- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Slovakia: Fampitahana Ny Vola Miditra Amin'ny Mpifanolo-bodirindrina Roma Sy Ny Tsy Roma

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Slovakia, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

Araka ny Tolokevitra politika omen'ny Banky Mondialy amin'ny fampidirana ny Roma ho ao anatin'ny Repoblikan’ i Slovakia [1][en, .pdf], nambara tamin'ny volana Jolay 2012, ” misy olona tokony ho 320.000 eo ho eo ny fianakaviana [Roma] 72.000 [any Slovakia] ary vinavinaina ho 1,8% isan-taona ny taham-pitomboan'ny mponina, izany hoe manodidina ny 1.200 izany ny isan'ny fianakaviana Roma vaovao isan-taona.”

Io fiaraha-monina lehibe sy haingam-pitombo io dia atao an-jorom-bala, ary marefo ny toe-piainany, azo ampitahaina amin'ireo tranga maro misy any amin'ny firenena Atsimon'i Sahara any Afrika sy Atsimon'i Azia :

[…] 20% fotsiny amin'ny taonan'ny lehilahy tokony hiasa sy 9%-n'ny vehivavy no manana asa amin'ny Roma, raha toa ka 65%-n'ny lehilahy  sy 52%-n'ny vehivavy tonga taona hiasa amin'ny ankapobeny amin'ny vahoaka Slovaky. Tena ambany io taha io raha oharina amin'ny tokony ho izy ao amin'ny faritra : mbola latsaky ny antsasak'izay hita any Bolgaria, ny Repoblika Tsheky ary Romania izany. Ankoatra izay, ny karaman'ireo Roma izay miasa dia antsasaky ny raisin'ireo vahoaka amin'ny ankapobeny. […]

[…] Ny toerana mampalahelo iasan'ireo Roma an-jorom-bala any Slovakia dia adika amin'ny lavaka lehibe tsy araka ny tokony ho izy amin'ny PIB isan'olona eo amin'ny Roma sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny. Amin'ny ankapoben'ny Slovaky, ny salan'ny PIB dia manakaiky ny 13.000 Euro isan'olona isan-taona, izay mametraka an'i Slovakia ho isan'ireo 25% n'ny firenena manankarena eran-tany. Miaraka amin'izay, ny salam-pamokaran'ny Roma Slovaky dia tsy misy afa tsy 1400 Euro isan-taona. Raha raisina ny fahefa-mividy, ny haavon'ny PIB hita any amin'ny Roma Slovaky dia, averina indray, fa mitovy amin'ny haavo hita any amin'ireo firenena Atsimon'i Saharaha any Afrika sy Atsimon'i Azia  izay ao anatin'ny 25%-n'ny firenena mahantra indrindra eran-tany. Endrika iray hafa isehoan'io hantsana io dia ny fahitana fa vokatra isam-bolana isan'olona amin'ny vahoaka Slovaky ankapobeny dia mitovy amin'ny vokatra isan-taona isan'olona amin'ny Roma Slovaky. […]

Tsotra ny baikon'ny Banky Iraisam-pirenena. Raha afohezina dia, hatsaraina ny fari-piainana, dia milamina ny rehetra :

[…] Ny fidiran'ny Roma dia tombontsoa ara-toe-karena ho an'i Slovakia. Hiakatra 3.1 lavitrisa Euro ny PNB Slovaky raha ka mitovy ny fahafaha-miasa sy ny karaman'ny Roma sy ny tsy Hafa.  […]

Tamin'ny 7 Oktobra, nampiseho sary iray [2]avy amin'ny tatitra (hita ao amin'ny  p.14 -n'ny tahiry .pdf [1]), miaraka amin'ny antsipirihin'ny vola miditra amin'ny tokantrano Roma sy ny tsy Roma manerana an'i Slovakia ny gazety SME :

Fampitahana ny loharanom-bola miditra, tokantrano mifanakaiky Roma sy tsy Roma ( Loharano : Mpanolo-tsaina Politika amin'ny Fampidirana ny Roma ao amin'ny Repoblika Slovaky, Ny Banky Iraisam-pirenena.)

Ny vola miditra amin'ny fianakaviana Roma ( izay manan-janaka betsaka noho ny tsy Roma ) dia 528€ isam-bolana – izay ny 172 € dia avy amin'ny fanampiana omena ny fianakaviana , ny 132€ avy amin'ny fanampiana ara-tsosialy, ny 130 € karama, ny 46 € avy amin'ny fanampiana omena ireo tsy afaka miasa , ny 44 € avy amin'ny fanampiana ny tsy an'asa , ary ny 4 € avy amin'ny asa tselika.

773€ kosa ny vola miditra amin'ny fianakaviana isam-bolana amin'ireo mpifanolo-bodirindrina tsy Roma, izay mitsinjara ho 488€ karama ( 327€ ny karama farany ambany any Slovakia), 11 € fanampiana , 101 € fanampiana omena ny fianakaviana, 52 € fanampiana sosialy, 18 € fanampiana ho an'ny tsy an'asa, 1€ ny asa tselika.

Amin'ny lafiny iray, tenenin'ny Banky iraisam-pirenena ny ” fitazonana ny haraton'aina matanjaka” ho an'ny olona mahantra Amin'ny lafiny hafa, notaterina fa “ao amin'ny Repoblikan'i Slovakia, ny fahatsapana fa ireo tsy an'asa dia tsy marisika hitady asa dia tsy mavesa-danja, ny androatokon'ny valin-tenin'ny olona dia milaza fa tsy te-hiasa ireo tsy an'asa. Ambonin'izay, ny 40% dia miteny fa ny fanampiana ara-tsosialy no mahatonga ny olona ho kamo.”

Namoaka lahatsoratra iray mikasika ny olana amin'ny ” asa sy ny vola” [3]any Slovakia, ny Global Voices tamin'ny Janoary 2012 :  ny fanadihadian'ny mpampiasa aterineto dia nandika izany ho   taratry ny fihetsika sy ny fisainana  mahazatra amin'ny olan'ny tsy an'asa sy ny haraton'aina, ary manolotra ireo hevitra mahasoa ihany koa amin'ny anton'ny fisian'ny “fahatsapana” voalazan'ny Banky Iraisam-pirenena ao amin'ny fiaraha-monina Slovaky.

Ity ambany ity dia vondronà hevitra avy amin'ny mpampiasa aterineto momba ireo resaka sarotra nasongadin'ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, nofidiana tamin'ireo adihevitra nateraky ny lahatsoratry ny SME ny 7 Oktobra.

mum:

[…] Ilaina ny miteny fa isika aty am-potony dia tsy manan-kevitra ny amin'ny  an-tapitrisa Euro firy avy amin'ny tahirim-bolan'ny Firaisambe Eôropeana sy zavatra hafa mitovy amin'izany nomena ho an'ny Roma no nataon'ny mpanao politika any am-paosiny.

ius resistendi et contradicendi:

Inona no tianareo ambara amin'izany ? ilaina ve ny manome amboniny ho an-dry zareo [ ireo Roma tsy an'asa ]- sa ilaina ny maka hetra amboniny amin'ireo fianakaviana miasa ara-dalàna ?

pepo:

Hanazavàna izany, Tzigàna aho [sk: Cigan]. teo amin'ny fiainako,tsy mbola nangataka aho ary tsy mbola nahazo fanampiana ara-bola. […] Nandritra ny fiainako dia nanao fara-fahakeliny ezaka avo roa heny noho ny azon'ireo mpikambana maro an'isa atao aho.

KAROL:

Manambara ny atontan'isa fa raha miasa ianao dia mahazo 250 Euros amboniny – fa raha tsy miasa ianao – tsy dia mampaninona izany.

dagupan:

Noho izany, mba handaniana 320 ora isam-bolana amin'ny asa iarahana (asan'olon-droa) dia omen'ny fanjakantsika ambony ampanga 240 €  [ny elanelan'ny vola miditra eo amin'ny fianakaviana Roma sy ny tsy Roma ]. Izay, raha araka ny fahalalàko, 6 Euros isan'andro isaky ny mpiasa. […] Nahoana ireo tsy tafiditra ao amin'ny sosialy no miasa amin'izany fepetra izany ? Hadalana izany.

julius:

Tokony atambatra ihany koa ny vola mivoaka, fa tsy ny vola miditra ihany.
Hofan-trano = 0, rano = 0, famanàna= 0, jiro = 0, gazy = 0, saran-dàlana = 0, fanariam-pako = 0, hetra = 0
Tsoahako avy amin'izany fa ny fianakaviana Slovaky antonony dia tsy manam-bola loatra ho an'ny sakafo,ny fitafiana, ny fikarakaràna ny fahasalamana sns… noho ny fianakaviana Roma antonony. Nefa dia mila miasa izy ireo amin'izany.

TimmyA:

Tena diso izany fiheverana izany. Io tambazotra  “famonjena” io dia vokatry ny tsy fahafahan'ny vehivavy mana-talenta Roma hianatra. Raha vao feno 15 taona ny ankizivavy- dia manapa-kevitra i dada fa tokony efa hahaleo tena amin'izay izy ary terena hiteraka mba hahazahoana fanampiana ara-pianakaviana.

Nampianatra ny reniko nandritra ny fiainany ary nolazainy fa nampianatra ankizivavy Roma mana-talenta maro be izy, saingy rehefa tonga ny taona tokony hiterahany, dia teren'ny fianakaviana izy, raha toa ka tokony hanohy ny fianarany amin'ny ambaratonga ambony, ho tonga amin'ny fialan-tsasatry ny tera-bao. Ny manohana zavatra tahaka izany dia mifanohitra amin'ny famokarana .

MilankoWww:

Ny atontan'isa sy ireo heverina ho mpanavakavaka dia manana fototra iraisana. Rehefa voalaza fa ” manana fidiram-bola ambony avy amin'ny ankizy izy ireo ary iray hafa kelikely avy amin'ny asa ” – dia heverina fa ny atontan'isa no manampy amin'ny fahazoana ny olana. Rehefa lazainy fa ” miaina amin'ny fanohanan'ny fanjakana sy ny fanampiana izy ireo” – fanavakavahana izay ka tsy tokony ho raisina amin'izay, satria tsy mahakasika ny tsirairay izany