07 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 07 Oktobra 2012

Arabia Saodita: Mitohy ny Fitsarana Mangingina, Mitohy Koa Ny Fandavan'ny Mpanohitra

Androany vao maraina, notontosan'iny fitsarana ady heloka bevava Riyadh ny fangalana ambavany fahaefatra mikasika ny raharaha hanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombeloona sy  reformista Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid. Afaka natrehin'ny daholobe ny fotoam-pitsarana voalohany, saingy raha nanapa-kevitra ny mpitsara fa tsy azo atrehin'ny olona ny fotoam-pitsarana fahatelo, lasa nandao ny toerana izy ireo....

Venezoela: Vahoaka Be No Nanatrika Ny Faradobok'i Capriles Tao Caracas

  07 Oktobra 2012

Tamin'ny Alahady 30 Septambra lasa teo, tonga marobe tao amin'ny araben'i Caracas ny mpanohana an'i Henrique Capriles nandritra ny fampielezan-kevitra faradoboka. Mpifanandrina amin'ny filoha ankehitriny Hugo Chàvez i Henrique Capriles amin'ny fifidianana filoham-pirenena androany 7 Oktobra. Daniel Duquenal nanoratra tao amin'ny bilaoginy Venezuela News and Views: Araka ny efa nalefako tamin'ny sioka, izay nisy nizara...

Venezoela: Famoriam-bahoaka Miezinezina No Nanankatonan'i Chávez Ny Fampielezan-kevitra tao Caracas

  07 Oktobra 2012

Tao Caracas no nanatanterahan'ny  filoha Hugo Chávez ny  faradoboka amin'ny fampielezan-keviny tamin'ny 4 Oktobra. Na dia avy aza ny orana, mbola tonga marobe nameno ny arabe tao Caracas ihany ireo mpanaraka azy, sady manofahofa saina no miventsoventso hira  fanohanana ny filoha alohan'ny androm-pifidianana amin'ny 7 Oktobra. Hoy ny teny anglisy ao amin'ny El...

Vietnam : Bilaogera ‘Mpisintaka’ Telo Voaheloka Higadra

  07 Oktobra 2012

Bilaogera vietnamiena Dieu Cay, AnhBaSG ary Ta Phong Tan no nomelohin'ny fitsarana an-tanànan'i Ho Chi Minh fa nanitsakitsaka ny andiany faha-88 ao amin'ny  fehezan-dalàna famaizana vietnamiena, izay manasazy ny “fanaparitahana vaovao noforonina  hikendrena hiteraka korontana eo amin'ny vahoaka” sy ny “fanendrikendrehana ny fitantanam-bahoaka.” Ankoatra ny sazy an-tranomaizina, mbola hotazomina aminà trano ambenana ihany koa...

Mitokona ny Bazary ao Téhéran ho fanoherana ny fitontongan'ny vola Iraniana

Nitatitra ny Baztab, tranonkala ao Iran, fa nanomboka nitokona ny Bazary ao Téhéran tamin'ny Alarobia 3 Oktobra 2012 lasa teo, naneho ny fanoherany ny fitontongan'ny volam-pirenena ireo mpivarotra sy ny botika. Nahatratra ny taha farany ambany indrindra ny vola rial iraniana manoloana ny dolara Amerikana, izay sambany teo amin'ny tantarany, eo amin'ny 34.000 dolara...

Kiobà: Noafahana Ry Yoani Sánchez Rehefa Notazonina 30 Ora

GV Mpisolovava  07 Oktobra 2012

Noafahana ny zoma 5 oktobra tamin'ny sivy orana alina ora EST rehetra notazonin'ny polisy tao Havana, Kiobà vonijmaika, taorian'ny nitazonana azy tany amin'ny tanàna iray any atsinanana antsoina hoe Bayamo ny omalin'io ny bilaogera kiobàna fanta-daza Yoani Sánchez sy ny bilaogera isany Agustín Díaz sy Reinaldo Escobar (vadin'i Sánchez). Taoriana...