Arabia Saodita: Mitohy ny Fitsarana Mangingina, Mitohy Koa Ny Fandavan'ny Mpanohitra

Androany vao maraina, notontosan'iny fitsarana ady heloka bevava Riyadh ny fangalana ambavany fahaefatra mikasika ny raharaha hanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombeloona sy  reformista Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid. Afaka natrehin'ny daholobe ny fotoam-pitsarana voalohany, saingy raha nanapa-kevitra ny mpitsara fa tsy azo atrehin'ny olona ny fotoam-pitsarana fahatelo, lasa nandao ny toerana izy ireo.

Nanaiky hanatrika ny fotoam-pitsarana androany ireo reformista roa mba hiezaka handresy lahatra ny mpitsara fa tokony azon'ny daholobe hatrehina ity raharam-pitsarana politika.

Hoy Dr Al-Qahtani nisioka:

@MFQahtani: #ACPRA_Roa ora no naharetan'ny fitsarana, adihevitra momba ny tokony hanaovana fitsarana atrehin'ny be sy ny maro, ny fandàvan'ny mpitsara, ny fandàvanay sy ny tsy fankasitrahanay ny fitsarana no nibahana tamin'ny fotoam-pitsarana.

@MFQahtani: #ACPRA_Nangataka taminay ny mpitsara mba hamaly ny fanontaniana apetrany, novalianay hoe rehefa atrehin'ny be sy ny maro ny fotoam-pitsarana vao hamaly izahay, nivoaka izahay avy eo #Saudi #ACPRA

Notanisain'izy ireo ihany koa ny raharaha momba ilay mpikatroka Mohammad al-Bajady nogadraina izay voasazy efa-taona an-tranomaizina nandritra ny fotoam-pitsarana mangingina natao azy tamin'ny volana Aprily lasa teo:

قلت للقاضي اليوم لا نستطيع أن نتنازل عن مبدأ العلانية لأننا نصحنا زميلنا #محمد_البجادي بعدم الإعتراف بالمحكمة الجزائية المتخصصة #محاكمة_حسم

@MFQahtani: Nilaza tamin'ilay mpitsara aho fa tsy maintsy takianay foana ny zonay hanaovana fitsarana azon'ny daholobe atrehina satria nanoro-hevitra ireo namanay [reformista] izahay, Mohammad al-Bajady, mba tsy hankasitraka ny maha ara-dalàna ny Fitsarana manokana [mangingina] ataon'ny fitsarana momba ny fandikan-dalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.