Mpanao Gazety An-tSerasera Voaràra Tsy Hahazo Hiditra Ny Lapan'ny Antenimieran-Gazety

Protesters in front of Diet on July 6, Friday

Mpanao fihetsikesehana eo anoloan'ny Diete [Antenimiera] ao Japana tamin'ny 6 Jolay 2012/ sary nalaina mivantana tao amin'ny fahitalavitra Ourplanet-TV

Mivory manoloana ny Biraon'ny Praiminisitra ao Tokyo isaky ny zoma, ny mpanao fihetsiketsehana “Tsy Mila Nokleary”. Nanamarika ilay mpanao gazety mpakasary Hajime Shiraishi, izay mitantana ny fahitalavitra an-tserasera Our Planet TV tamin'ny 6 Jolay 2012 fa ny zoro tsara ijerena indrindra ny mpanao fihetsiketsehana manerana ny arabe dia hatreny amin'ny Tafon'ny Lapan'ny Antenimieran-Gazety. Na dia izany aza, tsy navela haka sary tao izy satria tsy mpikambana ao amin'ny Fikambanan-gazety ofisialy.

Mpanao gazety malaza i Shirashi ary efa nahazo loka avy amin'ny vehivavy Japoney ao amin'ny Onjam-peo sy Fahitalavitra, sy ny Kongresin'ny Mpanao gazety ao Japan. Mihevitra izy fa zava-dehibe ho an'ny fahitalavitra OurPlanet TV ny maka ny sary sy ny fihetsik'ireo olo-pirenena mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana manan-tantara, ka nandefa fangatahana teny amin'ny fitsarana izy mba ahazoany miditra ao amin'ny terasin'ny Antenimiera. Nolavin'ny fitsarana ao Tokyo anefa ny fangatahany tamin'ny 27 Jolay, ka nampiakatra izany fangatahany izany teo anivon'ny mpitantana ny Lapan'ny Antenimieran-Gazety indray izy.

Mampiseho an'i Shirashi niezaka niditra tao amin'ny tafon'ny Tranon-gazety tamin'ny 6 Jolay ny lahatsary amin'ity fahitalavitra Ourplanet TV ity.

 

Lahatsary mivantana  Ustream

Nanambara ny praiminisitry ny Fikambanan-gazety fa ampiasaina hanandratana ny Fahalalahan'ny fanaovan-gazety ny efitra ho an'ny mpanao gazety, saingy laviny ny fidiran'ny fampahalalam-baovao an-tserasera sy ny mpanao gazety tsy miankina amin'izany.

Naneho ny tsy fahafaliany amin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra mpikambana ao amin'ny Fikambanan-gazety ny olom-pirenena tsotra, nahatsiaro izy ireo fa tsy voatantara araka ny tokony ho izy ny fihetsiketsehana “Tsy Mila Nokleary”.

120 taona izay no nijoroan'ity Fikambanan-gazety manan-tantara ity. Na dia izany aza, mihevitra i Shiraishi fa manàkana ny fifaninanana malalaka ny fanilikilihana ny Aterineto sy ny mpanao gazety tsy miankina. Mitaky izy mba “hampiasaina amin'ny ara-drariny ny tranobem-panjakana, ho fiarovana ny zo fototra hahazoan'ny vahoaka vaovao.”

Dikan-teny famintinana ny lahatsoratra tao amin'ny Ourplanet TV [ja] ity lahatsoratra ity izay ambanin'ny alalana Creative Commons License.

 

8 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Jentilisa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.