Alzeria : Tsy Dia Mirongatra Loatra Ny Fihetsiketsehana Manohitra Amerikana Mitaha Amin'ireo Firenena Arabo Hafa

Toa vanja nitssefotra ihany ilay antso natao tao amin'ny Facebook mba hanaovana famoriam-bahoaka goavana manoloana ny masoivohon'i Etazonia tao Alger

Io lohatenin-dahatsoratra iray navoakan'ny www.algerie1.com io no mamintina ny vaovao alzeriana ny andron'ny Zoma 17 septambra izay naha-lasibatra ireo solotena tandrefana, indrindra fa ny Amerikana, nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana tamina toerana maro samihafa tany amin'ny tontolo arabo, taorian'ny nandefasana tao amin'ny Youtube ilay lahatsary « Innocence des musulmans », na «Ny havendranan'ny Miozolmana» nanivaiva ny mpaminany Mohamed. Ny gazety alzeriana, afa-tsy ny lohateny iray ho an'ny mpiteny arabo, ny www.echouroukonline.com , dia tsy nanome toerana loatra ho an'ilay hetsika na ny momba ny tsy fanjariany no tena marina kokoa. Araka izany, ny www.elwatan.com dia nanao lohateny hoe:

Andrana hanao Diabe tao Alger, nandamoaka.

Momba io raharaha io ihany, io lohateny io dia namoaka fa an-tajony ireo mpanao hetsi-panoherana no niampanaga ilay lahatsary fototr'olana tany Oran, tanaàna faharoa lehibe any an-toerana. Araka izany, nifanehatra taminà mpitandro filaminana marobe, nionona tamin'ny fametahana sora-baventy ireo mpano fihetsiketsehana tao Oran, toerana izay namerenany sy niventesan-dry zareo ny teny faneva nalefan'ireo fantsom-pahitalavitra arabo mandeha amin'ny zanabolana. Ny lohateny lehibe iray hafa tamin'ny gazety miteny frantsay, www.liberté-algerie.com, dia nisafidy ny hifantoka tamin'ny tranga nisy tao KAiro, , Tunis, Sanaa, Khartoum, tamin'ny tsy firaharahiana tsotra izao ireo andrana hanaovana diabe tao Alger sy Oran indrindra indrindra. Raha toa koa ny « Echourouk », tranonkala iray fantatra amin'ny fironany amin'ireo islamista,  nihevitra [ar] fa:

 Nitsangana handeha hanohana ny mpaminany ireo Alzeriana.

Ny Alakamisy 16 Septambra, io tranonkala io dia azo lazaina ho nandray an-tànana mihitsy ny antso rehetra izay nbivezivezy tety anaty tranonkala tety nanentanana ireo hetsi-panoherana ny solontena diplaomatika Amerikana ao Alger. Io lohateny io, izay ny fanontàna be indrindra teo amin'ny gazety alzeriana satria nanakaiky ny antsasaka tapitrisa ny famoahany iray andro, dia niavaka koa tamin'ny isan'ny fanehoan-kevitra nataon'ny mpamaky tamin'ireo lahatsorany. Mikasika io resaka io, maherin'ny 200 ireo mpamaky naneho hevitra; ny sasany tonga hatramin'ny fampitoviana ny mpitandro filaminana izay nanakana ireo hetsi-panoherana hitovy amin'ny tafika Israeliana izay nandràra ny Palestiniana tsy hahazo hiditra ny tokotanin'ny Maoske El Qods (Jerosalema) isaky ny Zoma.

Ankoatra izay, ny fampitandremana navoakan'ny masoivoho Amerikana tao Alger ho an'ireo teratany amerikana tsy hivezivezy any Alzeria dia nisarika ny sain'ny gazety sasany, indrindra fa ireo ety anaty aterineto. TSA (www.tsa-algerie.com) dia nanontany tena momba ny fahanginan'ny manampahefana alzeriana mikasika io fampitandremana avy amin'ny diplaomasia amerikana io. Hoy Samir Allam manoratra :

Hatramin'ny Alarobia, mihanaka be eny anaty tambajotra sosialy sy gazety ireo kiana momba ny toerana raisin'ny alzeriana. Naneho hevitra tamin'ny alalan'ny ministeran'ny raharaham-bahininy i Alzeria. Saingy mifanohitra amin'izay nataon'ireo firenena hafa, dia samy tsy nisy naneho hevitra imasom-bahoaka momba io raharaha io na ny filohan'ny Repoblika Abdelaziz Bouteflika, na ny Praiministrany.

Ao anatin'io taratasy io ihany, ilay gazety dia nananmbara fa i Ali Bel Hadj, laharana faharoan'ny FIS (antoko islamista nofoanana) dia nanandrana ny hanohitra teo anoloan'ny foiben'ny masoivohon'i Etazonia ao Alger, izay nahatonga azy noraofin'ny polisy. Ho an'ny tranonkala www.dna-algerie.com kosa, ry zareo dia nifantoka tamin'ny fanafihana ny masoivoho amerikana tao Tunis sy  ny fandorana sekoly amerikana iray to amin'io tanàna io ihany. Tsy niloa-bava izy mikasika ireo andrana hanao fihetsiketsehana tao Alger sy tany an-kafa. Toy izay koa ny www.algeriepatriotique.com izay, ankoatry ny fifandonana nitranga tao Tunis, dia nisafidy ny hampiresaka manampahaizana manokana momba ilay raharaha, manampahaizana izay nanipy ny baolina ho any amin'ireo ‘extermistes’ avy eo.  Sonia B dia nanampy tamin'ireo antso hanaovana fihetsiketsehana:

Tsy latsaka tao anatin'ny fandriky ny herisetra ny Alzeriana, izay tsy hitondra afa-tsy fanimbàna bebe kokoa ny sarin'ny tontolo miozolmana. Tetsy ankilany, imams marobe no nanakiana ireo hetsi-panoherana feno herisetra nanohintohina firenena arabo sy miozolmana maro

Eny anaty tambajotra sosialy, tsinjo ny fisian'ny fifandirana kely eo amin'ireo niantso mba hameno ny arabe sy ireo, mifanohitra amin'izay, niantso fitoniana sy fifehezan-tena. Araka izany ny pejy facebook 123 viva l’algerie, izay tamin'ny Janoary 2011 dia niavaka tamin'ny fakàny toerana nanohitra ny nantsoina hoe « Lohataona arabo » dia mbola niandraikitra ny asan'ny mpamono afo indray tamin'ity. Mandritra io fotoana io, ny sasany tamin'ireo mpampiasa facebook dia nanandrana ny namoaka ny olona ho eny an-dalambe. Marihana fa ny maoske rehetra tao Alzeria, mpampahalala vaovao iray manana ny toerana ihany koa, dia samy nandresy lahatra ireo miozolmana nandritra ny vavaka isan-joma mba tsy hisendaotra.

Azontsika atao ve ny milaza fa hoe « niavaka ny alzeriana » noho ny tsy filarahan'ny arabe alzeriana tamin'izay nisy tany Tunis, Benghazi, Kairo, Khartoum, izay niharam-pamoretana henjana tokoa nandritra ny Lohataona Arabo? MBola resaka hafa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.