19 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 19 Oktobra 2012

Malawi: Mpanao Gazety Amin'ny Aterineto Nosamborina Fa Hoe Nanompa Ny Filoha

  19 Oktobra 2012

Nosamborina tany Blantyre ny marainan'ny Alatsinainy 15 Oktobra, 2012 ny mpanao gazety Malaoita Justice Mponda nampangaina ho niteny ratsy ny Filoha, nanaparitaka vaovao tsy marina ary fanalam-baraka. Miasa ao amin'ny malawivoice.com Mponda. Taorian'ny nivoahan'ny E-bill vaovao, izay natao hifehezana sy hanaraha-maso ny serasera amin'ny aterineto any Malawi ny fisamborana azy.

Etazonia: Tolona ho An'ny Tanora Mpifindra-monina Tsy Manana Taratasy

  19 Oktobra 2012

Tanora mpifindra-monina tsy manan-taratasy an'hetsiny no faly tamin'ny vaovao nivoaka: Nanome alalana ny governemantan'ny filoha Barack Obama fa afaka  misoratra anarana amin'ny “tetikasa mbola miandry” ireo tanora mpifindra-monina tsy mana-taratasy, izay ahafahan'izy ireo mamaha ny olany ao anatin'ny roa taona. Ireto avy no fepetra takiana amin'ilay tetikasa [es]: 31 taona mahery nanomboka...

Ejipta: Ireo Olona Tsy Manana ny Zom-pirenena ao Ejipta

Ireo olona tsy mizaka ny zom-pirenena Ejypta dia ireo olona tsy manana firenena niavina (tanindrazana). Araka ny filazan'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mpitsoa-ponenana (UNHCR), 12 tapitrisa mahery ireo olona tsy manan-tanindrazana manerantany. Indraindray afangaro amin'ny mpitsoa-ponenana ny olona tsy manan-tanindrazana. Na dia izany aza, maro amin'ireo olona tsy manan-tanindrazana no...