Etazonia : Ny Làlana Lavitr'ezaka Mankany Amin'ny Fandriampahalemana Araka An'i Aung San Suu Kyi

[Ny rohy rehetra ato anatin'ity lahatsoratra ity dia mitondra mankany aminà pejy teny Anglisy avokoa, raha tsy misy fanamarihana mifanohitra.]

Aung San Suu Kyi [fr], endrika malazan'ny fanoherana Birmana sady nahazo ny loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, dia nahazo ny loka Vaclav Havel avy amin'ny Human Rights Foundation, ho fankasitrahana fisintahana iray miharo famoronana, ao anatin'ny sehatry ny Freedom Forum tao San Francisco, izay natao ny 28 septambra tany amin'ny Bently Reserve.

Fotoana fohy talohan'ny nandraisany  ny loka, nandrisika ny hifamatorana amin'ny « tena finamànana marina » i Aung San Suu Kyi, tahaka izay nifamatorany tamin'ny filoha ‘tchèque’ teo aloha izay anarana entin'ilay loka, mba hisarihana ny saina amin'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona. Ny fandraisany anjara tamin'ilay vovonambe dia tafiditra ao anatin'ny fandaharanasa fitsidihana mandritra ny 15 andro eo ho eo any Etazonia izay nitondra azy ho aminà tanàna ipetrahan'ireo mpila ravinahitra Birmana, toa an'i Fort Wayne any Indiana. Aung San Suu Kyi dia nanome ihany koa valan-dresaka tany amin'ireo anjerimanontolo samihafa sady nitsidika ny renivohitra, toerana izay nitafàny tamin'ny filoha Obama tao amin'ny Trano Fotsy sy nanolorana azy ny Medalim-boninahitry ny Kaongresy.

Tanatin'ny kabary nahaliana nataony, momba ny lohahevitra hoe « Ny Làlana Lavitr'ezaka Mankany Amin'ny Fandriampahalemana », nanao jeritodika momba ny fiainany amin'ny maha-mafàna fo azy i Aung San Suu Kyi. Nanazava izy hoe : « Ny niainako tamin'ny eritreritra milamina no làlana nankany amin'ny fahafahana ». Mikasika ny tranga misy any amin'ny fireneny, nirotsaka hanangana Birmania iray « izay miaina milamina miaraka amin'ny eritreriny» izy. « Misy ireo voagadra noho ny fanehoan-keviny ao Birmania, nefa ny fiarahamonina iray izay milamina ny sainy dia afaka mamotsotra azy ireny », hoy izy. Ity nahazo ny loka Nobel ity dia namintina tamin'ny fanondroana fa efa nivonona ny vahoaka Birmana  hiatrika ireo fanamby hitranga eo. Notsipihany fa « ady tsy misy farany ny tolona ho amin'ny fahafahana ».

Nisy olo-manan-kaja hafa ihany koa teo. Isan'ireny ry George Ayittey, profesora, teratany Ganeana, izay nanao fanakianana mahery vaika ho an'ireo afrikana mpanao didy jadona, tamin'ny nilazàny fa « ho an'ny mpanao jadona tsirairay izay aongantsika, dia misy iray indray mipoitra, sahala amin'ny manao lalaon'ny fangalam-piery». Nampiany fa « ny mpanao jadona tsara indrindra dia ny mpanao jadona maty ». Tao ihany koa i Manal Al-Sharif [fr], avy any Arabia saodita, izay nizara ny trangam-piainany. Nihantsy ny fitondram-panjaka saodiana izy tamin'ny nandraisany ny familiana fiara iray, nefa ny vehivavy tsy mahazo alàlana hamily fiara. Nofaranany tamin'ny lahatsary Bad Girls an'i M.I.A ny fandraisam-pitenenany, lahatsary notontosaina hanohanana ny tolony araka ny filazany.

Ny anjaran'ny amerikana-latina dia avy amin'i Ethan Nadelmann, talen'ny Drug Policy Alliance izay nitehaka ireo fandraisana anjaran'ny filoha meksikana, kôlômbiana ary goatemalteka, nandritra ny Fihaonambe farany nataon'ny Firenena Mikambana, izay niantsoan'ireo filoha telo ireo ny tokony hamerenana mijery ny politikan'ny ady atao amin'ny zava-mahadomelina tsy nahomby sy namoizana ain'olona an'aliny nandritra ny efapolo taona farany teo.

Ireo mpandray anjara tamin'ilay hetsika sy ireo mpikirakira aterineto dia nizara ny fihetseham-pony tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny tenifototra #SFFF, manondro ny fanafohezana ilay seha-piresahana :

@matissebh: Ilàna fifankatiavana ny làlana lavitr'ezaka mankany amin'ny fahafahana : Aung San Suu Kyi, matokia ahy…

Ny sasany manipika ireo voalazan'i George Ayittey :

@weddady: George Ayittey : “ny roapolo amin'ireo firenena avy any amin'ny faran'ny fandaharana, raha resaka fandrosoana arak'olona, no nosimbàn'ny fitondràna miaramila”.

Bint Battuta (@BintBattuta87) koa nampanàko ireo tenin'i Manal Al Sharif :

@BintBattuta87: i @manal_alsharif dia manonofy Arabia saodita ahitàna reny tsy mila intsony ny fahazoan-dàlana avy amin'ny zanany lahy mba hahafahana mitety tany. #SFFF Amen.

Indreto sary vitsy avy amin'ilay hetsika, nalain'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity :

Aung San Suu Kyi nitodika tamin'ireo mpandray anjara tamin'ny San Francisco Freedom Forum.

Manal Al-Sharif compartió su experiencia al manejar un automóvil en las calles saudíes, lugar donde se prohíbe que las mujeres conduzcan.

Manal Al-Sharif nitantara ny fiainany amin'ny maha-vehivavy azy teo ambadiky ny familiana teny an'araben'i Arabia Saodita, firenena izay tsy ananan'ny vehivavy zo hamily fiara.

"El único dictador bueno que existe es el que está muerto", dijo el académico ghanés George Ayittey

« Ny mpanao jadona tsara indrindra dia ny mpanao jadona maty ». Ireo no tenin'ilay Ganeana  George Ayittey.

Durante su participación en el San Francisco Freedom Forum, Daw Aung San Suu Kyi se vió fuertemente custodiada por el servicio secreto.

Nandritra ny San Francisco Freedom Forum, nahazo ny fiarovana akaiky avy amin'ny sampam-pitsikilovana i Aung San Suu Kyi.

El Bently Reserve, ubicado en el centro de San Francisco, fue el escenario donde se llevó a cabo el San Francisco Freedom Forum

Ny Bently Reserve, ao afovoan'i San Francisco, toerana nanaovana ny Freedom Forum.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.