Zambia: Nodimandry Ny Vadin'ny Filoham-pirenena Teo Aloha

Alahelo lehibe no tazana manerana ny tambajotra sosialy tamin’ny Alarobia 19 Septambra 2012, taorian’ny vaovao momba ny fahafatesan’ ilay ramatoa vadin’ny filoham-pirenena Zambiana teo aloha, Betty Kaunda. Vadin’ny filoha voalohany tao Zambia, Dr Kenneth Kaunda izy, izay nitondra ny firenena nanomboka ny taona 1964 hatramin’ny taona 1991, tafala teo amin’ny fitondrana izy raha resin’ny antoko “Movement for Multiparty Democracy” “Hetsika ho an’ny Demokrasian'Antoko Maro” ny antokon’ny fitondrany “United National Independent Party” (Antoko Mahaleotena Nasionaly Miray) (UNIP).

Manohina ny fo tanteraka ny fahalasanan’i Mama Kaunda satria telo herinandro latsaka taorian’ny nahafatesany, nankalaza ny faha-66 taona nitsingerenan’ny fanambadiany izy sy ny vadiny, Dr Kaunda. Lasa mitondra sezakodiarana (fauteuil-roulante) izy hatramin’izay nahatapaka lalan-drà azy tamin’ny taona 1991 izay.

Mpiserasera iray, Aquino Mutale, nanoratra tao amin’ny vondrona Facebook, Zambian People’s Parliament (ZAPP) na Antenimieram-bahoaka Zambiana, nandefa fampandrenesena fohy momba ny fahafatesan’ny vadin’ny filoha teo aloha, izay fantatra am-pitiavana amin’ny anarana hoe Mama Betty Kaunda nandritra ny fijanonany tao amin’ny lapam-panjakana (State House) sy taoriana:

Zambia's former First Lady, the late Betty Kaunda, dies at 84. Picture courtesy of Zambia watchdog, used with permission.

Vadin’ny filoham-pirenena Zambiana teo aloha, namoy ny ainy teo amin’ny faha-84 taonany i Betty Kaunda. Sary: Zambia watchdog, nahazoan-dalana. 

Andriamatoa Filoha, teraka tamin’ny 17 Novambra 1928 tao Mpika ramatoa naterak'i Kaweche Banda sy Milika Sakala Banda.

Andriamatoa, tao amin’ny sekolin-jazavavy Mbereshi i Betty Banda no nianatra ary nanaraka fiofanana tao amin’ny Fikambanana ekiomenikan'ny fandaharan’asan'ny vehivavy Mindolo ary nampianatra tao Mufulira ihany koa izy.

Andriamatoa filoha! Kenneth Kaunda, filoha voalohany tao Zambia, nanambady an'i Betty Banda tamin’ny taona 1946. Mama Betty, vadin’ny filoham-pirenena nanomboka ny volana Oktobra 1964 hatramin’ny taona 1991. Tiany kokoa ny manampy olona ao anaty fahanginana, matetika tsy mandeha amin’ny fampahalalam-baovao, mba ahafahany manampy betsaka ny fianakaviany sy ny fireneny ary nitantana fikambanana sy tetikasa maro ihany koa izy

Andriamatoa – sokajiana ho renin’ny firenena i mama Betty Kaunda was. Mandria am-piadanana

Nanoratra hafatra hafa tao amin’ny ZAPP i Waziona Nkhwekwe Chirwa tamin'ny filazana hoe:

Andriamatoa filoha, amin’alahelo lehibe no nandraisako ny vaovao fa nodimandry i Mama Betty Kaunda ary hitoetra any an-danitra. Nanampy tamin’ny fahazoana ny fahaleovantenantsika i Mama Betty Kaunda, tamin’ny fanohanany ny vadiny Dr Kaunda sy ireo namany nandritra ny tolona. Tsy ho feno ny tantaran’i Zambia raha tsy eo ny anarany. Mandria am-piadanana.

Naneho hevitra momba ny fahafatesan’ny vadin’ny filoha teo aloha i Lion nanoratra hoe:

Tokony hanetry tena tahaka ity vehivavy ity izay ho vadinà filoham-pirenena rehetra manaraka. Tsy mba niezaka hisehoseho izy fa niasa toy ny mpiasam-panjakan’ny governemanta. Fantany ny toerany eo amin’ny fiarahamonina ary nitondra tena tamim-pamendrehana hatrany izy. mandria am-piadanana

Avy amin’ny zava-misy ity fanehoan-kevitry Lion ity, nilaza izy fa nandray anjara mavitrika tamin’ny fampandrasoana ny fiarahamonina ireo vadinà filoham-pirenena Zambiana taty aoriana. Vera Chiluba Tembo, vadin’ny filoham-pirenena farany teo, Frederick Chiluba, nitantana fikambanana ONG nomeny anarana hoe Fikambanana HOPE. Maureen, vadin’ny filoham-pirenena fahatelo, Levy Mwanawasa, kosa nitantana ny Fikambanana Maureen Mwanawasa Initiative.

Navitrika ihany koa i Thandiwe, vadin’ny filoham-pirenena teo aloha Rupiah Banda amin’ny fanohanana ny asa politikan’ny vadiny. Christine, dokotera mpitsabo, vadin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Michael Sata – kosa nazoto teo amin’ny sehatry ny fahasalamana toy ny ady amin’ny homamiadana.

Tao amin’ny Twitter, nanomboka nanome voninahitra an’i Mama Kaunda tamin’ny alalan’ny tenifototra #RIPBettyKaunda ny mpiserasera:

@malama_mukonde: Awwwww MaMa Betty… Handry am-piadanana anie ny fanahinao ary misaotra fa vehivavy faka-tahaka ianao. Hitahy anao anie ny Tompo. RIPBettyKaunda

@ErasmusMweene: Mandria am-piadanana mandrakizay Mama Betty Kaunda! Fantatro fa mitoetra amin’ny toerana tsara indrindra ianao. Maro ny zava-bitanao…RIPBettyKaunda

Teny antsefatsefany teny, noheverina fa tsaho ny vaovao:

@lwangamwilu: RT GNdhlovu: “: @lwangamwilu: Nahoana izy ireo no milaza fa tsaho ny vaovao mandeha?” Tsy tsaho izany, vao avy nanamafy ny vaovao tamin’ny hafatra Whatsapp i Panji [zanaka lahin’i Mama Betty voalohany]. RIPBettyKaunda.

Nandao antsika i Mama Betty Kaunda, kanefa hitoetra mandrakizay ny fahatsiarovana navelany, indrindra ho an’ireo nahatratra ny fotoana naha-filoham-pirenena ny vadiny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.