- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kiobà: Nosamborina Ny Bilaogera Yoani Sánchez

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Kiobà, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, GV Mpisolovava

Nosamborina omaly alina tany amin'ny farintany atsinanan'i Bayamo, izay nizorany hanatrehany sy hitaterany ny fitsarana an'i Angel Carromero, teratany Espaniola voampanga ho namono olona tsinahy [1] noho ny lozam-pifamoivoizana nahafaty ilay mpiaro ny demokrasia malaza Oswaldo Payá [2] sy ilay mpikatroka Harold Cepero, ilay Kiobàna bilaogera efa nahazo loka sady mpiaro ny zon'olombelona Yoani Sánchez. Nizotra nankany Kiobà i Carromero tamin'ny volana jolay hihaona amin'ny mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny nosy.

Yoani Sanchez. Photo by Orlando Luis Pardo Lazo. [3]

Yoani Sanchez. Sary avy amin'i Orlando Luis Pardo Lazo.

Mpanoratra ny bilaogy Generacion Y [4] sady tale-tonian'ny bilaogy iraisana Voces Cubanas [5] i Sánchez izay nosamborina niaraka tamin'ny vadiny, Reinaldo Escobar, izay mpanao gazety mahaleotena, mbamin'ilay bilaogera Agustin Diaz. Tsy misy fantatra loatra ny andinindininy momba ny fisamborana. Niantso ny hamotsorana tsy misy hatak'andro [6] ireo bilaogera telo ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety, fikambanana iraisampirenena mpiaro ny fahalalahan'ny gazety.

Tsy mazava loatra hatramin'izao ny loharano nahazoana ity vaovao ity, fa ny sehatra fampitam-baovao no manondro an'i Yohandry Fontana, bilaogera mpanohana ny fitondrana ho voalohany nitatitra ny tantara [7] [es]. Milaza i Fontana fa hanatrika ny fitsarana i Sánchez mba hananganana “faribolan'ny fampitam-baovao.”

Yoani Sánchez fue detenida ayer en la ciudad de Bayamo, lugar a donde viajó para intentar una provocación y show mediático que perjudicara el buen desarrollo del juicio que se seguirá mañana contra el ciudadano español Ángel Francisco Carromero Barrios

Notazonina tany Bayamo i Yoani Sánchez omaly, tany no nizorany hikendreny hanaovana faribolan'ny fampitam-baovao sy idirany an-tsehatra amin'ny fotoam-pitsarana an'ilay teratany Espaniola Ángel Francisco Carromero Barrios rahampitso.

Orlando Luis Pardo Lazo [8] [es], izay bilaogera malaza ihany koa sady namana akaikin'i Sánchez, no nisioka vantany vao niahiahy izy fa nisy nandraoka ny findain'i Sánchez.

‏@OLPL: Movil 52708611 de @YoaniSanchez fue cortado, por eso ella no pudo denunciar arresto.

@OLPL: Maty ny findain'i @YoaniSanchez, izany no tsy nahafahany nitatitra ny fisamborana azy.

Nitatitra ny sehatra fampitam-baovao vahiny fa nahazo hafatra mandeha ho azy milaza fa tapaka fifandraisana ny findain'i Sánchez, izay ifandraisany hatrany amin'ny mpanohana sy ny mpanao gazety any ivelan'i Kiobà. Efa notazonin'ny polisy i Sánchez taloha fa tsy mbola nihoatra ny ora vitsivitsy na oviana na oviana. Nisy zava-nitranga tamin'ny 2010, voatazona i Sánchez saingy afa-nifandray tamin'ny namana sy ny fianakaviana tamin'ny alalan'ny SMS.

Milaza momba ny fisamborana ny mpanohana avy amin'ny lafy valon'ny tany ao amin'ny Twitter amin'ny fampiasana tenifototra #YoaniLibre [9].

Ernesto Hernández Busto, bilaogeran'ny Penúltimos Días [10] [es], no nisioka [11]:

No hay nadie con un poco de vergüenza en el @PPopular que condene detención de Yoani Sánchez por hacer su trabajo de periodista indep? #Cuba

Tsy misy mba menatra ve ny ao amin'ny @PPopular (Antokom-bahoaka) hanameloka ny fitazonana an'i Yoani Sánchez noho ny maha-mpanao gazety mahaleo tena azy? #Cuba

Ao amin'ny Facebook i Jose Conde [12] no manoratra,

Cuban authorities arrest Yoani Sanchez for speaking her mind. I guess not much as changed en la isle…sad and disturbing.

Misambotra an'i Yoani Sanchez noho ny itenenany izay ao an-tsainy ny manampahefana Kiobàna. Tsy nahita zavatra niova loatra aho teto amin'ny nosy… mampalahelo sy manohina.

Hisy ny vaovao hafa momba ny fisamborana an'i Sánchez eto amin'ny pejin'i Kiobà [13] [mg] ato amin'ny Global Voices vantany vao fantatra izany.