Rosia: Resa-pinoana & Famonoana Ny Masoivoho Amerikana

Ho setrin'ireo fanafihana masoivoho Amerikana sy fari-ponenana diplaomatika manerana  ny tontolo Miozolmana (indrindra fa ny namonoana ny Ambasadaoro Christopher Stevens su ireo olona telo mpiara-miasa taminy tao Libya), dia nijery ny firongatry ny resaka ara-pinoana any amin'ny taniny ireo Rosiana bilaogera, ary nampiasa iny zava-nitranga iny ho toy ny fotoana iray fanararaotra hiresahana ny fiantraika midadasiky ny tsy fitoniana ara-politika.

Marobe ireo trano famoaham-baovao no manindry mafy ny fifandraisan'ireny herisetra manohitra Amerikana ireny sy ny fanohanan'ny Amerikana ny Lohataona Arabo. Ho fanombànana ny maha-ara-drariny ny rà vao latsaka teo, maro ireo bilaogera ao amin'ny RuNet no nanontany teny momba izay azo hanamarinana “valifaty” feno herisetra atao amin'ny fahalalahana ara-pinoana an'ny Tandrefana.

Evgeny Schultz, bilaogera, no niezaka nametraka ho anaty vanimù-potoana ny zava-nitranga tato ho ato tany Afovoany Atsinanana, ao anatin'ny firongatry ny resa-pinoana any Rosia, ao anatinà lahatsoratra iray nomena lohateny hoe [ru], “Ny Làlan'ny Finoana : Ao Libya sy Russia” :

Объяснение всегда просто: “Так требует вера, Бог”. […] Они экстраполируют всезнание, благость и всемогущество Бога на предстоятеля своей религии. И естественно, власть не собирается пропускать возможности мимо себя. Для власти религия – мощнейший электоральный рычаг. Но не понимает власть, что рычаг этот не им подчиняется. И рано или поздно ударит их по лбу. А вместе с ними и всю Россию. Никакие тактические выгоды не оправдают того стратегического тупик [sic], в который ведет клерикализация.

Tsotra hatrany ny fanazavana : “Ilàna finoana, Andriamanitra izany.” […] Hitarin-dry zareo ny maha-mahay ny zavatra rehetra an'Andriamanitra, ny hatsarany, ary ny maha-mahefa ny zavatra rehetra azy ho tonga hatrany amin'ireo mpitarika an-dry zareo ara-pivavahana. Ary, mandeha ho azy, tsy mihevitra ny hamela ity fotoana ity handalo azy ireo fotsiny mihitsy akory ireo manam-pahefana. Ho an'ireo manam-pahefana, ny finoana no fanoitra matanjaka indrindra ho an'ny fifidianana. Saingy tsy vitan'ireo manam-pahefana ny hahatakatra hoe tsy ho voafehin'izy ireo io fanoitra io. Na ho haingana na ho ela hiantefa eny an-tampon-kandrin-dry zareo io — ary miaraka amin-dry zareo koa ny Rosiana rehetra. Tsy misy paipaika ahitana tombony mihitsy afaka manamarina ny tetikady tsy mitondra mankaiza izoran'ny fampidirana ny resaka ara-pivavahana.

J. Christopher Stevens, ambasadaoron'i Etazonia tao  Libya nanomboka ny 7 Jona 2012 mandra-pamonon'ny sasany azy tamin'ny fanafihana ny kaonsily Amerikana tao Benghazi ny 12 Septambra 2012 (sary nalaina tamin'ny 23 Aprily 2012), sary avy amin'ny Departemantam-panjakana Amerikana, azon'ny rehetra ampiasaina.

Ny ahiahin'i Schultz, raha izay no azo ilazàna azy, dia tsy azo namaritana ny fihetsehampon'ireo rehetra mpikirakira aterineto. Ilay Orthodox hiringiriny, mpitondra fivavahana sady mpanoratra bilaogy, Sergey Zhuravlev, ohatra, dia nampakatra [ru] fanakianana mivaivay mamely ny Silamo ho setrin'ireo fanafihana tselatra natao ireo Maosivoho Amerikana.

Ao amin'ny Twitter, naneho ny tsy fahatokisany ny sasany mikasika ny tsy mampahomby ny herisetra ho valinkafatra aminà votoaty mety hanohintohina tsindraindray eny.

Ao Bakou, Azerbaijan, Rahman Haji nanoratra hoe :

Один идиотский фильм о Пророке перевернул пол мира.Посол в Ливии убит, флаги США срывают с посольств на всем Ближнем Востоке. Просто ужас…

Sarimihetsika mitapitapy iray mikasika ny Mpaminany dia efa nahatonga ny antsasak'izao tontolo izao ho ambony ambany. Nisi namono ny Ambasadaoro [Amerikana] tany Libya, dia nongotana ny sainam-pirenena Amerikana teny amin'ireo Masoivoho nanerana ny faritra Afovoany Atsinanana. Manahikoriko tsotra izao…

Avy any Chelyabinsk, Sergei Tretyakov nibitsika hoe:

Ирония дня: ливийские мусульмане увидели в интернете ролик про то, что мусульмане – не миролюбивые, обиделись и убили посла США в Ливии

Ny eson'ny androany: ireo Libiana Miozolmana dia nahita lahatsary tananty aterineto mikasika ny hoe olona tsy tia fandriampahalena any Miozolmana, ary dia tezitra ry zareo ka namono ny masoivoho Amerikana tany Lybia.

Somary manjavozavo ihany ny fanehoan-kevitry ny hafa. Tany Tula, ohatra, i Gregory Bukreev nampifandray [ru] ny hatezerana lazaina fa natosiky ny lahatsary iray manivaiva ny Miozolmana tamin'ny tranga Pussy Riot

В Ливии убит посол США за фильм,где плохо показан пророк Мухаммед,а остающиеся на свободе участницы Pussy Riot готовят новую акцию.Подумайте

Tany Libya, novonoina ny masoivohon'i Etazonia noho ny lahatsary iray nanambany ny Mpaminany Mohammed. Ireo sisa mpikambana ao amin'ny Pussy Riot sisa tsy voatàna am-ponja dia manomana hetsika vaovao iray. Saintsaino ny momba izay.

Ka inona marina izany no tokony “hosaintsainin”‘ny olona e ? Ireo bilaogera dia miray feo amin'ny fanoherana ny hetsika feno herisetra atao amin'ireo vahiny manan-kaja Amerikana, nefa olana iray mahavaka ny saina dia ny adin'i Rosia manokana amin'ny hamaroan'ny antokom-pinoana, ahitàna ao anatin'izany ireo olana toy ny firongatry ny ‘extremisme’ Miozolmana na Ortodoksa avy ao anatiny ihany. Ny fiakaran'ny dindon'ny fiangonana Ortodoxa, mazava loatra, dia nisy ary mitoetra ho olana iray goavana ho an'ireo tampom-pahalalàna manaraka tsara ny resabe momba ny  Pussy Riot.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.