Portiogaly: Kolontsai-Panoherana Tabataba Manerantany An-tSary

Ny Asabotsy 13 oktobra 2012, heniky ny hetsi-panoheran'ny olom-pireneny indray ny arabe tany amin'ny tanandehibe maro tany Portiogaly, ary tamin'ity indray mitoraka ity ihany, niaraka tamin'ny feon'ny mpanao fihetsiketsehana, nisy koa ny vely vilany, takotra, lapoaly ankapobe’, izay tafiditra ao amin'ny hetsika Global Noise [mg] [tabataba ankapobe] tontosaina indray miaraka manerantany.

Ny hetsi-panoherana Global Noise [pt] any Portiogaly no lasa ‘ara-kolontsaina ny fiareta-panoherana’ izay anatanterahana rindran-kira any amin'ny tanàndehibe 14, manaraka ny tarigetram-pitolomana #QueSeLixeaTroika, taorian'ny fihetsiketsehana lehibe ‘Sokiro ny Troika! Ny ainay no tadiavinay‘ tamin'ny 15 Septambra.

Ny lanonana Facebook niantso fanetsiketsehana tany Lisbon no manazava ny hevitra ambadiky ny fihetsiketsehana ara-kolontsaina [pt]:

Woodstroika October 13, Praça de Espanha, Lisbon. Poster by Pedro Vieira shared on the blog irmaolucia

Woodstroika 13 Oktobra, Praça de Espanha, Lisbon. Afisin'i Pedro Vieira nozaraina ao amin'ny bilaogy irmaolucia

Há nesta altura um aumento da percepção da grave situação em que se encontra o país, sendo cada vez mais evidente e urgente a necessidade de outras perspectivas. A cultura é imprescindível para a consciência de um povo, e é essa própria consciência que por sua vez cria e dá conteúdo à cultura. Os profissionais da cultura não são excepção à situação exasperante em que o país e o mundo se encontram actualmente: é imprescindível reagir, é impensável não o fazer. Do encontro de vontades nascido nas mais recentes mobilizações surgiu a ideia de uma expressão cultural, uma manifestação marcadamente baseada nas artes e no espectáculo para contestar a austeridade e os seus implementadores: governo e troika.

Mitombo amin'izao fotoana izao ny fanairana ny toe-draharaha ratsy ahitana ny firenena, miha-mivandravandra sy lahara-pahamehana ny fitadiavana tsinjo-lavitra hafa. Ilaina ho fanairana ny olona ny kolontsaina, ary izany fanairana izany no avy eo hamorona sy hanome votoaty ho an'ny kolontsaina. Tsy manivaka amin'ny toe-draharaha manempotra iainan'ny firenena sy izao tontolo izao amin'izao fotoana izao ny mivelotena amin'ny kolontsaina: ilaina ny mihetsika [mamaly], tsy azo eritreretina ny tsy manao izany. Avy amin'ny fihaonan'ny finiavana no ahaterahan'ny fanetsiketsehana farany, mijoro ny hevitra fanehoana ara-kolontsaina iray — fanetsiketsehana iray mifototra amin'ny zavakanto sy ny zavabita, hifanamby amin'ny famehezan-kibo sy ireo mpametraka izany: governemanta sy ny troika.

Feno olona ny Praça de Espanha tao Lisbon ary hoy ny filazan'ny sora-baventy mena hoe ‘Inona no ataoko amin'ity sabatra ity?’

Fahavorian'olona ao amin'ny Praça de Espanha, Lisbon. Saripikan'i @queselixeatroika

Tao Porto, mpanao fihetsiketsehana nifamory tao Praça da Batalha nitazona vilany sy lapoaly teny an-tanany, “endrika hitamason'ny fanoheranay, mba tsy ho banga na ho an'iza na iza ny lasopy rahampitso”, hoy ny fivakin'ny antso ao amin'ny Facebook [pt].

"More austerity?", Praça da Batalha, Porto, October 13. Photo by Miguel Oliveira on tumblr (used with permission)

“Fifehezan-kibo bebe kokoa?”, Praça da Batalha, Porto, 13 Oktobra. Saripikan'i Miguel Oliveira hita Tumblr (nahazoana alalana)

Namakivaky ny iray amin'ny lalamben'ny tanàna fiantsenana hatry ny ela ny diabe, araka izay voarakitr'i Ana Cristina Seabra ao amin'ny video [lahatsary] iray, izay nifarana tao amin'ny Praça D. João I, toerana nanaovana rindran-kira  [pt].

Photo by Valeria Patatin (@valeva2) on Twitter.

Mpanao fihetsiketsehana tao Praça D. Joao I, Porto. Saripikan'i Valeria Patatin (@valeva2) hita Twitter.

Ny lahatsarin'i  ao amin'ny Youtube mampiseho ny ravaky ny sehatra:

Nuno Fangueiro sy RiseUP ao amin'ny Facebook, Miguel Oliveira sy Nelson d'Aires ao amin'ny bolongany, ary Pedro Ferreira ao amin'ny Demotix samy nanao tatitra an-tsary avokoa.

Tany Coimbra namoaka marika milaza hoe “Basta” (Leo) sy “Mivondrona ho amin'ny fiovana ankapobe” ny mpanao fihetsiketsehana.

Mpanao fihetsiketsehana tany Coimbra. Saripikan'i Pedro Eduardo

Namorona video [lahatsary] ahitana sarin'ny mpanao fihetsiketsehana tany Coimbra ny mpianatry ny Collective Aacção (Katroka):

Samy nahitana olona, kolontsaina ary fiarahana mitabataba ihany koa ny tanànan'i Aveiro, Angra do Heroísmo, Barreiro, Beja, Braga, Caldas da Rainha, Faro, Loulé, Portimão, Setúbal, Viana do Castelo ary Viseu. Mamehy ny hetsika manerana ny firenena ka hatraty ivelany ny video “A Cultura Contra a Troika” (Kolontsaina manohitra ny troika, seho an-tsehatra ahitana teny miaty vali-panafihana) nataon'i queselixeatroika:

Tsy ny rehetra anefa no mitovy hevitra amin'ny endriky ny hetsi-panoherana, tahaka an'i Luís Costa izay nametraka antso maro [pt] tao amin'ny Facebook “tsy hiditra amin'ny familian-dalana amin'iny tokony ho fihetsiketsehana”:

alguem pagou para transformar uma manifestação num festival! e aposto que somos nós que estamos a pagar por esta palhaçada! é mais fácil juntar meia duzia de artistas e po-los a cantar do que ter um povo revoltado às portas da assembleia a desafiar os polícias e pronto para partir aquilo tudo. é mais conveniente que ao final do dia o povo vá para casa a dizer “epá isto da austeridade até dá concertos à borla”.

Misy mandoa vola hamadihana ny hetsi-panoherana ho fetibe! ary mitsatoka aho fa isika no handoa ity fahadalana ity! mora kokoa ny maka artista dimy aman'enina sy mampihira azy ireo noho ny fananana vahoaka mioko eo am-baravaran'ny lapan'ny antenimiera hifampihaika amin'ny polisy sy hamotika azy manontolo. Mahafinaritra kokoa raha tonga ny takariva dia mody ny olona ka miteny hoe “he, toa manome rindrakira ho antsika maimai-poana ary ity fifehezan-kibo ity”

Na dia eo aza ny fijery matroka, tsy fahafaliana manoloana ny fepetram-pifehiezan-kibo dia mbola mihamahazo vahana ny governemanta. Nisy antso hanaovana “Fahirano amin'i São Bento [Lapa]” [pt], tranon'ny Antenimieran'ny Repoblika ny 15 Oktobra. Mitovitovy tamin'izay nitranga tany Espaina ity fandraisana an-tanana ity hahafaha-mamor ieo manohitra ny politika ankehitriny izay mitarika ho amin'ny tsy fananan'asa, fahantrana ary ny fihemoran'ny fiaraha-monina.

Ny fanambarana ampahibemaso [pt] nivoaka avy tamin'ny hetsika nandritra ny 13 Oktobra, dia miantso ny hanamafisana ny fijoroana sy fanoherana ny tetibolam-panjakana ho amin'ny taona 2013, holaniana ao amin'ny antenimiera amin'ny 31 Oktobra:

Começando hoje, aqui, e passando por dia 31, estaremos na rua para dizer: “este orçamento não passará!”

Manomboka eto, anio, ary mandrapahatongan'ny 31 [Oktobra], ho eny an-dalambe isika hiteny hoe: “tsy azo laniana ity tetibola io!”.

Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Sara Leão.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.