Lahatsary: Fanadihadiana Fohy Mampisongadina Mpanankato Venezoeliana

Tamin'ny alalan'ny kaonty YouTube azy ireo no amoahan'ny ekipa ekipam-pamoronana Mostro Contenidos, andian-dahatsary fanadihadiana antsoina hoe ‘Memorabilia‘ [es, en] , izay ampisehoan'izy ireo andian-tafatafa fohy niarahana tamin'ireo olo-malaza Venezoelana izay miavaka ao an-toerana na manerantany- amin'ny sarimihetsika, fialam-boly, ary ny zava-kanto.

Tao anatin'ny lahatsary fampahafantarana no namariparitan'ny ekipa ny fomba nahafahany nanangona ireo fanadihadiana  voaravaka votoaty mahafinaritra na dia teo aza ny fisalasalan'izy ireo hanatanteraka tetikasa tsy misy famatsiam-bola tahaka izao. Ao anatin'ny lahatsary, izay naparitaka manerana ny tambajotra sosialy maro ao Venezoelà, afaka mihaino momba ny hevitra, ny traikefa sy ny asan'ireo mpanakanto ny mpijery. Milaza ny ambangovangon'ny tantaran'i Venezoelà ankehitriny sy ny fomba mazava namaritan'ireo olona izany ny fanadihadiana .

Ireto zarainay ireo ny sombiny amin'ny andianà ‘Memorabilia’.

Resadresaka niarahana tamin'ny talen'ny famoahana ny lahatsary, Marcel Rasquin  no hita voalohany amin'ny fanadihadiana  (amin'ny teny anglisy ny dikantsoratra):

Mpanao hosodoko Oswaldo Vigas, izay sokajiana ho mpanakanto Venezoeliana malaza indrindra ankehitriny, milazalaza ny tantarany tao amin'ity fizarana ity (ahitana dikantsoratra amin'ny teny anglisy ihany koa ny fanadihadiana):

Amin'ity lahatsary manaraka ity kosa, niresadresaka tamin'i Margot Benacerraf, mpanatontosa ny lahatsary ny ekipa:

Tamin'ny fizarana hafa, niresadresaka tamin'i Nelson Garrido, “mpanakanto, mpanao sary sy tononkalo mampihorohoro” ny ekipa:

Azonao tsidihana ao amin'ny YouTube Mostro Contenidos’ ireo tetikasa hafa marobe, lahatsary marobe, ary fanadihadiana marobe (ahitana dikantsoratra amin'ny teny anglisy ny sasany).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.