- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanao Ahoana Ny Valin'ny Fifaninanan-Kira Uganda@50 ?

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Nahazo ny fahaleovantenany i Ogandà tamin'ny 9 Oktobra 1962, ka feno 50 taona izany amin'ity taona ity. Maro ny fandaharan'asa tanterahina amin'izany manerana ny firenena, ary satria moa ao anatin'ny kolontsaina nasionaly ny mozika – sady iray amin'ny fandraharahana hainga-piroborobo indrindra – dia heverina ho misy koa ny hira ofisialy fankalazana azy.

Yoga Yoga [1] (midika hoe ‘arahabaina’ any Luganda) ny hira ofisialy nasongadin'ny Artista Ongadey ahitana an'i Esther Nabaasa, Ruyonga, Barbara Kayaga, Hum Kay ary Richard Kaweesa. Azonao henoina etsy ambany ilay hira na trohina ato [1].

Maro ny Ogandey no nivoaka [tamin'ny fahanginany] ka niresaka momba ilay hira tamin'ny alalan'ny sehatry ny tambajotran-tserasera, ny sasany nidera ilay hira raha ny hafa kosa miteny fa tsy mahasolo tena ny kolontsaina Ongadey rehetra iny:

Javie Ssozi mieritreritra fa tena tsara ny feon'ilay hira:

@jssozi [2] : Celebrating #Uganda50 [3] in Style – The theme song #YogaYoga [4] is super vocal.. http://soundcloud.com/thenewvision/official-jubilee-song … [5]

Fankalazàna ny #Oganda50 – tsara [sy ilaina] angoan-tenda ny lohahevitr'ilay hira #YogaYoga..

Rosebell Kagumire (mpandray anjara ato amin'ny Global Voices) mieritreritra fa tsara ilay hira:

@rosebellk [6]: And here is the Theme Song as #Uganda [7] celebrates 50 years of Independence. Great one! ‘Yoga Yoga’ http://soundcloud.com/thenewvision/official-jubilee-song … [8]

Uganda at 50 logo. Image source: Uganda at 50 Facebook page. [9]

Fango Oganda feno 50. Loharano: pejy Facebook Ogandà feno 50.

Indro ary ny lohahevitr'ilay hira fankalazàna ny faha-50 taonan'ny fahaleovantena. Tsara an! ‘Yoga Yoga’

Patrick Mugumya mieritreritra fa tsara ilay hira saingy manontany hoe nahoana no misy anarana verindroa ary eritreretiny ihany koa fa tsy groovy loatra ilay hira:

@mugumya [10]: Got two problems with the Jubilee Song #YogaYoga [4]: 1. Name (why name it twice) 2. It aint too groovy (danceable). Otherwise its cool

Manana olana roa amin'ny hiran-jobily #YogaYoga: 1. Anarana (maninona no miverin-droa) 2. Tsy mampandihy loatra. Ankoatra izay tsara.

Tusiime K Samson mieritreritra fa manavahiny loatra ilay hira:

@S [11]amwyri [11] : Gerald Kiwewa RT @primagaba: This #YogaYoga [4] song is foreign!! even the accents were purchased on some foreign tarmac! #LooksforRonaldMayinja [12]

Gerald Kiwewa RT @prismagaba: vahiny io #YogaYoga io!! na ny filantony aza tahaka ny nalaina tamin'ny kianja vahiny!

Mark Keith Muhumuza mieritreritra fa tahaka ny Afrikana Tatsimo kokoa ilay hira fa tsy Ogandey loatra:

@mumakeith [13]: The#yogayoga [14] song sounds like it is from South Africa. Especially the Chorus… Its a good song but just doesn't feel like # [15]Uganda@50

Tahaka ny avy any Afrika atsimo ilay #yogayoga. Indrindra fa ny choeur… Tsara fa tahaka ny tsy mifandraika amin'ny #Uganda@50 [15]

Ao amin'ny fanehoan-kevitra amin'ny vohikalam-baovao iray i Rodgers mitsikera ny mpanohitra [16] noho ny fanoherana ny zava-drehetra eny fa na dia ny hira aza, na dia mety ho tena ilaina aza ilay zavatra:

It’s unfortunate that we have a group of Ugandans that will oppose everything that comes to their mind. Style up guys, opposition does not mean opposing everything. Good work from those talented Ugandans, who know what to do at the right time.

Indrisy moa fa misy ny vondrona Ogandey hanohitra ny zava-drehetra tonga ao an-dohany. Akaro ny resaka zalahy, tsy midika fanoherana ny zava-drehetra ny atao hoe mpanohitra. Tsara ny asan'ireo mpanatalenta Ogandey, fantatrareo ny zavatra ataonareo amin'ny fotoana mahamety izany.

Miresaka momba ity tantara iray ity ihany, Francis manamarika fa [17] tsara henoina ny hira, saingy tsy mampavitrika loatra:

While the song is good to listen to , it does not , provoke or motivate jubilation. If we need a Jubilation song, musicians have to go back to the drawing bard. It should be a song that most Ugandans will associate with.When the jubilation song is played, it should not leave any one seated. Check how songs like Hakuna Matata, Wipolo or We go We go or the World cup songs change the atmosphere when played. However, the song should be able to appeal even beyond the borders of Uganda. Let musicians compose songs and Ugandans choose the one they feel should be a jubilee song.

Raha tsara henoina ny hira, tsy mampifaly mihoraka loatra. Raha mila hira mampihoraka isika, dia mila miverina hatramin'ny fandrafetan-kira ny mpitendry mozika. Tokony hira mampifandray ny Ogandey rehetra io. Raha hira mampifaly mihoraka izany tsy mamela olona iray hipetrapetraka eny an-tseza izany. Jereo anie ny hira tahaka ny Hakuna Matata, Wipolo na We go We go na ireny hira mpandeha amin'ny amboara erantany ireny e! Saingy, tokony afa-misarika izay ivelan'ny sisintanin'i Ogandà ihany koa ny hira. Avelao ny mpahay mozika hamoron-kira dia ny Ogandey rehetra no mifidy ny iray amin'izay heveriny ho hiran-jobily.

Ny Minisi-Panjakana Ogandey manaramaso ny toekarena, Henry Banyenzaki, no nandefa voalohany ny hira teo amin'ny tsangambaton'ny Fahaleovantena tao Kampala tamin'ny 5 Septambra 2012.