny fifanintsanana ary izay ekipa enina tafita amin'ny fihodinana farany no antsoina hoe :’ny Hexagonal‘ (enin-dafy). Hiady mba hahazahoana tapakila telo sy tapany ho any amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany ireo ekipa enina ireo.

Miaraka amin'ny fanasokajiana ireo ekipa enina ireo, nanomboka nahazo endrika ny fihodinana fifanintsanana roa taona. Alahatr'i Fernando Palomo (@Palomo_Espn) [es]  amin'ity Bitsika ity ireo firenena enina :

@Palomo_Espn: México, Honduras, Panamá, Estados Unidos, Costa Rica, Jamaica entran al Hexagonal de Concacaf.

@Palomo_Espn: Meksika, Honduras, Panamà, Etazonia, Costa Rica, Jamaika avy amin'ny Enindafin'ny Concacaf.

Firenena telo ao Amerika Afovoany no tafiditra ho isan'ireo enina tsara ao amin'ny Federasiona.

Miady hevitra amin'ny tambajotra sosialy samihafa mikasika ireo lalao fifanintsanana ireo mpitia baolina kitra. Ny “marea roja” na ny “ranomasina mena ” (anarana ahafantaran'ireo mpankafy ireo voafantina Panameana), ohatra, niditra tao amin'ny Twitter ny Zoma lasa teo ary namorona ny lohahevitra “Somos Marea Roja” [es] “Izahay no ranomasina mena” ho an'ny sarambabem-bahoaka.

Panama La Marea Roja Esta Contigo

Panama Miaraka Aminareo ny Ranomasina Mena, sary nozarain'i José A. Balmaceda A. (@elbalma507) tao amin'ny Twitter

Tsy nanivaka ny 16 Oktobra, ary na dia niady maf sy sahirana tamin'i Kiobà aza i Panamà dia nankalaza ny fidirany ao amin'ny Enindafy teny an-dàlambe sy ny tambajotra sosialy ny Panameana. Felipe Baloy (@pinbaloy23) [es], kapitenin'ny ekipa Panameana, nanoratra tamin'ny anarany :

@pinbaloy23: Panama Disfruten el pase a la Hexagonal ya habra tiempo de ver q se hizo mal y q se hizo bien y trabajaremos para corregir, objetivo cumplido

@pinbaloy23: Mifaly nahazo ny toerany ao amin'ny Enindafy i Panamà. Fotoana foana izao hijerena ny ratsy sy ny tsara vita ary hiasa isika hanitsy izany, tratra ny tanjona

Nandritra io fotoana io, Honduras izay mitady fandresena mba ho tafakatra, dia nandresy an'i Kanadà tamin'ny isa mavesatra dia mavesatra 8 noho 1 tany San Pedro Sula. Naneho ny hafaliany tao amin'ny tambazotra sosialy ihany koa ny mpanohana Hondioriana, toa an-dry  Héctor Martínez (@heremaga2009) [es]:

@heremaga2009: Buenos días.. Despertando después de esa borrachera de goles de #Honduras ayer ante#Canadá y darle esa alegría a ese pueblo q lo necesita.

@heremaga2009: Miarahaba.. Ny fifohazana maraina tao aorian'ny hamamoan'ny isa azon'i #Honduras nihaona tamin'i #Kanadá omaly sy ny hafaliana nomen'ny ekipa ho an'ny firenena izay efa mila izany.

Tafakatra ihany koa Costa Rica rehefa nanamontsana an'i Guyana 7 sy 0 tany San Jose. Joel Campbell (@joel_campbell12) [es], tanora mpilalao baolina kitra vao misandratra Kostarikana, dia nanadihady tao aorian'ny lalao :

@joel_campbell12: Primer objetivo cumplido, pero esto apenas empieza, la meta es el mundial de Brasil, juntos llegaremos, gracias por tanto Costa Rica!

@joel_campbell12: Tratra ny tanjona voalohany,saingy vao fiandohana ihany iny, ny tanjona manaraka dia ny mizotra hanao ny fiadiana ny Amboara Eran-tany any Brezila, Iarahantsika manao io, misaotra anao amin'ny zavatra rehetra ry Costa Rica !

Manomboka amin'ny Febroary 2013 ny Hexagonal ary dia azo antoka fa ho feno fahagagana sy fihetsehana maro ao amin'ny tambajotra sosialy. Vonona ny latabatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.