Tontolo Arabo: Ny Anjara-ratsin'Ireo Vehivavy Mpitsoa-ponenana Syriana

Satria mbola mitohy ny Revolisiona Syriana, mitohy miantraika amin'ireo mpitsoa-ponenana ny herisetra tao amin'ny firenena hatrany ny voka-dratsin'izany [Revolisiona], ny vehivavy indrindra no tena mandoa avo roa heny ny voka-dratsin'ny ady noho izy ireo iharan'ny herisetra amin'izany ady mitam-piadiana izany.

Amin'ny kolontsaina entina sy anjakazakan'ny lehilahy izay manararaotra tsy an-kiato ny fahalemen'ny vehivavy mba ho tombotsoany manokana, tsy maintsy terena hanambady Syriana na teratany Arabo ny vehivavy Syriana mpitsoa-ponenana ao Jordania, Libya, Torkia ary Libanona, nolazaina fa noho ny fiarovana ny hankatony no anton'izany.

Amin'izany toe-javatra izany, nalaza tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy ny vaovao momba ny vehivavy Syriana mpitsoa-ponenana terena hanambady sy ny dokambarotra mba hanambadiana azy ireo ho “fiarovana ny hankatony”. Naharay “fangataham-panambadiana” marobe avy amin'ny tanora Arabo te-hanambady mpitsoa-ponenana mba “hiarovana ny voninahiny” ny pejy Facebook “Vehivavy Syriana Miaraka Amin'ny Revolisiona”, izay natsangana tany am-boalohany ho fanohanana ny revolisiona.

Ohatra, Rami [ar] avy ao Jordana nanoratra toy izao:

مرحبا انا رامي من الاردن عمري 25 وارغب في اازواج من فتاة سورية ونا واللة جاد جدا وارغب في الستر والحمدلله عندي بيت وراتبي منيح والحمدلله

Miarahaba, Rami no anarako, 25 taona aho ary avy ao Jordania. Te-hanambady tovovavy Syriana aho. Manome antoka aho fa tena matotra ary tena hiaro ny voninahitra. Misaotra ny Tompo, manana trano aho ary tsara karama. Isaorana ny Tompo

Ny valin'izany, Syriana marobe no naneho ny fahavinirany sy ny fahatezerany manoloana ny fanararaotana ny zava-iainan'ireo fianakaviana mpitsoa-ponenana noho izany fomba fitadiavana vady sy varotra izany. Etsy ankilany, nipaka hatrany Libya ny zava-misy, niresaka ny ny mpitsoa-ponenana Syriana fa misy ireo Libyana mandondòm-baravarana, mitady vehivavy hovadiana atakalo vola.

Taken from "Syrian Women with the Revolution Page" where we can read: Is this is how we are being rewarded? By you buying our sisters from the refugees camps? Shame on you and on your sense of honor. The Liberated Kfarnabl 04/09/2012

Taken from “Syrian Women with the Revolution Page” where we can read: Is this is how we are being rewarded? By you buying our sisters from the refugees camps? Shame on you and on your sense of honor. The Liberated Kfarnabl 04/09/2012

Helal Samarqandy nanoratra [ar] tao amin'ny Facebook:

أقلها هلا ركزت في دعمهن للحصول على ضروريات الحياة ثم اطلب يدها حرة إن أردت، أما استغلال تشردهن وفقدان ضرورات الحياة لديهن فلست بخير من بشار.
لعن الله من لا يحركه الا فرجه.

Ny zavatra hany azo atao dia ny manohana azy ireo mba hananany foto-piainana ary manontany azy ireo raha malalaka izy ka raha -tianao, kanefa mba hanararaotana ny fitsoaha-ponenany sy ny tsy fananany ny zavatra tena ilainy eo amin'ny fiainana  no anton'izany, tsy tsara noho i Bashar ianao. Hozonina anie izay manana ati-doha eo anelanelan'ny tongony.

Nanamafy ny bilaogy Nbares  fa misy ny birao miafina misahana ny “fanambadiana” vehivavy Syriana ao Benghazi, ka ilazan'ireo mpitsoa-ponenana Syriana fa misy Libyana mandondòm-baravarana ao amin'ny fianakaviana Syriana mba hangata-bady ireo tovovavy Syriana, fanampin'izany ny fisianà birao miasa an-tsokosoko.

Nandritra izany, nomen'ny Libyan Affairs [ar] lohateny hoe “Fijaliana fanindroany ho an'ny vehivavy Syriana mpitsoa-ponenana …. ady mandrava ny tanindrazana sy ny fangataham-bady izay mitovy amin'ny fanambadiana noterena” ny lahatsorany:

…دكاكين أبو حمد، [ وهو رمز لـ”تاجر نساء” في الأردن والجزائر وليبيا والعراق اختاره أحد الكتاب السعوديين الذين انتقدوا ظاهرة استغلال السوريات اللاجئات من قبل خليجيين وعرب] العربي المتدين الذي يتاجر بالنساء معززا بفتاوى الفقهاء، بدأت انتشارها مع اشتداد الحرب في سوريا، وسرعان ما وجدت زبائنها من الشباب والشيوخ راغبين في الزواج بالسوريات، “لسترهن” أو للتكفل بهن من منطلق أنهن لاجئات لا عائل لهن….. وغالبا ما يتم الزواج بالسوريات اللاجئات بمهور زهيدةحيث لاتملك عائلة العروس إلا القبول نظرا لظروفها الصعبة وبحثا عن “السترة” وحرصا على شرف البنات والعائلة.

We shall not accept humiliation or disgrace. This is opportunism. From "Syrian Women with the Revolution" Facebook Page and the dialogue translates into: - Marry me in Halal and I shall take you and your family from the camp - You left everything and brought victory to Islam by abusing Syrian refugee girls

Tsy azontsika ekena ny fanalam-baraka sy ny tsy fanajana. Fanararaotana izao Tao amin'ny pejy Facebook “Vehivavy Syriana sy ny Revolisiona” sy ny resadresaka nadika hoe: – Vadio ao Halal aho ary hoentika hanaraka ahy any an-trano ianao sy ny fianakavianao – Navelanao ny rehetra ary nitondra fandresena tao amin'i Islamo ianao tamin'ny fanararaotana ny vehivavy Syriana mpitsoam-ponenana

Mpanoratra Saodiana no nanome anarana ilay magazain'i Abu Ahmed [” Fitaratry ny mpanohana” ao Jordàna, Alzeria ary Irak, nitsikera ny fanararaotana ataon'ny lehilahy ao Arabia sy Golfa amin'ireo vehivavy mpitsoa-ponenana ity mpanoratra Saodiana ity … ] Nihamafy ny ady ao Syria, nanomboka niparitaka arak'izany ny “Arabo tia tanindrazana”, “ny mpivavaka mivarotra vehivavy” ao amin'ny fatwas [finoana] an'ireo mpitondra fivavahana, ary taty aoriana, nahita mpividy tamin'ireo tanora lehilahy sy anti-dahy izy ireo izay mikasa hanambady vehivavy Syriana ho fiarovana ny voninahiny sy hikolokoloana ireo vehivavy Syriana satria mpitsoa-ponenana tsy manam-pivelomana izy ireo. Matetika, manambady miaraka amin'ny fananany kely tsy dia lafo ireo vehivavy Syriana ary manaiky fotsiny sisa no azo ataon'ny fianakavian-drahavehivavy noho ny fari-piainany ratsy dia ratsy sy ny “fiarovana” ny voninahitry ny vehivavy sy ny fianakaviany.

Tao anatin'ny fanentanana momba ny fanohanana ny vehivavy Syriana mpitsoa-ponenana ao amin'ny firenena mifanolo-bodirindrina amin'i Syria, tanora Syriana sasany nanangana pejy Facebook mitondra ny lohateny hoe “Tsy Babo an'ady … ny Mpitsoa-ponenana” [ar] izay fehezina toy izao ny antom-pisiany sy ny andraikiny:

 

لحماية حقوق المرأة السورية..
لمحاربة امتهان قيمة المرأة السورية..
لدعوة المجتمع الأهلي ورجال الأعمال لدعم المرأة السورية..
لاجئات لا سبايا.. لأن السوريات انتفضن لأجل كرامتهن لا ليكونوا بضاعة رخيصة في سوق النخاسة تحت مسيمات الزواج والسترة..
شاركونا في دعم حملة ” لاجئات لا سبايا

Ho fiarovana ny zon'ny vehivavy Syriana
Ho fiadiana amin'ny fanalam-baraka ny hasin'ny vehivavy Syriana
Ho fiantsoana ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpandraharaha lehilahy hiaro sy hanohana ny vehivavy Syriana
Tsy Babo an'ady ny mpitsoa-ponenana, satria nioko ireo vehivavy Syriana noho ny fahamendrehany fa tsy hoe mba ho lasa entana mora na hivaro-tena eny an-tsenan'ny andevo noho ny mariazy sy voninahitra. Tongava manohana anay ao amin'ny “Fanentanana Tsy Babo an'ady ny mpitsoa-ponenana”

Nametraka fanontaniana tao amin'ny pejy Facebook i Moayad Skaif [ar], iray amin'ireo mpamorona ny fanentanana:

دعوات الخليجيين للزواج من سوريات تعني أنهم ينظرون إلى نسائنا كسبايا ولكن بالمال.. إنه سوق نخاسة.. لإرضاء نزواتهم الجنسية وتحسين نسلهم على حساب كرامتنا وبعناوين فضفاضة..
أيها السوري اليتيم.. صرت قشة في قلب الريح..

Ny antso ataon'ny teratany lehilahy ao Golfa mba hanambady vehivavy Syriana dia midika fa tahaka ny babo an'ady ny fijerin'izy ireo ny vehivavintsika, saingy vidiam-bola… Varotra andevo izany, mba hanomezana fahafaham-po ny filàn'ny nofo fotsiny sy hanatsarana ny taranany amin'ny alalan'ny fahamendrehantsika sy ny “voninahitra” hoentitsika … ndryyy, ry Syriana kamboty mampalahelo … nanjary ” mololo” teo am-pon'ny tantara ianao.

Nohadihadian'ny gazetiboky an-tserasera “Zaman al Wasl” (Vanim-Potoanan'ny Fifandraisana) [ar], hoy izy nanontany:

إذا كانت النخوة والرغبة في المساعدة هي الدافع الحقيقي لدى راغبي الزواج فلماذا لم يهب هؤلاء إلى ستر الصوماليات أو السودانيات من أهل دارفور؟….وإذا كانت الدوافع انسانية بحتة كما يزعمون فليدعموا الشباب السوري الذي أجبرته الظروف على أن يظل أعزبا وهو لاجئ لا يجد قوت يومه.

Cover Page of "Refugees ... Not Captives" Facebook Page

Cover Page of “Refugees … Not Captives” Facebook Page

Raha fanambadiana marina sy fikasana tena hanampy no tena anton'ny fangataham-panambadiana, maninona raha ny voninahitry ny vehivavy ao Somalia na Sodaney no arovana? Raha tena asa soa tokoa no antony araka ny nambaran'izy ireo, arovy sy tohano arak'izany ireo tanora lehilahy Syriana izay lasa mpitsoa-ponenana irery tsy fidiny ary tsy mahita hanin-kohanina noho ny zava-niseho tao amin'ny fireneny [Syria].

Nanoratra momba ny maha-zava-dehiben'ny fanentanana i Abdelhak tao amin'ny bilaoginy debdoupress [ar]:

…تهدف الحملة التي أطلقتها الناشطة السورية مزنة دريد تحت شعار( لاجئات لا سبايا) إلى توعية أهالي الفتيات ضد مخاطر هذا الزواج المغلف بعناوين دينية وقيمية اجتماعية، وتوجيه رسالة لبعض الشباب الخليجي والعربي ممن يعتقدون أن الزواج من سوريات طريقة معقولة للمساعدة بأن السوريين يرفضون المساعدة بهذه الطريقة، لأن المخاطر التي قد تترتب على هذا النوع من الزواج تتطلب رفضه.

Ny hisarihana ny sain'ny ray aman-drenin'ireo tovovavy manoloana ny loza amin'ny karazana fanambadiana rakofana lohateny sy resa-pivavahana sosialy tahaka izany no tanjon'ny fanentanana nalefan'ilay mpikatroka Syriana  Mazna Duraid tamin'ilay lohateny hoe “Tsy Babo an'ady akory ny Mpitsoam-ponenana”, ary koa ny handefa hafatra ho an'ireo tanora ao amin'ny Golfa sy ny tontolo Arabo izay mihevitra fa ny fanambadiana vehivavy Syriana no fomba hanampiana azy ireo, tsy eken'ny Syriana ny fanampiana toy izany ka mitaky  fandàvana noho ny loza ateraky ny fanambadiana tahaka izany .

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.