- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Mpanao Lalàna Mikasa Hametraka lalàna Amin'ny Tambajotra Sosialy

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet

Anaty efi-manakon'ny RuNet, mora ho an'ny bilaogera ny voafandrika amin'ny lohatenin-gazety manaitaitra. Ity misy tranga iray amin'izany:

Andro vitsy lasa izay, bilaogera maromaro no nirehidrehitra amin'ny hevitra fa misy komity ao amin'ny Duma miandraikitra ny fametrahana lalàna momba ny aterineto vao namolavola lalàna vaovao [1] [ru] mametraka ny tsy maintsy hananan'ny mpiserasera amin'ny tambajotra sosialy karazana kara-panondro [pasipaoro] amantarana azy. Noho ny efa nisian'ny fikasana teo aloha nikendry hametrahana lalàna amin'ny Aterineto Rosiana dia mora ny nino ny vaovao tahaka izany. Anton Nosik, talen'ny fampahalalam-baovao ao amin'ny SUP, orinasa Rosiana mitantana ny LiveJournal, nandefa tsikera mavaivay [2] [ru] avy hatrany tao amin'ny bilaoginy, namazivazy ny fanambin'ny fampitaovana amin'ny fametrahana lalàna faobe amin'ny aterineto tahaka izany izy:

…обязать Twitter, Фейсбук, Google или тот же ЖЖ отказывать новым пользователям в регистрации без российского паспорта и заблокировать десятки миллионов уже существующих аккаунтов — полностью бредовая и фантастическая затея, которую смешно даже обсуждать. Следовательно, паспортизация невозможна без полной блокировки доступа россиян к зарубежным площадкам.

…Lahasa mahagaigy mahavalalanina tanteraka, izay tsy mendrika horesahina akory, izany hoe hifehy ny Twitter, Facebook, Google sy ny LiveJournal handà ireo mpiserasera vaovao tsy manana pasipaoro Rosiana, sy hanakatona ireo kaonty ampolony tapitrisany misy ankehitriny. Vokatr'izany, tsy azo tanterahina velively ny “fanaovana pasipaoro” raha tsy sakanana tanteraka tsy hiditra amin'ny habaka Rosiana ny sehatr'habaka vahiny ..

[3]

Anton Nosik tamin'ny taona 2009. 25 Novambra 2009. © Dmitry Rozhkov. Sary: Wikimedia Commons.

Fanamarihana feno fanantenana no namaranan'i Nosik  ny fanehoan-keviny: araka ny filazany, donendrina ny sampan-draharaha Rosiana mety hiandraikitra ny fampanajàna ny lalàna tahaka izany ary ho baranahiny ny fampiharana izany, na koa tsy ho tontosa mihitsy. Nampahatsiahy ny mpamaky momba ny fametrahana lalàna nokasain'ny Ministeran'ny Fifandraisana natao tamin'ny telo taona koa izy, izay tsy nitondra nankaiza akory avy eo.

Raha ny tena marina, manoloana ny fikasan'ny governemanta Rosiana hametraka hevi-diso momba ny lalàna (tahaka ny lalàna vao haingana tao St. Petersburg izay manohitra ny “dokambarotra amin'ny fifanambadian'ny lahy sy ny lahy na vavy sy ny vavy “homosexualité”), sarotra ny manome tsiny ny bilaogera raha mandray izany ho tena matotra izy ireo. Amin'izany tranga izany anefa, dia miharihary fa fanairana zava-tsy misy ilay izy. Na dia nitatitra aza i Nosik sy ny hafa fa ny Komity ao amin'ny Duma misahana ny Politikan'ny  fampahalalam-baovao no nanolotra ity lalàna vaovao ity, raha ny tena marina dia hevitra avy amin'ny mpikambana zandriny ao amin'ny komity izany, Vadim Dengin avy ao amin'ny LDPR. filohan'ny Komity, nolazain'i  [4]Alexei Mitrofanov ampahibemaso ny tsy fanekeny izany fehezan-kevitra izany

Это инициатива депутата Вадима Деньгина. Я отношусь к этой постановке отрицательно […] Более того, я думаю, что не будет поддержано большинством, потому что элементы китайской системы особенно нас не прельщают. Никто не собирается ставить китайскую стену. Никто не хочет цензуры в интернете. Но почему-то это ставится как инициатива комитета, меня зачем-то приплели.

Fanapaha-kevitra avy amin'ilay depioté Vadim Dengin izany. Tsy manaiky izany fehezan-kevitra izany aho […] Fanampin'izany, inoako fa tsy ho raharahian'ny ankamaroan'ny olona izany, satria tsy dia mahasarika antsika loatra ny fomba mitovy amin'ny rafitra Sinoa. Tsy misy olona te hanangana “Rindrin'ny Sinoa.” Tsy misy olona maniry sivana amin'ny aterineto. Kanefa, noho ny antony hafa, nampahafantarina toy ny fanapahan-kevitry ny komity ity, ary saika voafitaka tamin'izany aho noho ny antony maro.

[5]

Vadim Dengin, saiky tsy manoratra mihitsy ao amin'ny pejy VKontakte. Ahoana no ahafantarantsika fa tena izy tokoa io? Pikantsary 15 Oktobra 2012.

Angamba te-hametraka ny anarany amin'ny alalan'ny fananganana zavatra mampiady hevitra i Dengin, izay mitarika ny sampan'ny tanora LDPR. Niaro ny heviny izy [6] [ru] tao amin'ny Twitter:

@mdvorkovich честному человеку нечего скрывать…поэтому ищем вариант реального подтверждения регистрации реального пользователя

@mdvorkovich tsy manana zavatra afenina ny olona mahitsy fo…ka mitady ny fomba hanamarinana ny fisoratana anarana ataon'ny mpiserasera isika

Ny filazana fa tsy manana zavatra afenina ny olona dia tsy samihafa loatra amin'ny hevitra momba ny fiainana  manokan [7]a ataon'ny facebook'n'i  Mark Zuckerberg, izay voatsikera koa. Raha tsy hahita masoandro tokoa ny fehezan-kevitry Dengin, dia mahazo manantena isika fa mbola hisy indray ny fehezan-kevitra mahabe-adihevitra avy aminy amin'ny manaraka.