- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jery Todika Momba Ireo Nahazo ny Famatsiana Nandritra Ny Fihaonambe

Sokajy: Rising Voices

Nahaliana olona maro avy amin'ireo firenena avy ao Afrika Atsinanana, i Oganda sy Kenya ilay fifaninanana famatsiam-bola madiniky ny Rising Voices 2012 [1]. Efa nanana traikefa tamin'ireo fanohanana tetikasa eran-tany ny Rising Voices teo aloha, ny tarika mpanao tantara an-tsehatra mpanintona olona, Repacted [2] avy any Nakuru, Kenya dia iray amin'ireo voalohany notohanana tamin'ny 2007. Nanofana ny mpikambana anatin'ny fikambanan'izy ireo mikasika ny fampiasàna ny mediam-bahoaka hanehoana ny sangan'asan'izy ireo, izay mampiasa ny haikanto ho an'ireo ezaka fisorohana sy fanairana mikasika ny olana ara-pahasalamana tahaka ny VIH/SIDA sy ny raboka mihatra amin'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana. Afaka namerina ny fifandraisanay tamin'ny tetikasanay teo aloha izahay, rehefa nanao fisehoana ireo mpikambana ao anatin'ny Repacted nandritra ny Fivoriamben'ny Global Voices [3] notontosaina tany Nairobi tamin'ny Jolay 2012.

[4]

Tariky ny Mpandihy ao amin'ny Repacted. Sary an'i Rezwan ary nampiasaina teo ambany ny CC BY-ND 2.0

Koa satria voalohany indrindra izao no nanatanterahana ny Fivoriambe tany amin'ny kaontinanta Afrikana, nanantena hahita fomba tsara kokoa ampandraisana anjara an'ireo mpandray anjara an-jatony izay tsy afaka novatsianay, nefa manana herijika tokoa amin'ny fanatanterahana ny tetikasany eo amin'ny mediam-bahoaka.

Voalohany indrindra amin'ny tantaran'ny Fivoriamben'ny GV, afaka nanolotra famatsiana amin'ny fampitsangatsanganana ireo mpandray anjara tanatin'ny fifaninanana famatsiam-bola madinika teo aloha zahay, anatin'izany ny fampisoratana maimaimpoana azy ireo. Nisokatra ho an'ireo mpandray anjara Kenyana sy Ogandey rehetra tao anatin'ny roa taona farany ity hetsika ity, ho an'ireo izay namoaka lahatsoratra fohy manazava ny antony hirarian'izy ireo hanatrika ny Fivoriambe sy ny fomba hahazoan'izy ireo tombontsoa avy amin'io hetsika io. Nitobaka indray ireo valinteny, nefa afaka nanome vatsy saran-dàlana dimy ho an'ireo olon-tsotra izay afaka nametraka ampahany amin'ny volavolanà tetikasa tena izy sahaniny izahay. Ireo nahazo izany famatsiana amin'ny saran-dàlana niatrehana ny Fivoriambe izany dia :

 

Nanatrika ireo andro rehetra nandritra ny Fivoriambe ireo nahazo ny famatsiana ireo, ary nanam-bitana hifanerasera amin'ireo mpikambana ao anatin'ny fianakaviamben'ny GV, sy ireo mpitoraka bilaogy hafa ihany koa manerana izao tontolo izao. Afaka nihaona tamin'ireo nahazo famatsiana hafa ihany koa izy ireo sy hahafantatra mikasika ny tetikasany. Nizara ny hevitr'izy ireo mikasika ny traikefany amin'ny mailaka na amin'ny alalan'ireo lahatsoratra ao anatin'ny bilaoginy manokana tamin'ny Rising Voices ireo nahazo ny famatsiana:

[11]

Wakibu Bunnya tany amin'ny Fihaonamben'ny GV. Sary an'i Bunnya.

Ohatra, i Wakibu [11] avy any Kampala dia afaka nifandray tamin'ireo nahazo famatsiana hafa avy any Ogandà himinavina hetsika any aoriana. Nanoratra izy tanatinà mailaka ho an'ny RV:

Niresaka tamin'ny delegasiona Ogandey iray manontolo aho tamin'ny fihaonambe ary liana amin'ny fananganana hetsi-pirenena ho an'ireo mpitoraka bilaogy sy ireo mafana fo amin'ny mediam-bahoaka. Tianay atomboka amin'ny fanaovana fikarohana mikasika ireo hetsikanà mpitoraka bilaogy efa misy ao amin'ny firenena izany. Tsy hitsahatra hanome vaovao anareo izahay.

Hanohy hanara-maso ireo hetsika mikasika ny mediam-bahoaka any Kenya sy Ogandà izahay, ary manantena izahay fa ho lasa aingam-panahy hanampiana ny vondrom-piarahamonin'izy ireo any an-toerana hampiasa ny mediam-bahoaka ny traikefan'izy ireo tany amin'ny Fihaonamben'ny GV mba handraisan'izy ireo anjara anatin'ny resadresaka eran-tany.