Rosia: Poezia Antserasera Mirehidrehitra, Politikan'ny Tsy Fanaovana Politika

Mora renoka eo anatrehan'ny tononkalo ny Rosiana raha eo amin'ny fomba fitenenana no lazaina. Taorian'ny tatitra milaza fa nikasa hitarika ireo andiam-borona manana anarana midika hoe ‘karandoha siberiana’ tahaka ny vano (fotsy fa manana elatra mainty) antsoina amin'ny teny siantifika hoe Grus leucogeranus ahiana ho lany taranaka amin'ny fotoam-pifindra-moniny i Vladimir Putin, amin'ny fitondrana voromby maivana atao maka endrika vorona, dia namaly izany tamin’ny [ru] alalan’ny tononkalo klasika, miaraka amin’ny sary namboarina  (jereo eo ambany)  momba ireo karazam-borona ireo ny bilaogera maromaro,.

Tsy mahagaga ny vokatry ny fitiavan’ny Rosiana ny tononkalo satria  maro ny fikambanana antserasera natokana amin’ny famokarana sy ny fandefasana izany. Stihi.ru [ru] (‘stihi’ midika hoe “tononkalo”), ahitana mpikambana eo amin’ny atsasa-tapitrisa eo,  izay midadasika indrindra. Sehatra natokana hanoratana, handefasana sy hizarana tononkalo, iray amin’ireo fikambanana antserasera lehibe indrindra ny Stihi.ru. Nambaran’ilay [ru] mpamorona azy, Dmitri Kravchuk, fa manoratra tononkalo avokoa ny 1% n’ny mpikambana ao amin’ny RuNet, ary maro amin’izy ireo no mampiasa ny tranokalany.

Ohatra iray tamin’ny sary namboarina (photoshop) tao amin’ny RuNet milaza ny zavatra nataon’i Putin farany teo. (Sary tsy fantatra  navoaka  eraky ny aterineto.)

Folo taona mahery izay, teraka tamin’ny alalan’ny alalan'ny sehatra LGBT madinika ny Stihi.ru, ary nalaky lasa toeram-pihaonan’ireo mpankafy tononkalo an’arivony. Ny fiaraha-mientana, sy rafitra tsara petraka momba ny fanaraha-maso sy ny tsikera amin’ireo karazana tononkalo alefa ao amin’ny alalan’ny fampiasana tsotra ny sehatra bilaogy toy ny LiveJournal. (Maro aza ireo nahita fahombiazana amin’ny fampiasana ny LiveJournal, tahaka ilay tanora poety Vera Polozkova [ru], izay nanomboka tamin’ny famoahany ny bilaoginy LJ  ary ankehitriny , efa mamoaka boky amidy izy.)

Na dia eo aza izany fiovan-drafitra izany, natao hampimira lenta ny Stihi.ru ary tsy misy mpanaisotra votoaty ny tranonkala. Ny voka-dratsiny fotsiny dia mety ho sarotra ny hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Mandady ny fifampiangana graphomania [fahadalàna manoratra] , indrindra eo amin’ny tontolon’ny literatiora sy ny vato nasondrotry ny tany mahay izany. Iharan’ny tsikera ihany koa ny tolotra (servisy) fa tsara aro loatra ny sehatra, saingy tsy mampandroso ny hai-javakanto kosa izany. Matetika tonga eny amin’ny fiainam-bahoaka ny tsikera amin’ny aterineto.

Vao haingana ohatra, mpanao tononkalo telo nibilaogy momba ny fanatrehana ny tafatafa tamin'ny fahitalavitra miompana amin'ny tononkalo. Mpanakanto tsy ampy taona ao amin’ny Stihi.ru ny iray amin’ireo vehivavy roa mamaky ny tononkalony nandritra ny fampisehoana, (araka ny filazan'ilay[ru] poeta Nadya Delaland) izay niresaka lavabe momba ny tokony handefasana ny tamberina miabo sy mahafa-po ihany amin’ny fanehoan-kevitra ary tsy tokony tsikeraina mihitsy ny tononkalon’ny hafa :

Она говорила, что, как бы плохи не были стихи, нельзя напрямую говорить, что они плохи.

Nilaza izy fa tsy misy olana na ratsy be manao ahoana aza ny tononkalo, tsy tokony hilaza mivantana ny olona fa ratsy ilay tononkalo.

“Mora vinaniana” sy “sarambambeny loatra” ny tononkalony, araka ny filazan’ilay poety Boris Kutenkov, izay namariparitra azy toy izao manaraka izao [ru]:

Явно дальше Серебряного века ничего не читано, кроме своих соседей по сайту Стихи.ру, где “поэтесса” благополучно обитает в паралитературной провинции, наслаждаясь своим успехом

Miharihary fa tsy mba namaky zavatra momba ny lasa Taom-bolafotsy izy, ankoatra ny mpifanakaiky aminy ao amin’ny Stihi.ru, izay iorenan'ilay “poety” tsara ao amin'ny lavaky ny saika-literatiora, ka ankafizany manokana ny fahombiazany manokana.

Mahagaga, ankafizin’ny mpijery ity tanora poety ity (ahitana karazana latsa-bato ilay tafatafa). Saingy, noho ny [ru]:

Зал, как выяснилось, был наполнен выходцами со Стихиры, они пришли поддержать Крючкову.

Araka ny hita, feno ireo mpiseraseran'ny Stihi.ru ny efitrano malalaka, [ary] tonga nanohana an’i Kriuchkova izy ireo.

Midika izany hoe, avelao ny fitsarana feno tsikera. Na manao ahoana na manao ahoana ny kalitaon’ny tononkalo alefa ao amin’ny Stihi.ru, ao anatin'ny kabary mikombona ao anaty hoboka Rosiana, mahafinaritra ny mahita sehatra ahitana fanehoan-kevitra mirehidrehitra, tsy misy idirana politika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.