Kenya: Afaka Mividy Antsika Ny Vola Hoy Ny ‘Campus Divas for Rich Men’

Ny “Campus Divas For Rich Men” (Kalamanjan'i Campus ho an'ireo Lehilahy Manan-karena) dia pejy irao ao amin'ny Facebook natokana hanjonoana ireo tovovavy Kenyana mbola mpianatra ary latsaky ny 26 taona hiaraka amin'ireo lehilahy manan-karena, anatin'ny sokajin-taona rehetra. “Afaka mividy antsika ny vola” no teny faneva ampiasain'ilay pejy.

Taorian'ny naharaisany fandrakofana tao amin'ireo foibe fampielezam-peo ao Kenya, toy ny Kiss 100, Hot 96 sy Classic 105, hatramin'ny fandrakofana manokana nataon'ny Standard Newspaper, Daily Nation sy ny KTN ao Kenya ary ny foibem-pahitalavitra K24; namorona ireto tenifototra manaraka ireto ireo mpikirakira aterineto mba hiresahana ilay pejy Facebook sy hizaràn-dry zareo ny fomba fijeriny mikasika azy io: #campusdivasforirchmen, #HakunaKituUtafanya (tsy misy zavatra hatao), #CandidatesBetterThanRomney, #TeamMafisi [teamhyena], #wordszawazito [wordoftherich], #Kiss100 sy #KOT .

Picture of Facebook Page of Campus Divas for Rich men. Photo by asselo.wordpress.com

Sarin'nilay pejy Facebook-n'ny “Campus Divas for Rich men”. Sary avy amin'i asselo.wordpress.com

Ireo sasany mpikirakira aterineto dia naka ny bilaoginy sy ny YouTube mba hanamelohana no sady hanohanana ity hetsika feno fahasahiana ity ao anaty  fiarahamonina iray betsaka mpifikitra amin'ny nentin-drazana. Ny adihevitra mikasika ilay pejy dia nampipongatra ny olana tahaka ny fanarahamaso ny tambajotra sosialy, VIH/AIDS, finoana sy fomban-drazana Afrikana, ny vintana ho an'ireo tanora Keniana, ny fahantrana, ny fitiavam-bola tafahoatra ary ny tsindrin'ireo mitovy amin'ny tena eo amin'ny samy Keniana mpianatry ny anjerimanontolo.

Araka ny Kenyaforum:

Ilay pejy izay noforonina tamin'ny 3 Jolay 2012 dia efa nahangona sahady  “Tia” 50.684 miaraka aminà mpitsidika 65.830 miresaka momba azy io.

Kenyanlist, Keniana iray bilaogera, dia manipika fa :

Efa noeritreretina ihany fa hoe ireo sary nakarin'ny mpandrindra dia sary nalaina kianjoanjo tety anaty aterineto, saingy ny mpiantso ny Kiss 100 omaly dia nanamafy fa nahafantatra sasany tamin'ireo tovovavy namany tao ry zareo.

Nefa miteny i Solomonirush fa ilay pejy dia mahalaza ny zavatra rehetra afa-tsy ny tetika ampiasain'ireo mpikirakira aterineto fetsifetsy sasany hitadiavana tombontsoa avy amin'ireo tanora Keniana mpianatra. Mitatitra ilay bilaogera hoe:

Ny fanadihadiana nataoko no nahitàna fa ity pejy ity, ary angamba koa ireo hafa mitovy aminy, dia tantanan'olona fetsifetsy mikatsaka ny hanangom-bola. Mikarakara fampihaonana ry zareo, amin'ny alàlan'ny fampifandraisana ireo lehilahy manan-karena amin'ireo tovovavy ao amin'ny ‘campu’ (toeram-ponenan'ny mpianatra) ary dia maka tambiny amin'izy ireo amin'ny fanomezana adiresy. Hitako ihany koa ny pejy hafa izay ny fikarakarana fampihaonana sy ny filàna ara-nofo no tena resahana, ary noho ny habetsahan'ny ‘Tia’ avy amin'ireo mpitsidika, dia ampandoaviny vola ihany koa ny dokam-barotra ao amin'ilay pejy. Ireo mpitantana fetsifetsy ireo dia manosika ireo tanora mpianatra ho any anaty kizon'ny fanararaotana ara-nofo, ny areti-mifindra azo amin'ny firaisana, ary ny fakàna an-keriny.

Ny anjomara fanairana avy amin'ny media sosialy mikasika ilay pejy dia nitondra ireo izay manohitra izany hanangana vondrona iray ao amin'ny Facebook antsoina hoe Anti-Campus Divas for Rich Men

Keniana iray bilaogera, Kenya-post, mitatitra hoe :

Ilay vondrona faharoa, Anti-Campus Divas for Rich Men, dia miasa manohitra ny foto-kevitr'ilay iray voalohany. Raha manindrahindra ny resaka firaisana, fireisan, firaisana ara-nofo sy vola ilay voalohany, ity kosa manentana ny tanora hifehy tena sy ysy hiditra amin'izany. Any amin'ny hazakazaka ahazoan'ilay vondrona voalohany ‘Tia’ maherin'ny 20.000 ao amin'ny pejy Facebook-ny, ny  “Anti- Campus Divas for Rich Men” kosa mbola 5.000 monja.

Ireo pejy Facebook hafa manohitra ny “Campus Divas For Rich Men” dia ahitàna ny Decent Divas Against “Campus Divas for Rich Men” sy ny Dislike Campus Divas for Rich Men, Campus Divas For Broke Men With Rich Love.

Maro ireo Keniana ao amin'ny Twitter no manameloka ny fihatsaràna velatsihy amin'ny fanehoan-kevitr'izy ireo sady nilaza fa ny Keniana dia mila mifidy ireo mpitarika azy izay hampiakatra ny Vola Fampindrana ny Mpitantana ny Fampianarana Ambony [HELB] ho an'ireo tsy ampy fidiram-bola mba ho afaka mandramby mpianatra:

@clansewe: Ho an'ireo Keniana rehetra manohitra ny pejy ‘Campus Divas for Rich Men” , atsaharo ny fihatsaram-belatsihinareo. Isika Keniana rehetra dia nametraka ny vola ho ambonin'ny zavatra rehetra!

@kevoice: Hifidy izay mpitarika hampiakatra ny HELB [Higher Education Loans Board Allowance] isika amin'izay isika mba afaka handramby ao amin'ny Campus Divas 4 Rich Men. #TujipangeKisiasa [ndeha hamalintsika manokana ny ara-politikantsika]

@mwendembae: “@lionsroar101 Hay dia misy koa izany izao pejy FB antsoina hoe “anti-campus divas for rich men”. Ha, dia gaga aho.”tsy maintsy hoe nitranga izany #idlers (midonàka)

Ny lahatsary YouTube eto ambany dia sarimiaina noforonina ho toy ny fanehoan-kevitra amin'ny adihevitra misy amin'izao fotoana momba ilay pejy. moses otieno no namorona azy ity, izay manoro hevitra ny tovovay ao amin'ny “campus” fa ny fiainana dia mila iainana manaraka ny dingany isanisany ary hadalàna ny miezaka miaina ireny dingam-piainana ireny tonga dia indray mandeha:

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=HhNWI1uVh2s

Ireo fomba fijery ireo dia naparitak'ireo mpikirakira aterineto izay nibitsika ny tsy fankasitrahany an'ilay pejy :

@thatguydavy: Campus divas for rich men……ary dia manontany tena ianao hoe fa nahoana ny tafiotra no anaram-behivavy hatrany no omena azy!

@mpalele: Ny ampahany mampalahelo amin'ity “Campus Divas for Rich Men” ity dia ry zareo mihevitra hoe 50K , kafe java sy fitsangantsanganana naivasha in-2 no vala famaritana ny atao hoe lehilahy manan-karena.

@rmresh: Campus Divas For Rich Men….hetsiky fara-tampon'ny very fanantenana ….

@nochiel: @savvykenya AZafady mitandrema fa ilay pejy manome fo “Campus Divas For Rich Men” dia mampiasa ireo sarinao tany amin'ny mombamomba anao fahiny

KTN Kenya, foibem-pahitalavitra iray ao Kenya, dia nampiasa ny sehatra YouTube mba hilazana ilay  pejy Facebook ho toy ny tambajotranà fivarotan-tena ary ireo mpianatra tao amin'ilay ‘campus’ nitafatafàna dia miteny fa tsy zava-mahagaga izany:

Ny “Campus Divas For Rich Men” hatreto no hetsika goavana indrindra tamin'ny firesahana misokatra ho an'ny rehetra ireo olana mahakasika ny tanora Keniana sy ny ara-pananahana ao anatinà fiarahamonina iray fatra-pandàla ny nentin-drazana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.