Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Akon'ny Ny Fifidianana Venezoeliana Tany Panamà

Taona vitsy lasa izay, nitombo ny isan'ny mpifindra monina Venezoeliana any Panamà. Noho izany, maro ireo Panameana sy Venezoeliana monina ao amin'io firenena io no nanaraka amim-pahamalinana ny fifidianana filoham-pirenena hatramin'ny 7 Oktobra. Araka ny habaka aterineto  Info Sur Hoy [es]:

3,500 venezolanos residen legalmente, informó el Servicio Nacional de Migración de Panamá. Aunque también hay 86.815 venezolanos que llegaron al país en los últimos seis años y que no han legalizado su estatus migratorio, informó el periódico Panamá América.

Venezoeliana 3.500 no monina manana taratasy ara-dalàna any amin'ny firenena Amerika Afovoany, araka ny Sampan-draharaha Nasionaly momba ny fifindra-monina any Panamà. Saingy Venezoeliana 86.815 no tonga ao amin'ity firenena ity tao anatin'ny 6 taona ary tsy nody intsony araka ny gazety Panamá América.

Nanomboka nifidy vao maraina be ireo Venezoeliana manana taratasy ara-dalàna, araka ny notaterin'ny  El Venezolano [es], gazety miseho isan-kerinandro ho an'ny fiaraha-monina Venezoeliana any Panamà :

A las 6:15 am se inició el proceso de votación donde tres salones han sido habilitados dentro de la Embajada. Hasta los momentos, todo ha sido fluido y organizado. Los venezolanos mostraron su cara de esperanza y felicidad por tener la oportunidad de ejercer su derecho en este país, desde muy tempranas horas de la madrugada cuando se acercaron a la Embajada, equipados con café, bebidas, agua, alimentos y su cédula de identidad.

Nanomboka tamin'ny 6:15 maraina ny fifidianana tao amin'ny biraon'ny masoivoho, nisy efitra telo namboarina manokana ho amin'io fotoana io. Tsotra sady voalamina tsara ny zava-drehetra hatramin'io andro io. Tonga tamin'ny endrika feno fanantenàna, faly afaka mampiasa ny zony hifidy ao amin'io firenena io ireo Venezoeliana. Nanomboka tonga tany amin'ny masoivoho vao maraina be ry zareo miaraka amin'ny kafe, rano fisotro, rano, sakafo, ary ny karam-panondrony.
Venezolanos votando en Panamá

Venezoeliana nifidy tany  Panamà ny 7 Oktobra, 2012. Sary nozaraina tamin'ny  @ElVenezolanoP tamin'ny Twitter.

Raha vao fantatra izay mpandresy amin'io fifidianana io, vetivety ny fahatongavan'ny fanehoan-kevitra amin'ny tambazotra sosialy, izay hanadihadian'ny Panameana sy ny Venezoeliana ny valim-pifidianana. Ohatra, Diego de Obaldia (@DeObaldia [es]), Venezoeliana iray monina any Panamà, somary nananihany :

(@DeObaldia) Vamos a ver quién puede más: la maldad de CHAVEZ o la hospitalidad de PANAMÁ…

(@DeObaldia) Ho hitantsika  iza no mahefa kokoa : ny ratsin'i CHAVEZ sa ny fahaiza-mandray vahinin'i PANAMA …

Ny hafatra amin'ny Twitter miaraka amin'io feo io dia nanomboka nandeha tamin'ireo hafatra famporisihina sy fampanantenana ho an'ny Venezoeliana, na dia misy aza ireo mampitandrina ny amin'ny fisian'ireo andiana mpifindra monina vaovao. Ny tatitr'i La Estrella de Panamá[es] :

Tras la victoria de Chávez se prevé que ocurrirá una nueva ola de migración. Lo que si llega a pasar, sería bueno para la economía panameña de acuerdo con el economista socio de la firma Indesa Felipe Chapman.

Aorian'ny fandresen'i Chávez hisy andianà mpifindra monina ho tonga indray. Raha toa ka tanteraka izany, dia hisy vokany tsara amin'ny toe-kerena Panameana, araka an'i  Felipe Chapman, manam-pahaizana momba ny toe-karena sady mpiara-miasa amin'ny orinasa Indesa.

Heverina fa firenena manana kolontsaina isankarazany Panamà, izany no manazava ny antony hankasitrahan'i Giordano C (@GiordanoCQ) [es] ny fandraisan'i Panamà ireo Venezoeliana, sy ny antony hilazany ny fisian'ny andianà mpifindra monina vaovao :

(@GiordanoCQ) Presiento un tsunami de venezolanos a PTY , gracias Panamá por abrirnos las puertas y recibirnos como en casa …

(@GiordanoCQ) Mahatsapa tsunami Venezoeliana mizotra mankany amin'ny PTY [marika ahafantarana ny seranampiaramanidin'ny tanànan'i Panama], noho ny fanokafan'i Panamà ny varavaranareo ary manao anay ho tahaka ny any an-tanindrazana…

Ho an'ny Panameana sasany, ny fifidianana any Venezoela dia taratry ny fifidianana Filoha any Panama ho avy manaraka eo (Ny fifidianana indray ny Filoha am-perin'asa dia tsy araka ny lalàm-panorenana any Panamà ). Ny mpisera ‘ec’ dia manadihady ao amin'ny  Foros Slot [es]:

En fin, yo creo que esto es un testamento de que en países con democracias tan inmaduras como las nuestras no debemos permitir re-elección por que las masas son fácilmente manipulables.

Amin'ny farany, mino aho fa io zavatra io dia hampiseho fa ireo firenena izay manana demokrasia tsy tsara fototra  tahaka ny antsika dia tsy tokony hamela ny fitohizan'ny fitondran'ny Filoha am-perinasa, satria mora lalaovina ny vahoaka.

Efa alinalina ihany, tamin'ny Alahady, 7 Oktobra, ny Panameana Yoli Moreno (@_YoliM_) [es]  dia nampahatsiahy ireo mpanaraka azy ny amin'ny maha-zava-dehibe ny fanarahana akaiky ireo fifidianana ireo :

@_YoliM_: Leo algunos tuits y siento pena. Cuando empiecen a pensar globalmente se darán cuenta que lo que pase en cualquier país nos afecta.

@_YoliM_:Mamaky bitsika vitsivitsy aho ary malahelo. Rehefa manomboka misaina malalaka ianao  dia hahatsapa fa hahazo antsika izay miseho any amin'ny firenen-kafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny