Ejipta: Ireo Olona Tsy Manana ny Zom-pirenena ao Ejipta

Ireo olona tsy mizaka ny zom-pirenena Ejypta dia ireo olona tsy manana firenena niavina (tanindrazana). Araka ny filazan'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mpitsoa-ponenana (UNHCR), 12 tapitrisa mahery ireo olona tsy manan-tanindrazana manerantany.

Indraindray afangaro amin'ny mpitsoa-ponenana ny olona tsy manan-tanindrazana. Na dia izany aza, maro amin'ireo olona tsy manan-tanindrazana no tsy olona mpitsoa-ponenana satria mbola tsy nivoaka tany ivelany mihitsy izy ireo. Na dia milaza aza ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny Zon'olombelona fa manan-jo hizaka ny zom-pirenena ny tsirairay ary voaràra ny fanesorana tsy ara-drariny ny zom-pirenena, maro ireo olona tsy mizaka ny zom-pirenena noho ny antony maro samihafa: anisan'ny tena antony lehibe ny fanavakavahana maha-lahy na vavy, ny firazanana sy ny finoana.

Matetika mijaly noho ireo karazana fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny tsy fananana ny zo fototra toy ny fianarana, asa, fitsaboana, ary fandraisana anjara amin'ny politika ireo olona tsy manan-tanindrazana.

Tsy zava-tsy mahazatra ao amin'ny tontolo Arabo ny fisiana olona tsy mizaka ny zom-pirenena. Ohatra voalohany amin'izany ny Palestiniana izay tsy eken'ny firenena hafa ny zom-pireneny. Torak'izany koa ireo olona monina ao Jerosalema tsy mizaka ny zom-pirenena Isiraeliana satria tsy nangataka izany. Anisan'ny ohatra amin'ireo olona tsy mizaka ny zom-pirenena ao amin'ny firenena Arabo ihany kao ny Bidoon (tsy mizaka ny maha olom-pirenena) mponina ao Koety sy ny firenena Golfa hafa, Mpitsoa-ponenana Sahrawi ao Alzeria, sy ny mainty hoditra vitsy an'isa ao Maoritania.

Mandràra ny reny tsy hamindra ny zom-pirenena amin'ny zanany ny lalàna ao amin'ny firenena raha toa ka tsy mizaka ny zom-pirenena ao an-toerana ny rainy, anisan'ny antony lehibe hisian'ireo olona tsy manan-tanindrazana amin'ny firenena maro isan-karazany izany, tahaka ny ao Iraka sy Oman.

Na dia tsy fantatry ny maro aza ny fisian'izany olona tsy manan-tanindrazana izany, niaka-peo ireo mpikatroka sasany ary nampiasa ny fampahalalam-baovao sosialy mba hampisongadina sy hitantara ny fisian'izany. Ao Koety, fitaovana lehibe entina hiarovana sy hijerena ny marina momba ny mponina Bidoon ny aterineto. Mpanoratra ato amin'ny Global Voices Mona Kareem nanomboka ny Bidoon Rights blog,  tetikasa hitantarany ny toe-javatra mahazo ity fiarahamonina ao Koety ity.

Ao Ejipta, Abdullah Elshamy, mpanao gazety ao amin'ny Al Jazeera nizara tao amin'ny Twitter momba ny antsipirihan'ny fitsidihany tao amin'ny foko Azazma, ao Atsinanan'i Saikanosy Sinai.

Elshamy nisioka hoe:

نوتات عن البدون في مصر: كنت اليوم في زيارة الى قبيلة العزازمة في شرق سيناء قرب الحدود مع فلسطين مسافة ١٥٠ كيلومتراً من العريش #بدون_مصر

@abdallahelshamy: Fanamarihana momba ny tsy fizakana ny zom-pirenena ao Ejypta: Androany aho nitsidika ny foko Azazma ao Atsinanan'i Sinai akaikin'ny sisintany Palestina; 150 km miala ao Arish.

Hoy izy nanampy:

هذه القبيلة تعيش منذ عشرات السنين هنا دون جنسية مصرية . لا توجد عندهم سوى وحدة صحية دون موظفين و التراب يعلو كل شيئ فيها #بدون_مصر

@abdallahelshamy: Efa taompolo maro no tsy nizaka ny zom-pirenena ity foko ity. Toeram-pitsaboana tokana ihany no ananan'izy ireo izay tsy misy mpitsabo akory no feno vovoka ny trano.

Hoy izy nanohy:

قال لي شيخهم: نريد من الرئيس مرسي الذي سمعنا عنه أنه رجل عادل أن يحل مشكلتنا لكي يستطيع أبنائنا السفر والعمل #بدون_مصر

@abdallahelshamy: Hoy ny lehiben'ny foko nilaza tamiko: Ny zavatra mba renay dia hoe lehilahy  marina ny filoha Morsi ka mangataka aminy izahay mba handravona ny olana misy eto aminay mba ahafahan'ny zanakay lahy hivezivezy sy hiasa.

Fiarahamonina mpifindrafindra fonenena ny foko Azazma izay miparitaka eo anelanelan’ i Negev sy ny tany hay Sinai ao amin'ireo sisintany roa Ejipsiana sy Isiraeliana. Mponina eo amin'ny 3000 hatramin'ny 5000 eo no mpikambana ao amin'ny foko akaikin'i Sinai. Taoriana ny fiafaran'ny fibodoan'i Israely an'i Sinai, nanantena hahazo ny fizakàn-jo maha-olom-pirenena ejipsiana ny fiarahamonina foko Azazma monina miaraka amin'ny Ejipsiana, kanefa “antonta-taratasy momba ny fiampitàna (passage)” ihany izay tsy ahitana zom-pirenena mazava no azon'izy ireo.

Tao amin'ny lahatsoratra bilaogy tamin'ny taona 2008 izay mitondra ny lohateny hoe Azazma, people of the border or border for the people (Azazma, mponin'ny sisintany sa sisintanin'ny mponina?, bilaogera sady poety Ashraf AlAnany nametraka fanontaniana sarotra momba ny tantaran'ny Azazma, ny fifandraisany mahasahirana amin'i Isiraely sy ny fahitan'izy ireo ny tsy fisian'ny fahatsoram-po eo amin'i Ejipta izay nanamafy ny tsy fizakàn'izy ireo ny zom-pirenena. Hoy i AlAnany nanoratra:

أعتقد أننا هنا أمام خيارين لا ثالث لهما , أولهما أن يستمر وضع هؤلاء علي الحدود هكذا مرشح علي الدوام كبؤرة توتر ، هم مواطنون “ بدون “، فكيف نطالبهم بالانخراط في هذا البلد ومعاملتهم كأبنائه ، لهم ما لأبنائه من حقوق وعليهم ما علي أبناءه من واجبات ؟؟؟؟؟

أما الخيار الثاني الذي أعتقد أن كثيرين سيعارضونه فهو أن تعطي مصر الجنسية لهؤلاء ، وهو خيار سيقول من يعارضه بأن عزازمة 1953 مهجرون تم تهجيرهم من قبل قوات الاحتلال ، وسيقول المغالون : كيف تعطي الجنسية لأبناء قبيلة يشتغل بعضها مع الإسرائيليين كأدلاء وقصاصي أثر في سلاح الحدود ” مشمار قفول ” وكجنود أو ضباط في الكتيبة البدوية ، كيف نضمن ولائهم في وضعية كهذي

Inoako fa safidy roa ihany no eo ampelatanantsika; ny voalohany dia ny fanohizana ny toe-javatra iainan'izy ireo ao amin'ny sisintany ka hijanona ho olana foana izany. Tsy mizaka ny zom-pirenena izy ireo ka ahoana ny fomba ataontsika mba hidiran'izy ireo sy hijanon'izy ireo ao amin'ny firenena ary ny handraisan'azy ireo ho toy ny olom-pirenena rehetra mizaka ny zo sy andraikitra mitovy ao amin'ny firenena.

Ny safidy faharoa, izay fantatro fa hotsikerain'ny maro dia, ny hanomezana azy ireo ny zom-pirenena Ejipsiana. Mety hilaza ireo mpitsikera fa noterena hifindra ny Azazam tamin'ny taona 1953. Ny hafa kosa lasa lavitra ka mety hilaza hoe “Ahoana no fomba hanomezantsika zom-pirenena ho an'ny foko izay miasa miaraka amin'ny Isiraeliana ho toy ny mpitari-dalana ao amin'ny Vondro-Tafika Miaro ny Sisintany sy miaramila na manambohinahitra tao amin'ny vondro-tafika Bedoay, ahoana no ahalalantsika ny fitokisany ?”

Elshamy nizara sary nandritra ny fitsidihany tao amin'ny foko:

Sarin'iray amin'ireo sheikhs ao amin'ny foko mampiseho ny taratasy fiampitàna; taratsy ofisialy hany mba ananany. Sary nozarain'i @abdullahelshamy tao amin'ny Twitter

Sarin'ireo ankizy ao amin'ny foko, sary: @abdullahelshamy

Na dia izany aza, tsy ny foko Azazma ihany no olona tsy mizaka ny zom-pirenena ao Ejipta. Hatramin'ny nandosiran'ny Palestiniana tao Ejipta sy ireo firenena Arabo hafa, very avokoa ny zom-pirenen'izy ireo tany am-boalohany, kanefa mbola tsy nahazo ny zom-pirenena Ejipsiana izy ireo ankehitriny , maro amin'izy ireo no tsy manan-tanindrazana intsony ankehitriny. Ankoatra izany, mponina vitsy avy ao Armenia ihany koa no tsy manan-tanindrazana ao Ejipta. Mety anisan'ny tsy manan-tanindrazana ihany koa ny ankizy metisy Etiopiana-Eritreana ary maro amin'izy ireo no mangataka hialokaloka an'i Ejipta.

Vao haingana, tsy nahazo ny antonta-taratasy ofisialy toy ny fanamarinam-pahaterahana na karapanondro ny mponina ao finoana Bahai’ satria tsy neken'ny fanjakana ny finoan'izy ireo. Tamin'ny taona 2008, nanambara ny Fitsarana momba ny raharaham-panjakana fa efa azo omena azy ireo izany antonta-taratasy izany ary tsy ilaina ny manamarika na mametraka ny finoany, efa dingana ara-tantara amin'ny fampidiran'azy ireo hanana zom-pirenena izany.

Nanao hetsika ny UNHCR tamin'ny taon-dasa mba hiady amin'ny tsy fananan-tanindrazana, ka mamporisika ireo firenena mba hanao sonia fifanekena momba ny fihenan'izany tranga izany. Ankoatra an'i Tonizia, Libya ary Alzeria, tsy nisy firenena Arabo nanao sonia izany fifanekena izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.