- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Repoblika Czech: Mitohy Ny Tolona Přednádraží

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Repoblika Tseky, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Přednádraží dia arabe ao Ostrava ahitana trano biriky manana rihana 11, izay fianakaviana Roma, foko Czech vitsy an'isa lehibe indrindra. Hatramin'ny Aogositra 2012 izy io no toerana nohafanain'ny tolona [1] anoherana ny fanalana an-tery ataon'ny tompon-trano sy ny mponina avy amin'ny alalan'ny fiadidiana ny tanàna, izay milaza fa noho ny fahapotehan'ny trano ary indrindra ny fahavakisan'ny tatatra fanarian-drano no antony.

Navelan'ny fiadidiana ny tanànan'i Ostrava ho potika tonga amin'izao toerany izao, tamin'ny tsy firaharahiana azy mihoatra ny folo taona, ny tatatra fanarian-drano ao Přednádraží, mandra-pahatonga ny volana aogositra, fotoana nanapahan-kevitra “hamahana” ny olana amin'ny alalan'ny fanesorana ny mponina sy amin'ny fitezerana ny maro amin'izy ireo mbamin'ny tompon'ny trano ho tompon'andrakitry ny fahasimbana Ho an'ny ankamaroan'ny mponina, midika ho famindran-toerana sy fanahiana ho lasa tsy manan-kialofana izany fanesorana amin'ny trano izany, sady tsy nanome fampialofana amin'ny hofany mora ihany koa ny manampahefana, fa ny natorony dia ny hifindrana mankany amin'ny toerana efa be olona sy trano fivahinianana tsy taka-bidy. Ao anatin'ny lazaina ho dingana manan-tantara eo amin'ny tolon'ny Roma ho amin'ny zony no nampivondrona ny heriny ny mponina sy ny tompon'ny trano ary ireo mpikatroka Czech ka niara-niaritra ny faneren'ny fitondram-panjakana.

Mafimafy ny dona nahazo ny fiaretan'i Přednádraží tao anatin'ny volana na izany aza.

Raha mbola misy manodidina ny 50 ny olona mipetraka ao amin'ny toerana, ao amin'ny fanorenana fantatra amin'ny hoe “Laharana faha-8,” mizaka fiaretana mbola tsy nisy toy izany avy amin'ny fitondram-panjakana ry zareo sy fahasarotana ara-batana, fa notapahina ny herinjiro ary paompy tokana no ahazoana rano ho an'ny fanorenana iray manontolo amin'izao fanatonan'ny ririnina izao.

Tamin'ny 20 septambra, Nitatitra ny gazety Romea fa ny Vzájemné soužití [2] [cs], fikambanana mpiaro sy manao asa sosialy mifantoka amin'ny zon'ny Roma, velomin'i Kumar Vishwanathan, izay nazoto tamin'ny fanohanana ny tolon'i Přednádraží, dia nesorina tamin'ny biraony [3] [cs], nampanofain'ny fiadidiana ny tanànan'i Ostrava azy ireo. Tsy nahazo fanazavana tamin'ny fanesorana tamin'ny trano ny Vzájemné soužití ka mihevitra ny hametraka fitoriana.

Tamin'ny 25 septambra, matin'ny homamiadana ilay mpikatroka Czech Jakub Polák [4] [en], mpanohana mafana fo an'ny Přednádraží, nirotsaka lalina ho amin'ny zon'ny Roma hatramin'ny revolisiona veloro (lomotra?). Nanomana diabe ho fanomezam-boninahitra azy ny namany tao Prague, nitondra sora-baventy manao hoe “Mitohy Ny Tolona” amin'ny teny Czech sy Romani. Nanjary lasa fanehoana mahafinaritra misy eo amin'ny firaisan-kinan'ny Czech-Roma ny diabe ary natrehina mpikatroka ho amin'ny zon'ny Roma sy solontenam-piaraha-monina maro.

[5]

Diabe tsi-fandevenana an'i Jakub Polák: Mitohy ny tolona. Saripika Saša Uhlová, nahazoana alalana.

Roa andro monja taorian'ny filazana ny fahafatesan'i Jakub Polák, tamin'ny 27 septambra, nitatitra ny [6] [cs] Romea News fa ny tompon'ny trano ao Přednádraží, Oldřich Roztočil, izay miara-dalana amin'ny mponina, dia nikasa ny hamono tena. Tratran'ny fanorisorenana avy any amin'ny mpitondra fanjakana hatrany Atoa Roztočil rehefa tsy nety nanatanteraka ny baikom-pandroahana. Nampandoa onitra mitentina 30,000 CZK [7] [cs] azy ny Sampan-dRaharaha Misahana ny fampitaovana ao amin'ny Lapan'ny Tanàna, nanome baiko azy hanao fanarenana ireo trano (izay tsy misy dikany noho ny olana eo amin'ny tatatra), ary farany teo dia nanome baiko azy handrava ny iray amin'ny trano ao anatin'ny roa herinandro izay tsy azony tanterahina satria mitentina 4 tapitrisa CZK eo ho eo izany (nisy orinasa mpananga-trano nanombana ny sara tafahoatra hatramin'ny 28 tapitrisa CZK).Efa niverina ny herin'Atoa Roztočil ary salama tsara izy amin'izao fotoana izao.

[8]

Oldřich Roztočil mifampiresaka amin'ny solontenam-pokonolona ao Přednádraží sy ireo mpikatroka. Sarin'i Daniela Kantorova.

Ny farany indrindra teo, nametaka “sira” (savoka) [na hoe nofantsihana tsy ho azo idirana ny trano raha ho antsika Malagasy] ny tranon'olona tao Přednádraží Ny Sampan-draharaha misahana ny fananganan-trano ao Ostrava [9] [en] ary nanakana ny fidiran'ny mponina. Nifindra nankao amin'ny trano “laharana faha-8” avokoa ny mponina rehetra ary mikasa ny hijanona ao sady ao no itadiavan-dry zareo ny vola famatsiana ilaina hanarenana ny trano sy ny tatatra fanarian-drano. Miaritra ny fanerena avy amin'ireo mpiasa sosialy mandrahona ny haka ny zanany ry zareo. Manahy ny amin'ny fiarovana ny ainy koa ry zareo, satria tratran'ny fandrobana ireo trano nilaozana, ka ny tena lasibatra amin'izany dia ny metaly izay azo amidy. Vao maika tsy mahatsara aro ireo trano voatery nilaozana izany karazana fandrobàna izany ary vao maika mampiakatra ny saram-panarenana; nefa dia tsy vonona ny hiaro ny toerana ny polisin'i Ostrava.

[10]

Building 8 ao Přednádraží. Sarin'i Daniela Kantorova.

Raha mihamafy ny fanerena, mitombo ihany koa ny firaisan-kina.

Nisy vondrona vaovao mpiaro ny olo-pirenena antsoina hoe SOS Přednádraží [11] [cs, en] nanao fanangonan-tsonia [12] ka efa nahangona 277 amin'izao fotoana izao [13], izay olo-tsotra ny ankamaroany, saingy ahitana fikambanana sy vondrona roa, ahitana ny Czech Helsinki Committee [14] [en] sy ny mpihira hip-hop olon-droa Čokovoko.

Nandritra ny diaben'ny Hambom-po Roma [15] [en] voalohany indrindra hatramin'izay notontosaina tao Prague tamin'ny 7 oktobra, dia namaky fanambarana ho fanohanana an'i Přednádraží ny SOS Přednádraží. Mpikatroka maro avy any Prague no nifindra nankany Přednádraží mba hanao anjara fiambenana ny trano. Martin Škabraha [16] [cs], mpitondra tenin'ny fikambanana mpiaro ny fahalalaham-bahoaka ProAlt [17] [en] ary mpampianatra filozofia iray ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Ostrava, no mikasa hanao adihevitra ampahibemaso momba an'i Přednádraží ao amin'ny Anjerimanontolo.

Amin'izao fotoana izao ao Přednádraží, na dia eo aza ireo fahavoazana rehetra ireo, dia misy ny tsirim-panantenana, ary amin'ny fitomboan'ny firaisan-kina, misy zavatra iray tsy tsapan'ny manampahefana: hihamaro kokoa ny olona hahita miharihary ny tsy fetezan'ny zavatra ataony, ka raha mitohy hatrany izany dia ho maro kokoa ny mpanohana ny hetsika mpiaro ny zon'ny Roma.