- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: “Tafintohina” tamin'ny Fanafahana Mpikambana ao amin'ny Pussy Riot

Sokajy: Rosia, Fanoherana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Akon'ny RuNet

Nahataitra ny maro ny nataon'ilay mpikambana iray tao amin'ny Pussy Riot iray antsoina hoe Yekaterina Samutsevich tamin'ny herinandro raha nanova ny mpisolovavany sy naka paikam-piarovana vaovao tany amin'ny fitsarana ambony (nanaovana fampakarana) izy. Tsy nisy ny marimaritra iraisana teo amin'ny bilaogera Rosiana tamin'izany fotoana ny tamin'izay nitranga sy ny antony nahatonga izany. (Nitatitra ny teoria sasany tamin'izany ny Global Voices tato [1].) Tazana ankehitriny fa nahomby ny fahasahian'i Samutsevich. Noafahana izy taorian'ny fihainoana azy, nihena ho roa taona sazy mihantona ny roa taona sazy mihatra taminy. Tsy nanam-bintana tahaka izany ny mpikambana roa hafa tao amin'ny tarika, Maria Alekhina [2] sy Nadezhda Tolokonnikova [3] — nanamafy ny didim-pitsarana azy ireo ny fitsarana ambony (mbola azo atao ny mampakatra indray mandeha any amin'ny Fitsarana Tampony Rosiana).

Nalahatry ny fiarovana vaovao sady mahombin'i Samutsevich ny filazana fa tsy nandray anjara mavitrika tamin'ny fampisehoana nataon'ny tarika tao amin'ny Katedralin'i Kristy Mpamonjy izy. Efa navoitran'ny bilaogera maro izay zava-misy izay tamin'ny herinandro, saingy mbola hita ho vaovao tsy nampoizin'ny olona sasany ihany, izay ho setriny dia te-hahalala ny fomba fisainan'ny Fitsarana. Nisioka [4] [ru] ny mpikatroka mpanohitra sady bilaogera Ilya Yashin :

Самуцевич освободили, т.к. она была задержана охраной до акции #PussyRiot в ХХС и по сути не участвовала. Но тогда надо вообще оправдывать.

Noahafahana i Samutsevich satria efa notazonina nialoha ny nanaovan'i #PussyRiot ny hetsika ka raisina ho tsy nandray anjara. Saingy raha izany tokony noahafahana madiodio izy izany.

[5]

Izy roa sisa no tavela. Hiatrika fitsarana indray ny mpikambana ao amin'ny Pussy Riot satria nampiakatra ny  sazy (roa taona an-tranomaizina) any amin'ny fitsrana ambony (1 Oktobra   2012), sary: Maria Pleshkova, copyright © Demotix.

Nilaza ankolaka ny bilaogera sasany fa fomba fialana bala nataon'ny Fitsarana tamin'ny didy navoakany fotsiny ny “tsy nandraisan'i Samutsevich anjara”. Tena afaka izy, mandeha ny teoria, satria nampihatra ny fomba fiarovana tsy mifanandrina. Eduard Limonov, mpitarika ny Rosia Hafa, nibilaogy [6] [ru]:

Условный срок  для Смуцевич, – это благодарность ей за то, что она сменила адвоката. Одновременно это приговор против Виолетты Волковой,пощечина ей как профессионалу, которая  вела себя вызывающе-неумно, оскорбляла судью в некоторых случаях. Волкова превратилась фактически в революционно-оппозиционного трибуна, проигнорировав участь своей подзащитной.

Fanafahana mbola misy fanaraha-maso ho an'i Smutsevich [sic] ho fankasitrahana azy tamin'ny nanesorany ny mpisolovavany. Ao anatin'izany fotoana izany ihany, didim-pitsarana mamely an'i against Violetta Volkova, teha-maina amin'ny fahaiza-manaony, noho ny fihetsiny mihantsy, fombafomba adaladala, indraindray manompa ny mpitsara. Lasa mpikabary revolisionera-mpanohitra i Volkova, nanadino ny manjo ny olona arovany.

Nibilaogy [7] [ru] tahatahaka izany ilay mpanao gazety Dmitry Olshansky:

Екатерину Самуцевич отпустили, потому что […] она отказалась от политических адвокатов, отказалась от политической войны с системой и в сущностном смысле попросила прощения у системы

Noahafahana i Yekaterina Samutsevich satria […] niala tamin'ny mpisolovava politikany, niala tamin'ny ady politika momba ny rafitra, ary amin'ny ankapobeny nifona tamin'ny rafitra.

Pavel Chikov, filohan'ny Agora [8] [ru], fikambanana tsy miankina miaro ny zon'olombelona misolotena an'i Samutsevich amin'izao fotoana izao dia mitovy hevitra amin'ny teboka voalohany nosoratan'i Olshansky tamin'ny nisiahany hoe [9] [ru]:

Надо было биться за максимальный резонанс с жестким приговором либо за минимальную ответственность. Девушки выбрали первое, всё удалось.

Nosafidiana ny ady na izay hahitan'olona maro dia maro azy ka mahazo ny sazy henjana indrindra, na manao izay hahakely indrindra ny fanamelohana. Nisafidy ny voalohany ry zavavy, nahomby tsara ny zava-drehetra.

Na izany aza, niady hevitra izy [10] [ru] fa tsy niala tsiny i Samutsevich:

Хочу подчеркнуть — Катя Самуцевич вину в совершении преступления не признала, заявила, что никакого раскола в группе нет.

Tiako avoitra fa tsy niaiky ny helony ho nanao heloka bevava i Katya Samutsevich, ary nolazainy fa tsy nisy fisarahana ao amin'ny tarika.

Misy ny tsy mino an'i Samutsevich. Ho azy ireo, ny didim-pitsarana vaovao dia fomba ataon'i Kremlin hamotehana ilay tarika mpanao punk sy ny hetsi-panoherana, na entina hamelezana ireo mpisolovavan'ny tarika (Feygin, Polozov, ary Volkova), izay niaro ireo tanoravavy telo tamin'ny fotoana namoahana ny didy voalohany. Nisioka [11] [ru], ohatra, ny mpanao gazety Tikhon Dzyadko:

По-моему, цель сегодняшнего решения-расколоть #PussyRiot и вылить побольше говна на тройку адвокатов.к закону это не имеет отношения.

Araka ny hevitro, ny tanjon'ny fanapahan-kevitra androany dia ny hanao izay isian'ny fisarahana eo amin'ny #PussyRiot sy ny hahazoan'ny mpisolovavany telo ‘tsipy rora’ (diky) bebe kokoa . Tsy misy idiran'ny lalàna mihitsy.

Angamba mailaka ihany [12] ny iray amin'ireo mpisolovava antsoina hoe Nikolai Polozov mba hampijaly ny tenany:

Если властям мы настолько не любы и для освобождения Нади и Маши нужно пожертвовать статусом, я первый положу удостоверение адвоката на стол.

Raha halan'ny fitondrana mafy izahay ary raha ny hanafaka an'i Nadya sy Masha no tanjona, tsy maintsy miala amin'ny satanay izahay, izaho no voalohany hametraka ny taratasim-pialako ofisialy

Hafahafa ihany, toa malahelo ilay mpisolovava ny bilaogera sasany fa tsy mba malahelo ireo mpikambana roa ao amin'ny Pussy Riot nogadraiana :

я смотрела на лица адвокатов и реально рыдала…

Nijery ny tavan'ireo mpisolovava aho ary tena nitomany..

hoy ilay mpanao gazety Alexandra Astakhova nilaza [13] [ru] tao amin'ny Facebook-ny. Hoy ny fanehoan-kevitra iray namaly [14] [ru]:

Главная их цель была дискредитация адвокатов — Самуцевич помогла, за помощь и освобождение.

Ny hanaratsy ireo mpisolo vava no tena tanjon'izy ireo -– nanampy i Samutsevich, ho sandan'ny fanampiana sy ny fanafahana.

Araka ny notsongaina tamin'ny fanehoan-kevitra farany, tsy nanampy ny sasany fa nanome tsiny ireo lasibatra. Na dia rariny tanteraka aza ny fihetsik'i Samutsevich, feno fanamelohana somary mody afenina tao amin'ny RuNet raha milaza azy ho “voavidy.” Angamba ny tena masiaka miafina amin'izy rehetra ireo dia ilay mpanao gazety sady mpampianatra fizolozia Kirill Martynov, izay nanoratra toy izao [15]tao amin'ny LiveJournal-ny [ru]:

Екатерина Самуцевич получила свободу ценой оправдания российского суда и за счет дискредитации всей кампании в защиту Pussy Riot.

Nahazo ny fanafahana azy i Yekaterina Samutsevich ho sandan'ny fanomezan-drariny ny Fitsarana Rosiana sy tamin'ny fametrahana ho ratsy toerana tanteraka ny fomba fiarovana ny Pussy Riot.

Ny lahateny mihoa-pefy tahaka izao no manome bala ny mpitsikeran'ny mpanohitra. Anara-noforonina malaza ato amin'ny aterineto Lev Sharansky namehy ny fihetseham-po, hoy izy nisioka [16] [ru] somary naneso:

Все демократическая общественность до глубины души возмущена освобождением Самуцевич.

Tezitra mafy ny vahoaka demokratika noho ny fanafahana an'i Samutsevich.