Japana: Ampamoaka Momba Ny Tontolon’ny Asa Fanadiovana ny toby Nokleary Ao Fukushima

 Nandrakitra ilay lahatsary [amin’ny teny japoney] an’i Tetsuya Hayashi, izay tsy nanampo hanao asam-panadiovana ao amin’ny toby nokleary ao Fukushima Daiichi, ny tranokalam-baovao japoney an’olotsotra 8bit news, tamin’ny 18 septambra 2012.

Nangataka asa nantsoina hoe ‘Backup Logistics Support’ izy (izay azo adika hoe « mpiasan'ny fampitaovana fototra »), fa tafiditra voalohan-daharana, ary voatery niharitra ny voka-dratsin'ny taratra tafakatra hatramin’ny 1 mSv isaky ny minitra ihany koa izy.

Niteraka fahasimbana goavana tao amin’ny toby nokleary ny horohorontany sy ny tsunami tamin’ny taona 2011 tao Japana.

Mampiseho ny hamafin’ny tontolon’ny asan’ireo mpiasa ao Fukushima Daiichi ny lahatsary [amin’ny teny japoney – tsy ampahibemaso intsony] (jereo eo ambany ny amin’ny teny anglisy) :

18、19の未成­年も含め、放射線作業の知識や経験もない素人集団が、十分な教育も受けられないまま、経歴を詐称させられ安い賃金で現場に送り込まれる現実に直面した。

Nalefa niasa tao amin’ny toby ireo mpiasa saiky eo amin’ny 18, 19 taona, sady tsy nahazo fanofanana no tsy nisy fanomanana sahaza. Nangatahana izahay mba soratana anaty CV hoe manana traikefa, izay tsy misy akory, hoy ireo mpiasa.

Mpisera Twitter iray nahita fa tena tsy rariny ny zava-misy ka nanapa-kevitra ny handika ilay lahatsary amin’ny teny anglisy izy.

あまりにひどいので、英語発信しました。→【実名告発・特ダネ】原発作業員を「嘘の履歴書」で現場に。下請け構造不正の実態 @8bit_HORIJUN さんより

Tsy rariny tanteraka izao. Ka nadikako tamin’ny teny anglisy. →【Anarana tena izy/Ora        farany】Niaraka tamin’ny “CV” diso ireo mpiasa amin’ny nokleary nalefa hiasa tao amin’ny toby. Ny marina momba ireo mpiasa marobe via @8bit_HORIJUN

Azonao vakiana eto ny dika manontolo [amin’ny teny anglisy] an’ilay lahatsary notontosain’I Yuri Hiranuma

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.