15 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 15 Oktobra 2012

Blog Action Day Androany! Ndeha Hankalaza Ny “Herin'ny Isika”

  15 Oktobra 2012

Isan-taona, manambatra ny heriny ireo bilaogera manerana ny tany ary manoratra manodidina lohahevitra iray, aminà andro iray, mba handonana mpanjohy an-tapitrisany. Blog Action Day ny androany, ary zohianay ireo fampidiran-dahatsoratra avy amin'ireo bolaogeran'ny Global Voices any rehetra any.

Espaina: Mahazo Tombony Ny Banky, Maty Antoka Ny Vahoaka

  15 Oktobra 2012

Ny orinasa mpanao fandalinana Oliver Wyman, izay mandalina ny hamafin'ny fototra ho an'ireo banky lehibe espaniôla, dia namoaka ho fantatry ny rehetra ny famintinana avy aminy: mila 50.000 tapitrisa Euro ireo banky mba hialàn-dry zareo ao anatin'izao toerana ara-toekarena mananosarotra misy azy izao. Mandalina ny toe-draharaha i Lourdes Sada ary mitatitra ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra teny anaty aterineto.

Tontolo Arabo: Ny Anjara-ratsin'Ireo Vehivavy Mpitsoa-ponenana Syriana

Satria mbola mitohy ny Revolisiona Syriana, mitohy miantraika amin'ireo mpitsoa-ponenana ny herisetra tao amin'ny firenena hatrany ny voka-dratsin'izany [Revolisiona], ny vehivavy indrindra no tena mandoa avo roa heny ny voka-dratsin'ny ady noho izy ireo iharan'ny herisetra amin'izany ady mitam-piadiana izany. Amin'ny kolontsaina entina sy anjakazakan'ny lehilahy izay manararaotra tsy an-kiato ny...

Pakistana: Nanafika An'i Malala Yousufzai Ireo Mpivavaka mahery fihetsika

  15 Oktobra 2012

Naratra mafy ilay tovovavy 14 taona mpiaro ny zon'ny vehivavy handeha hianatra, Malala Yousufzai. Nifanehatra tamin'ny Talibana i Malala, ka nifatratra tany aminy ny bala tamin’ izy handeha hody avy nianatra. Nitsofoka tany anatin'ny tendany ny bala ka atahorana mafy ny ainy noho izany. Nanambara ny fampahalalam-baovao fa efa tafala soa aman-tsara tao anatin'ny...