Shina: Nitoraka tamin'ny kiraro ny mpianatra iray hiarovana ny fahafahana maneho hevitra

Tamin'ny 7 oktobra 2012 lasa teo dia notorahan'ny mpianatra iray avy ao amin'ny oniversite Hainan tamin'ny kiraro ny mpitantara maoista iray antsoina hoe Sima Nan, nanoherany ny tsy fahafahana maneho hevitra any Shina. Talohan'ny nitorahany tamin'ny kirarony dia hoy izy : “na dia ratsy aza ny kabary ataonareo eo, dia afaka mody any amin'ny hôtelinao foana ianao. Fa raha tsy mitovy hevitra amin'izay ambaranao eo aho, dia azoko antoka fa hidiana any amin'ny efitrano kely maizina aho.”

Nanao izany fihetsika izany ity mpianatra ity nandritra ny fotoana fanontaniana sy valiny. Indro ny sary mihetsika mampiseho ny zava-nitranga miaraka amin'ny fanehoan-kevitr'ilay mpianatra:

Voalohany, miarahaba sy misaotra an'Andriamatoa Nan ny tenako tonga soa eto amin'ny oniversiten'ny Hainan. Mpianatra ato aho. Te hilaza zavatra vitsivitsy aho. Voalohany, efa namaky ny momba an'i Socrates aho, izay nilaza fa tsy mahafantatra na inona na inona afa-tsy ny tsy fahafantarany na inona na inona. Faharoa, ilaiko ny fahafahana sy ny demokrasia hiarovana ny fahafahana. Fahatelo, tsy maintsy ambarako fa ny kabarinao manohitra ny demokrasia dia maneritery ny fahafahako. Tsy haintsika akory ny mampiasa ny fahafahantsika maneho hevitra. Ny zavatra efatra nambaranao teo dia tsy azoko toherina noho ny maha politika azy. Na dia tsy mahaliana aza ny nambaranao teo, afaka miverina mankany amin'ny hôtelinao ianao. Fa raha manohitra izay voalazanao teo kosa aho, dia azoko antoka fa hidiana ao na'anaty efitra maizina aho. Aoka mba tsy hotapahana azafady. Azonao atao tsara ny tsy manapaka izay lazaiko eto. Izao no fanontaniako, azoko atao ve ny mitoraka anao amin'ny kiraro? Satria voantohintohina ny fahafahako eto amin'ity firenena ity, dia te hiaro izany fahafahako izany aho”.

Mpianatra iray hafa mitantara ny zava-nisy [zh] ao amin'ny bilaoginy:

演讲是7点半开始的,前面一小段时间司马南力捧我校校长李建保,不得不承认他拍马屁功夫一流,校长的形象瞬间高大了。然后装作很大方,很包容地提到了有人想扔东西砸场这个事,说他现在给大家时间,允许扔东西。他什么都还没讲,大家自然不好意思扔了。
然后他许诺他只讲四点看法,留下大部分时间与大家交流,我那时还天真地以为他说的是真的。然后就是他的长篇大论,冗长,漏洞百出。他的四点大致是这样的,一、在党的领导下,如今社会确实存在不少问题。二、但是党的领导有伟大成就。三、如果没有党的领导,社会将陷入无序状态。四、人民民主也离不开党的领导。[…] 其间有一个小插曲就是,演讲进行到一半的时候门口出现骚乱,似乎是有人想进来砸场,结果被学校保卫人员制止。
最后的高潮来的很突然,司马南讲了一个半小时,总算罢手。提问环节开始,坐我前面的一个穿橙色足球服哥们儿站起来讲话,他先引用了古希腊哲人的一句话,具体什么我忘了,毕竟当时有些激动。其言论的大致内涵也无非是自由,平等之类的。他说,“今天在这里,我与你的言论权利是不平等的,我是极其不自由的,你讲的都是正确的政治理论,你讲完能住大宾馆,我要是反驳了却要进小黑屋”(我只记了个大概,见谅)。然后,司马南说这不是问题。接着他就说,“我的问题来了,我能丢鞋么?”接着他果断地丢了一只运动鞋上去,我下意识地拍手叫好了。。。

Nanomboka tamin'ny 7 ora sy sasany ny famelabelarana. Vao nanomboka dia nankasitraka ny filohan'ny oniversite Li Jianbao i Sima Nan, tena hainy tsara ny nandokadoka azy. Nahazo isa tsara tampoka teo ny filohan'ny oniversite. Avy eo dia ohatry ny olona misokatra tsara amin'ny ady hevitra ireny ny fiteniny ary nambarany fa afaka mitoraka zavatra azy ny olona tsy mitovy hevitra aminy ary asainy hitoraka azy mihitsy. Ary satria mbola tsy nanomboka ny kabariny izy dia tsy mbola nisy olona vonona ny hitoraka azy.

Avy eo dia nilokaloka izy fa hilaza zavatra efatra ary hisy ny fotoana lava hahafahana mifanakalo hevitra. Tena ninoako ny zavatra nolazainy. Lava be ny kabary nataony, nandreraka sady be diso be. Ireto ny zavatra efatra nolazainy : 1. Eo ambany fifehezan'ny antoko dia misy ny olana ara-tsosialy betsaka, 2. Nahavita zavatra betsaka ny mpitarika ny antoko, 3. Raha tsy nisy ny antoko dia efa nikorontana ny fiaraha-monina, 4. Tsy azo sarahana amin'ny antoko ny demokrasia an'ny vahoaka… Nisy olona saika hisitra tao amin'ily efitrano teo anelanelan'ny kabariny fa nosakanan'ny mpitandro ny filaminana. Tsy nampoizina ny zana-nitranga avy eo. Afa-po tamin'ny kabariny i Sima Nan afaka adin'ny iray sy sasany. Nanomboka amin'izay ny fametrahana fanontaniana sy fanomezana valiny. Nifanatrika tamiko ny lehilahy iray nanao akanjo ambony vonimboasary ary niteny izy. Nitonona anarana filôzôfa grika iray izy, hadinoko ny antsipiriany satria efa te handre mafy izay tohiny aho. Mikasika ny fahafahana sy ny fitoviana no vontoatin'ny zavatra nambarany. Hoy izy : ankehitriny dia tsy mitovy ny fahafahantsika maneho hevitra. Tsy manana fahafahana aho. “Ny zavatra rehetra nambaranao teo dia marina ara-politika. Rehefa vita ny kabarinao dia mody any amin'ny hôtelinao ianao. Fa raha tsy mitovy hevitra amin'izay nambaranao aho dia azoko antoka fa hidiana ao an'efitrano maizina”. (Izay ihany no zavatra tena tadidiko fa azafady). avy eo dia nilaza i Sima Nan fa tsy fanontaniana izany resaka izany. Dia namaly ilay mpianatra hoe, “izao ary no fanontaniako, afaka mitoraka amin'ny kiraroko ve aho?” Ary tonga dia natorany tery aloha ny kirarony. Nitehaka aho ary tsy niraharaha ny zavatra mety hahazo ahy…

 

Maoista i Sima Nan ary taona vitsy lasa izay dia noraisiny ho modely ho an'i Shina i Korea Avaratra eo amin'ny lafiny fifandraisana amin'ny any ivelany. Nanao kabary betsaka koa izy nankahalany ny antoko liberaly, ary nosoketainy mihitsy ireto farany ho mpamadika tanindrazana.

Marobe no nidera ny fahasahin'ilay mpianatra, kanefa natahotra ny mety hahazo azy koa ny sasany. Indreto ny santionany amin'ny ady hevitra notsongaiko tao amin'ny internety[zh]:

慕容雪村:司马南自称文人,同时极力为毛泽东鼓吹,他大概忘记了,文人在毛时代所受到的屈辱与折磨:要戴高帽子游街,要坐喷气式,要被铜扣皮带抽脸,要进牛棚、做苦工,要一遍遍检讨反省,要像张志新那样割喉,像王实味那样填井,像老舍和傅雷那样“自绝于人民”……在这个意义上,朝他扔鞋简直就是对他的奖赏。

慕容雪村: Milaza ny tenany ho manam-pahaizana sy mpitondra ny foto-kevitra maoista i Sima Nan. Adinony angamba ny fampijaliana sy ny famoretana ireo manam-pahaizana nandritra ny fitondran'i Mao – noterana nanao satroka be izy ireo ary nasaina nihazakazaka teny amin'ny arabe, nokapohina tamin'ny fehikibo, nanao asa an-terivozona tany amin'ny toeram-pambolena ary noterena hiaiky ny fahadisoany. Zhang Zhixin notapahana ny tendany, Wang Shiwei nalevina tao anaty lava-drano rehefa avy novonoina an-tsokosoko. Lao She sy Fu Lei namono tena… Toraka kiraro no valisoa azony.

古月照兰芳:司马南来演讲,你不喜欢,你就扔鞋;贺卫方来演讲,我不喜欢,我就扔鸡蛋;孔庆东来演讲,你不喜欢,你就扔土块;赵楚来演讲,我不喜欢,我就扔石头;张宏良来演讲,你不喜欢,你就扔催泪弹;老榕来演讲,我不喜欢,我就扔手榴弹;韩德强来演讲,你不喜欢,你就扔原子弹——这样扔来扔去,能扔出民主吗

古月照兰芳: Tsy tianao ny kabarin'i Sima Nan, mitoraka kiraro ianao; tsy tiako ny kabarin'i He Weifong, hitoraka amin'ny atody aho; Tsy tianao ny kabarin'i Kong Qingdong, hitoraka amin'ny fotaka ianao; tsy tiako ny kabarin'i Zhao Qulai, hitoraka vato aho; tsy tianao ny kabarin'i Zhang Hongliang, hitoraka gazy ianao; tsy tiako ny kabarin'i Lao Yung hitoraka baomba aho; tsy tianao ny kabarin'i Han Deqiang, hitoraka amin'ny baomba nokleary ianao — mampihatra demokrasia ve isika raha mifampitoraka?

吴钩1975:司马南大学演讲被学生扔鞋子,引发微博口水仗,有人怕手称快,有人指责学生侵犯人权。不管支持还是反对,我觉得在对“扔鞋”的“定性”上,还是先取得共治吧。我不赞成将扔鞋说成人身攻击,那只是在权力极不对称的情况下,弱势者表达抗议的方式而已,跟国外的民众向领导人扔鸡蛋一样。不要上纲上线吧。

吴钩1975: Marobe ireo miady hevitra an’ interinety momba ny nataon'ilay mpianatra. Ny sasany mitehaka, ny hafa manakiana ilay mpianatra ho manohintohina ny zon'ny hafa. Tokony hisy marimaritra iraisana amin'ny fahazoantsika ilay hoe “mitoraka amin'ny kiraro”. Tsy ekeko kosa raha hoe fihantsiana ny “fitorahana amin'ny kiraro”. Fihetsika hampisehoana tsy fankasitrahana fotsiny izany satria mitongilana ny fanjakana. Zavatra fahita matetika amin'ny firenena tandrefana izany hoe olona mitoraka atody ny solontenam-panjakana izany. Fa tsy faka tahaka akory izany.

十年砍柴:不应为年轻的大学生向司马南 扔鞋子叫好。在西方扔鸡蛋或鞋是表示愤怒的常见方式,即使受到惩罚也比较轻微。但在中国,有难以预测的风险,这次司马南可能没有处理扔鞋学生的权力,但如果一些热血学生受到鼓励,下次向有权者扔鞋,会付出沉重的代价。

十年砍柴: Tsy azo atao ny mampirisika ny mpianatra. Any amin'ny firenena tandrefana mantsy, zavatra fahita matetika ny mitoraka atody na kiraro hanehoana tsy fankasitrahana ary tsara ny vokatr'izay. Fa aty Shina, tena mampatahotra ny vokany. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tsy manana fahefana hanasazy ilay mpianatra i Sima Nan. Fa raha sanatria kosa ka misy mpianatra mafana fo hitoraka kiraro amin'ny manam-pahefana dia ho zava-doza ny vokany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.