Kazakhstan: Tsy Ankasitrahana Ny ‘Fitsabahan’ny’ Tandrefana Any Amin'ny Raharaham-pitsarana

Tamin’ny volana Desambra 2011 lasa teo, nanafintohina an’ilay firenena zatra filaminana teo aloha izay tsy iza fa i  Kazakhtan, ny fiafaran’ny grevin’ny mpiasan’ny solitany izay naharitra 7 volana, nisiana fahafatesan'olona tao Zhanaozen akaiky ny Ranomasina Kaspianina. Niteraka tsikera marobe avy amin’ireo mpanaramaso iraisam-pirenena ny valy bontana nataon’ny governemanta tamin'ny fihetsiketsehana sy ny fitsarana nanaraka izany izay nahatafiditra mpanao fihetsiketsehana sy polisy, ary tsarany fa manao izay hamotehana ny endrika fanoherana rehetra ny governemanta ary manadio tena.

Eo an-dàlana ankehitriny ny raharaham-pitsarana farany mahatafiditra an'i Vladimir Kozlov, lehiben’ny antoko mpanohitra Alga tsy voasoratra ara-dalàna, voampanga ho nitarika ny fanoherana niaraka tamin’ireo mpitarika grevy roa hafa.

(Efa nitatitra mikasika ny raharaham-pitsarana izay nofaritan’ireo mpiserasera Kazakhstanita ho toy “ny Pussy Riot azy ireo manokana” ny Global Voices Online.)

Anisan’ny fiampangana lehibe hanenjehana an’i Kozlov ny fifandraisany amin’i Mukhtar Ablyazov. Mpifanandrina taloha tamin’ny filoha Nursultan Nazarbayev i Mukhtar Ablyazov. Miafina any Eoropa izy ankehitriny ary karohin’ny manampahefana Kazakh sy Britanika. Na dia eo aza ny tantara mifamahofaho, nanambara ny manampahefana Kazakhstanita fa vola 500 tapitrasa US dolara no nangalarin’i Ablyazov tamin’izy nitantana ny ny banky goavana indrindra tao amin’ny firenena, fiampangana nahatonga azy ho ratsy laza ao Kazakhstan.

Mpanohana ilay mpanao politika mpanohitra Vladimir Kozlov miandry ny didy ao amin’ny efi-pitsarana ao Aktau, andrefan’i Kazakhstan. (Pikantsary tamin’ny lahatsary narakitr’ilay mpisera Youtube, ladakz tamin’ny 16 Aogositra2012).  

Fijerin’ny ao an-toerana sy ny any ivelany

Raha nanameloka ny raharaham-pitsarana ny lehiben’ny mpanohitra Kozlov ho tsy rariny ny fikambanana ONG  tandrefana sy ny mpanao gazety, nangoraka ity lehilahy ity ny bilaogera Kazakhstana. Ankoatra ireo mpanohana mivantana an’i Kozlov sy ny antokony, dia saiky manohana ny governemanta amin’ny tsy maintsy hitsarana sy hanamelohina azy [Kozlov] kosa ny ankamaroan'ny feo.

Fa ny tena zava-dehibe kokoa, marobe ny mpiserasera nanameloka ny governemanta tandrefana sy ny fikambanana ho mitsabaka amin’ny raharaha anatin’ny firenena amin’ny fitsikerana ny raharaham-pitsarana.More importantly, many netizens condemn what they see as attempts by Western governments and organizations to interfere in Kazakhstan's internal affairs by criticizing the trial.

Ohatra, bilaogera malaza Kazakhstanita Yaroslav Krasiyenko (aka MontKristov) namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Dr. Freedom House, who are you to [word omitted] lecture me (Dr. Freedom House, iza ianao no [teny nesorina] manome lesona ahy?‘ [ru], fa ny iray amin’ireo mpitsikera mafy indrindra ny fitsarana, manala baraka ny tenany ny fikambanana ONG Freedom House noho ny fiankianandohany amin’ny fanampiana ara-bola avy amin’ny governemanta Amerikana:

“Freedom House — неправительственная организация со штаб-квартирой в Вашингтоне (США). Её бюджет на 66-80 % посредством грантов финансируется правительством США.” По художественной силе этот абзац близок к фразе “Матильда – непродажная девушка, живущая за счёт богатых мужиков”.

“Fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ny Freedom House, manana ny foibeny ao Washington, DC (USA). Fanampiana avy amin’ny governemanta Amerikana ny 66 hatramin’ny 88 isan-jaton’ny tetibolany.” Nanoratra tamin’ny fomba artistika, mifanakaiky dia mifanakaiky amin’ny fehezanteny hoe “Matilda, tovovavy tsy azo anaovana kolikoly iantohan'ny lehilahy manankarena ny fiainany».

Rehefa avy nitanisa ireo voalaza fa andianà fanitsakitsahana ny zon’olombelona nataon’ny governemanta Amerikana ity bilaogera ity, nofeheziny fa mifanohitra tanteraka amin’ny hevitra ijoroany momba ny zon’olombelona ny fihetsik'i  Washington. Arak’izany, nanambara ilay bilaogera fa tsy manan-jo hitsara ny fomba fitantanan’i Kazakhstan ny raharaha anatin’ny fireneny i Etazonia.

Bilaogera Anara (Bazanara), izay nanatrika ny fotoam-pitsarana, nanoratra [ru] tsikera momba ireo mpanaramaso avy any ivelany:

О тех иностранных, промолчу. Кто пожелает, могу предоставить фото спящего иностранного журналиста и российского блоггера Щелокова, говорящего по мобильному телефону в зале суда. А знаете для чего они это делают? Скандал им нужен, любой.

Mbola hangina aho manoloana ireo vahiny ireo. Raha misy olona liana, afaka manome sarinà mpanao gazety vahiny sondrian’ny torimaso sy sarin’ilay bilaogera Rosiana Schelokov miresaka amin’ny finday ao anatin’ny efi-pitsarana aho. Fantatrao ve ny antony [nanatrehan’izy ireo ny fotoam-pitsarana]? Mitady izay rehetra manafintohina ry zareo.

Kazakhstanita maro no mangidy rora tamin’ireo tandrefana izay mailaka ery manasongadina ny olana ao amin’ny firenena Azia Afovoany manankarena solitany, kanefa mody fanina hijery ny olana mitovy izany ao amin’ny firenena niaviany.

Ho valin’ilay lahatsoratra tao amin’ny Google Plus mitondra ny lohateny ‘Is Kazakhstan the new Uzbekistan (Uzbekistan vaovao ve i Kazakhstan)?‘, fehezanteny tao amin’ny baiboly no namalian’ilay mpisera Twitter Kairat izany:

Mahita sombinkazo amin’ny mason’olon-kafa, saingy tsy mahita ny vata-kazo.

Afa-po tamin’ny zava-bitany amin’ny maha-firenena tanora azy ny Kazakhstanita, ary mahatsiaro fa mahavita mamaha ny olàna ao anatiny tsy mila fitsabahan'ny any ivelany izy ireo. Toa hita fa te hiverina amin’ny filaminana teo aloha nitondràna ny firenena talohan’ny rotaka Zhanaozen ny olom-pirenena ao Kazakhstan raha mahita ireo mpanao politika mpanohitra mitolona ho amin’ny zon’olombelona sy ny fitarihana lavitry ny kolikoly izay mampidi-doza sy manozongozona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.