Etazonia: Tolona ho An'ny Tanora Mpifindra-monina Tsy Manana Taratasy

Tanora mpifindra-monina tsy manan-taratasy an'hetsiny no faly tamin'ny vaovao nivoaka: Nanome alalana ny governemantan'ny filoha Barack Obama fa afaka  misoratra anarana amin'ny “tetikasa mbola miandry” ireo tanora mpifindra-monina tsy mana-taratasy, izay ahafahan'izy ireo mamaha ny olany ao anatin'ny roa taona. Ireto avy no fepetra takiana amin'ilay tetikasa [es]: 31 taona mahery nanomboka ny 15 Jiona tamin'ity taona ity ny kandidà, tonga teto Etazonia nanomboka ny faha-16 taonany, ary nianatra sy nahavita raharaha miaramila Amerikana.

Vao tafavoakan'ny Sampan-draharaha misahana ny Olom-pirenena sy ny Fifindram-monina ao Etazonia (USCIS) ny taratasy hofenoina, talanjona tamin'ny isan'ireo tanora noraisina avokoa ny birao manerana ny firenena. Navy Pier tao Chicago, ohatra, nandray tanora 10.000; 5.000 mihoatra noho izay nandrasana [es].

Cientos de jóvenes en todo el país, como estos estudiantes de Nassau Community College en Nueva York, defienden la causa de los DREAMers. Foto de Flickr/longislandwins (CC BY 2.0)

Mpianatra avy ao amin'ny Kolejy Nassau ao New York (sary),
tanora an-jatony manerana ny firenena no manohana ny 
DREAMers (MPANONOFY). Sary tao amin'ny Flickr/longislandwins (CC BY 2.0).

Na dia izany aza, nisy ny vaovao ratsy mikasika ireo DREAMers (MPANOFY) sasany (antsoina toy izany noho ny DREAM Act na lalànan'ny NOFY),  nihantsy ny Lapam-panjakana “Trano Fotsy” ny Governoran'i Arizona, Jan Brewer, tamin'ny fitsipahana ny hetahetan’ireo tanora mpifindra-monina eo amin'ny 80.000 eo izay maniry ny hahazo tombotsoa avy amin'ilay tetikasan'ny fanjakana. Tsy vao voalohany i Brewer no niditra tamin'ny adihevitra momba ny fifindra-monina. Roa taona lasa izay, nanohana ny lalà-mpanjakana nahabe adihevitra SB 1070 izy, izay notsipahan'ny Fitsarana ambony ny ampahany [es] noho ny votoaty sasany mitondra any amin'ny fanavakavahana ara-pirazanana, indrindra toy ny fanoherana ny Hispanika.

Bilaogy sasany tahaka ny Immigration Direct [es] nanazava tsara ny dikan'ny “tetikasa mbola miandry”:

Acción diferida no le dará status legal. Acción diferida puede ser considera como un alivio de ser considerado para deportación. Esto no significa que tendrá status legal temporario porque, aunque sea aprobado para acción diferida, no se le perdona los años que ha pasado en el país ilegalmente. Esto se llama presencia ilegal.

 Tsy hanome sata ara-dalàna ny tetikasa mbola miandry. Azo sokajiana ho fepetra tsy mahavoaraoka izy. Tsy mahatonga anao hanana sata ara-dalàna maharitra anefa izany, na dia ekena fa [tetikasa] mbola miandry aza, tsy ho voafafa kosa ireo taona taloha tsy ara-dalàna niainanao tao amin'ny firenena. Izany no antsoina hoe “fahatongavana tsy naha-ara-dalàna.”

Mikasika ny resaka lalàna kosa, nanazava ny bilaogy Immigration America [es] fa na dia eo aza ny hafaliam-po momba ny tetikasa, tsy maintsy tandremana tsara mihitsy ny fampiharana izany:

 

Solo usted puede tomar la decisión de aplicar. No se deje presionar. Obtenga primero todos los detalles. Recuerde, esto es solamente asesoramiento jurídico general. No hace referencia a su caso específico. Para obtener un consejo legal específico, consulte a un abogado de inmigración.

Ianao no tompo-tsafidy raha hanao fangatahana na tsia. Aza terena ny tenanao. Voalohany, fantaro daholo ny antsipirihany. Tsarovy, fa soso-kevitra momba ny lalàna fotsiny no nomenay. Tsy manova na inona na inona amin'ny zava-iainanao manokana izany. Raha te-hahazo toro-hevitra bebe kokoa momba ny lalàna, manatòna mpisolovava momba ny fifindra-monina.

Nifanesisesy ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter. Indrindra ny fanoherana ny fepetran'ny Governora Brewer.
Victor Hugo no ohatra tsara:

@victorhugophx: A pesar de la acción diferida, los soñadores reciben una puñalada en la espalda al negarles licencias de conducir en Arizona

@victorhugophx: Na dia eo aza ny tetikasa am-piandrasana, voadaka fitombenana ny DREAMers, satria lavina amin'izy ireo ny fanomezana taratasy fahazoan-dalana hitondra fiara.

Nilaza i Eduardo Delgado fa hifarana ny fanaovana sesitany noho ny fepetran'ny Governemanta:

@eduardodlgd: Jóvenes ven como la amenaza de una deportación queda en el pasado

@eduardodlgd: Fantatry ny tanora tsara hoe manao ahoana izany fandrahonana atao sesitany izany taloha.

Nankasitraka ny fepetra ny ben'ny tanànan’ Illinois, Luis V. Gutierrez (@LuisGutierrez), ireo izay niaro ny DREAMers:

@LuisGutierrez:  #DREAMers, son probablemente más “estadounidenses” que “inmigrantes”. Hagamos que el tramite esté a la altura de la realidad

@LuisGutierrez:  #DREAMers, “Amerikana” kokoa ianareo fa tsy “mpifindra-monina.” Omano ny taratasy hiainana ny zava-misy: http://bit.ly/RdqUmq  #DACA.

Na dia izany aza, ny sasany tahaka an'i David Bennion, mahita tombotsoa amin'ny hetsika nihemotra saingy misalasala:

@dcbennion: Cauteloso optimismo sobre la acción diferida para jóvenes indocumentados #inesperado

@dcbennion: Tombotsoa mampisalasala #deferredaction ho an'ny tanora tsy manan-taratasy #undocumented  http://bit.ly/QFXUNN #DACA #unexpected [tsy nantenaina].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.