02 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 02 Oktobra 2012

Kenià: Tompondaka Safari Rugby 7s Mampientanentana Ny Mpanohana

  02 Oktobra 2012

Lalao ara-panatanjahantena lehibe iray no natao tany Afrika Atsinanana ny 21 ka hatramin'ny 23 Septambra,2012, teo tany Nairobi, renivohitr'i Kenià - Ny Safari Sevens , lalao fifanintsanana rugby ataon'ny firenena fito manana moron-drano izay niandoha tamin'ny 1995 nefa tafiditra amin'ny fandaharam-potoana amin'ny fihaonana ara-panatanjahan-tena Keniana.

Torkia: Manamarika Ny Isian'ny Fifampiraharahana Eo Amin'ny Mpioko Kiorda Ny Praiminisitra

Nanamarika ny praiminisitra tiorka, Recep Tayyip Erdoğan, fa hifampiraharaha amin'ny mpioko kiorda taorian'ny volana maro nisiana herisetra mahafaty avy amin'ny mpioko kiorda ho setrin'ny politika tiorka. Tsy narisika ny hifampiresaka tamin'ny mpioko i Torkia teo aloha, na dia teo aza ny antso avy amin'ny antoko kiorda mpandala ny fandriampahalemana sy ny demokrasia.