Torkia: Manamarika Ny Isian'ny Fifampiraharahana Eo Amin'ny Mpioko Kiorda Ny Praiminisitra

Nanamarika ny praiminisitra tiorka, Recep Tayyip Erdoğan, fa hifampiraharaha amin'ny mpioko kiorda taorian'ny volana maro nisiana herisetra mahafaty avy amin'ny mpioko kiorda ho setrin'ny politika tiorka.

Ny fanahiana hiitaran'io herisetra io no nitarika an'i Erdoğan hihevitra ity fifampiresahana ity. Tsy narisika ny hifampiresaka tamin'ny mpioko i Torkia teo aloha, na dia teo aza ny antso avy amin'ny antoko kiorda mpandala ny fandriampahalemana sy ny demokrasia.

Efa niteny tao amin'ny Euronews manasongadina ny fiovam-piainan'ny vahoaka Kiorda hatramin'ny 2009 i Hugh Pope, talen'ny tetikasa International Crisis Group ao Torkia sy Shipra:

Kurds protest in Istanbul against clashes in Diyarbakir. Image by  Fulya Atalay, copyright Demotix (15/07/12).

Fihetsiketsehana Kiorda tao Istanbul manohitra ny fifandirana any Diyarbakir. Sarin'i Fulya Atalay, copyright Demotix (15/07/12).

Last year there was very severe degrading of the situation to a point where more than 700 people were killed in the fighting, including more than 200 soldiers, more than 400 PKK members and nearly 80 civilians. These are the worst casualty figures since the capture of PKK Leader Abdullah Ocalan and I think it is a watershed moment for Turkey, I think, because many things are changing in the region and Turkey needs a new policy direction. I think currently the way that fighting escalation needs a reconsideration a real of policy.

Ratsy tanteraka ny toe-draharaha tamin'ny herintaona fa nihoatra ny 700 ny isan'ny maty nandritra ny ady, ka nahitana miaramila mihoatra ny 200, mpikambana ao amin'ny PKK 400 ary sivily 80 tamin'izany. Izany no tarehimarika ratsy indrindra hatramin'ny nisamborana ny mpitarika ny PKK Abdullah Ocalan ary mieritreritra aho fa kihon-dalana ho an'i Torkia izany satria maro ny zavatra niova tany amin'ny faritra ary mila tondrozotram-politika vaovao i Torkia. Mieritreritra aho fa ny fiitatry ny ady no mametraka ny tokony hiheveran'i Torkia tsara indray ny politikany.

Nanaitra ihany ho an'ny mpandalina fiaraha-monina maro, izay nieritreritra fa nanantena ireo Kiorda hatramin'ny ela ho tafaharo anaty fiaraha-monina ihany ka ho lasa Tiorka ny fitondrana tiorka nifandimby teo.

Notsongaina ho nolazain'i Ismail Beşikçi tao amin'ny tafatafa nifanaovana tamin'i Rudaw izao manaraka izao:

The Turkish state does not have any particular view on solving the issue of the Kurds. Therefore, it delays dealing with the problem, hoping that it will be solved over time. That is because the Turkish state believes that as time passes, the Kurds will assimilate. A large number of Kurds live in the west of Turkey. The state believes that after two to three generations, they will assimilate and become Turks. I believe this is the plan of the state.

Tsy manana fijery manokana eo amin'ny famahana ny olana eo amin'ny Kiorda ny fanjakana Tiorka. Izay no antony hanemorany hatrany ny olana fa antenaina ho voavaha ihany izy rehefa ela ny ela. Izany no nisy satria nanantena ny fanjakana Tiorka fa indray andro any ho tafaharo anaty fiaraha-monina ny Kiorda. Maro ny Kiorda no monina any amin'ny faritra andrefan'i Torkia. Nino ny fanjakana fa ho tafaharo ka ho lasa Tiorka any aorian'ny taranaka faharoa (zafikely) na fahatelo (zafiafy) any. Mino aho fa izay no tetiky ny fanjakana

Recently, a nisy tatitra nilaza vao haingana fa mitady fifampiraharahana ny mpiady anaty akata avy ao amin'ny PKK (Antokon'ny Mpiasan'i Kiordistana).

The Turkish government is responsible for restricting the negotiation process in the Oslo talks, a senior member of the Kurdistan Workers’ Party (PKK), Zübeyir Aydar, who was in attendance for the negotiations between Turkey’s National Intelligence Organization (MİT) and PKK, has said, adding that the PKK would like to see negotiations to begin again.

Ny governemanta tiorka no tompon'antoka tamin'ny famerana ny fomba fifampiraharahana nandritra ny fifampidinihana tany Oslo, hoy ny menavazana ao amin'ny PKK iray, Zübeyir Aydar, izay nanatrika ny fifampiraharahana nisy teo amin'ny Sampam-pitsikilovana Tiorka (MIT) sy ny PKK, sady nolazainy fa mbola vonona ny hifampidinika indray ny PKK.

Isan-karazany ny valinteny hita ao amin'ny Twitter; manontany ny fanambarana nataon'i Erdogan taloha momba ny fahombiazan'ny hetsika miaramila hanoherana ny mpioko Kiorda ny sasany.

Nahazo fizaran-kevitra isan-karazany ny Twitter momba ireo mpioko Kiorda ary maro ny Kiorda nisioka amin'ny mety hisian'ny fifampiraharahana. Misy ny tsy resy lahatra, ny hafa indray mampivoitra fa natao hampitonitony ny firehetan'ny herisetra mitranga amin'izao fotoana izay mametraka an'i Torkia ho amin'ny toerana ratsy ny fifampiresahana.

Miteny ohatra i Necirvan, Kiorda monina any Torkia fa fandanian'andro ny fifampiraharahana amin'ny vahoaka Kiorda ka hiteraka fahadisoam-panantenana. Naverin'i Yezdan izany fomba fijery izany izay nilazany fa tsy tokony hanantena be fahatany amin'io fiezahana hifampiraharaha io ny Kiorda.

Idrees Mohammd mandrangaranga fa miha-mavesatra ny tsindry anatiny mahatonga an'i Erdogan hiresaka fifampiresahana bebe kokoa. Saingy nolazain'i Baxtiyar, izay mpianatra politika sy fifandraisana iraisampirenena, fa ny mahatonga ny fironana mankany amin'ny fifampiraharahana dia noho ny “fahalemen'ny tafika tiorka amin'ny fifanandrinany amin'ny mpiady anaty akatan'ny PKK”.

Tsy misy isalasalana fa vonona ny hifampiraharaha ny mpioko kiorda, satria maro ny olony no maty vokatry ny fandarohana baomba ny tendrombohitra misy ny ankamaroan'izy ireo. Misioka i Hevallo, mpanohana ny Kiorda fa miantso ny “hanaovana indray ny fifampiresahana tany Oslo” ny mpioko Kiorda.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.