Video: Tafatafan-Tsingerintaona Miaraka Amin'ny Mpitarika Hetsika “Occupy Wall Street”

David DeGraw, mpiara-manorina ny hetsika 99% no manazava ny fahaterahana sy ny fitomboan'ny hetsika Occupy Wall Street (Bodoy Wall Street) tao anatin'ny herintaonany (tafatafa voalohany nataony tao anatin'ny enimbolana).

 Tafatafa niarahana tamin'i Cenk Uygur nandritra ny fandaharana fahitalavitra The Young Turks, noresahiny tamin'izany ny fisandratan'ny hetsika, ny vato misakan'ny fikambanana, ny fahasarotan'ny fampivondronana vondron'olona isan-karazany sy ny fanantenany ho mpitondra tenin'ny fikambanana “tsy manan-doha”, saingy ny tena fandresena, araka ny notsongain'ny AmpedStatus.org, fampitam-baovaon'ny 99% dia ny fisokafan'ny mason'ny taranaka vaovao fa afa-manao ny fanovana ry zareo.

“This is about empowering a new generation to be leaders, to be engaged…. We have millions of people engaged in creating change that were not engaged and creating change a year ago…. Occupy globally is the big bang of humanity’s next phase of evolution. It created this wild new ecosystem of mass transformation. Millions of people turned on, let out of the propaganda cage. The first step is that you have to open the prison door so people can come flying out and realize that we can change things. You say another world is possible. Now, another world is happening.”

“Resaka fampaherezana ny taranaka vaovao ho mpitarika, horotsaka an-tsehatra… manana vahoaka an-tapitrisa nirotsaka an-tsehatra hanorina fanovàna ireo izay tsy nirotsaka an-tsehatra izahay ary nanorina fanovàna herintaona lasa izay… Ny Occupy ankapobeny no big bang [fipoahana lehibe -niteraka fiforonana-] -n'ny fivoaran'ny maha-olombelona manaraka. Io no niforonan'ny fanovàna daholoben'ity rafitra vaovao “tsy manan-dalàna” ity. Vahoaka an-tapitrisa no taitra, nivoaka tao amin'ny fitoeram-bibin'ny propagandy. Ny dingana voalohany dia ny fanokafanao ny varavaran'ny fonja mba ahafahan'ny olona mandositra sy mahatsapa fa afa-manova zavatra isika. Miteny ianao fa azo tanterahina ny tontolo vaovao. Ankehitriny, tonga ny tontolo vaovao.”

    


Rahatrizay, misy ny filàna vola ahafahana mamatsy ny hetsika, fa mbola baraingo tanteraka ny hanaovana ny dingana manaraka. Ao amin'ny bilaogy tumblr an i DeGraw no iresahany ny fivoaran'ny hetsika sy ny tokony handehanany rahampitso.

 

It’s time to flip the protest script »

Instead of protesting what we are against, let’s rally around what we are for.

We need to occupy & amplify the solutions. Let’s occupy the forces that are evolving our society to a sustainable and prosperous future, for the 100%.

Let’s hold rallies around successful alternative monetary systems, alternative energy, alternative education, alternative media, alternative food, alternative healthcare, alternative systems of governance.

“Izao no fotoana hanodinana ny hetsika”

Tsy mivory isika hanohitra, fa andao hivory ho amin'izay hotohanana.

Mila mibodo sy manasongadina ny vahaolana isika. Andao bodoina ny angovo mampihetsika ny fiarahamonintsika mba hananana ampitso (mandroso) maharitra sy miroborobo ho an'ny 100%.

Andao hivory hanohana rafitra ara-bola hafa nahomby, angovo hafa, fanabeazana hafa, fampitam-baovao hafa, sakafo hafa, fitsaboana hafa, rafi-pitantanana hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.