10 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 10 Oktobra 2012

Tolo-Tanan'i Frantsa Sy Ny Banky Mondialy Hanampy Ny Firenena Afrikana Hahay Hifampiraharaha Amin'ny Harena An-kibon'ny Taniny

  10 Oktobra 2012

Ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-40 ny fifanaraham-piaraha-miasa ao anatin'ny Faribola Franc, dia namoaka taratasy iraisana ny filohan'i Côte d'Ivoire, Alassane Ouattara, sy ny minisitry ny vola Frantsay, Pierre Moscovici, hamaranana ny “fitrandrahana tafahoatra ny tahiry Afrikana” [fr]. Taorian'io kabary io dia namoaka fanambarana an-gazety ny Banky Mondialy fa nanangana tahirim-bola...

Etazonia : Ny Làlana Lavitr'ezaka Mankany Amin'ny Fandriampahalemana Araka An'i Aung San Suu Kyi

  10 Oktobra 2012

Aung San Suu Kyi [fr], endrika malazan'ny fanoherana Birmana sady nahazo ny loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, dia nahazo ny loka Vaclav Havel avy amin'ny Human Rights Foundation, ho fankasitrahana fisintahana iray miharo famoronana, ao anatin'ny sehatry ny Freedom Forum tao San Francisco. Ny fandraisany anjara tamin'ilay vovonambe dia tafiditra ao anatin'ny fandaharanasa fitsidihana mandritra ny 15 andro eo ho eo any Etazonia izay nitondra azy hatrany amin'ny Trano Fotsy sy nanolorana azy ny Medalim-boninahitry ny Kaongresy.

Ejipta: Mahatsiaro An'i Maspero; Miandry Fampiharana Ny Lalàna

Nahatsiaro ny tranga namonoana olona nahatsiravina tao Maspero ny Ejiptiana androany, nianiana ny hamaly faty ny ràn'ireo maritiora sy hanao izay hitohizan'ny revolisiona (fiovàna). Ny 9 Oktobra tamin'ny taona lasa, Kristiana Copts 28 no maty ary 200 hafa naratra tamin'ny fanafihan'ny tafika ireo mpanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny foiben-toeran'ny fampahalalam-baovaom-panjakana tao Maspero.