Mihetsika Noho Ilay Sarimihetsika Manohitra Silamo i Pakistan

Taorian'ireo hetsi-panoherana mahery setra tay Ejipta sy Libia izay niteraka ny fahafatesan'ny Ambasadaoro Amerikana tao Libia, nandray fepetra henjana ireo masoivoho rehetra manerana ireo firenena be mpino miozolmana mba hisorohana ny ho fahasimban-javatra bebe kokoa. Ilay korontana dia nanomboka taorian'ny namoahana lahatsary iray maharitra 13 mn manohitra ny Silamo tao anaty tambajotra sosialy iray.

Nipoaka ny herisetra tao Cairo, tanàna Ejiptiana, ary tsy ela dia niparitaka tany Benghazi, tanàna Libiana, niteraka fitohitohizana nankany Afovoany Atsinanana ary hatrany amin'ireo firenena hafa tany Azia Atsimo. Nahazo ny anjara korontany koa ny tanàna Libiana taorian'ny nandoran'ireo mpanao hetsi-panoherana ireo trano fisakafoanana KFC sy Hardees tao Tripoli. Ireo Masoivoho Alemana sy Britanika any Sodana koa dia niharam-panafihana raha sekoly Amerikana iray tany Tonizia ihany koa no nisy nanao lasibatra .

Teo akaikin'ny tranonay, manodidina ny 10.000 ireo mpanao hetsi-panoherana nidina an'arabe tao Dhaka renivohitra Bangladeshi, nandoro saina Amerikana sy Israeliana nanerana ny làlana. Ireo miozolmana tao India mpifanolo-bodirindrina koa dia nanafika ny masoivoho Amerikana sady nanao totoafo tora-bato nankany amin'ilay tranobe.

Mihetsika i Pakistan

Anatin'ireny hetsi-panoherana rehetra ireny,  nanamafy ny fiarovana ireo masoivoho diplaomatika manerana an'i Pakistan. Ny masoivoho Amerikana dia nanenjana ny fiarovany hiatrehana izay mety ho loza mitatao aminy.

Nisy famoriam-bahoaka iray notanterahan'ny Majlis Wahdatul Muslameen nanomboka tany amin'ny G-5 Imam Bargah ao Islamabad ary nitandrozotra nankany amin'ny masoivoho Amerikana tamin'ny Zoma 14 Septambra 2012, ho fanoherana. Voafehy ny zavatra rehetra noho ireo fepetra henjana natao ho fiarovana.  Tamin'ny fangatahana fialan-tsiny ampahibemaso noho ilay sarimihetsika, ireo mpanao hetsi-panoherana koa dia nitaky ny hanesorana azy io avy hatrany ao anatin'ireo tambajotra sosialy.

Tany Lahore, an-jatony ireo mpanao hetsi-panoherana no nidina teny an'arabe taorian'ny vavaka isaky ny Zoma ary nandoro saina Amerikana. Hafiz Saeed, filoha mpitarika ilay fikambanana voaràra “Jamaat ud Dawa” koa dia nandray anjara tamin'ilay famoriam-bahoaka ary niantso azy io ho tsikombakomba ratsin'ny Amerikana

Ny foibe ara-bola ao Pakistan, Karachi koa – izay mbola an-dalam-pitsaboana ny afo nandoro orinasa iray nahafatesana mpiasa an-jatony – dia nanatri-maso fisiana famoriam-bahoaka izay nokarakarain'ny  Jamaat-e-Islami. Ireo mpikambana avy amin'ny vondrona mpanohitra dia nitaky ny fandraràna ilay sarimihetsika ary tonga hatramin'ny fandrahonana ny masoivoho Amerikana ao Islamabad raha toa tsy mahavita mandray lesona amin'izany ny governemanta.

Activists of Jamat-e-Islami chant slogans against the anti-Islam movie released in the USA, Karachi, Pakistan. Image by Owais Aslam Ali. Copyright Demotix (14/9/2012)

Mafàna fo avy amin'ny Jamat-e-Islami mihiaka ny teny fanevany manohitra ilay sarimihetsika mamely ny Silamo nivoaka tany Etazonia,  Karachi, Pakistan. Sary avy amin'i Owais Aslam Ali. Zon'ny mpamorona Demotix (14/9/2012)

Tamin'ny 2006, taorian'ny nanontàn'ny gazety Danoà iray sariitatra mampiseho ny Mpaminany Muhammad nitondra taminà resabe tokoa, nanakaiky ny 70.000 ireo olona nidina an'arabe tao Peshawar, niteraka fhavoazana sy habibiana nanerana ny fanjakana. Nisy fipoahana iray nahery vaika nitranga teo akaikin'ny masoivoho Danoà tao Islamabad nahafatesana olona enina sy naharatràna ampolony.

Tezitra, fa am-pilaminana

Ireo hetsi-panoherana natao nanerana ny firenena momba ity raharaha ity, na dia tao anaty hatezerana aza, dia tam-pilaminana ary tsy nisy mihitsy fitaterana hetsika mahery setra.

@CMShehbaz: Fihetsiketsehana am-pilaminana sy famoriam-bahoaka no natao tao Pak androany hanoherana ilay sarimihetsika Amerikana manohitra ny Silamo.

Maro ireo olona tao amin'ny Twitter no nizara ny hatairan-dry zareo nanoloana ny fihenjanan'ny raharaha :

‏@TahaSSiddiqui: lanonam-pandoroana saina Amerikana ao Islamabad, 500 metatra miala ny Faritra Diplaomatika misy ny Masoivoho Amerikana.

@Ali_Abbas_Zaidi: zazalahy tsy ampy taona mitondra basy, sora-baventy mivaky hoe “Iza no naniratsira ny Mpaminaniko?”. Penina aza no mety ho nirian'ny Mpaminany ho noraisinao fa tsy izao.

@HaroonRiaz: Dia mora tokoa ny manainga korontana aty amin'ireo firenena Miozolmana noho izay olona miaina any amin'ny firenena Tandrefana any monja. Tena mahazendana azy ny mahita izany.

‏@Zoya_Altaf: Araka izany dia toa #hetsi-panoherana no mameno ny firenena an… # pakistan

@Manticore73: Nanantena teny henjana avy amin'ireo mpitàna indostrianà maoske avy eto an-toerana aho androany – saingy tsy nisy na inona na inona. Mba manao ahoana any an-kafa any ?

@ImtiazTyabAJE: Manodidina ny 20-30 eo no tena mpanao hetsi-panoherana. Ny sisa toa ireo avy nivavaka sy liam-baovao. # Pakistan

@akkhan81: Nahomby tamin'ny fanodinana ny resaka fankahalàna ilay lahatsary manohintohna ny Silamo ho any amin'ny adihevitra momba ny fahalalahana miteny  ireo mankahala ny Silamo, ary dia mbola tsy tafita amin'io fitsapàna io foana ny Miozolmana.

Raha mbola mitohy manerana ny tontolo Arabo ny herisetra, Google kosa nametraka vonjimaika fanivànana ny fidirana mijery ilay lahatsary manorisory. Araka ny ambaran'ireo manampahefana ao aminy:

Araka ny fepetra fampiasàna ny tolotra YouTube, ny kabary fankahalàna dia kabary amelezana olona, fa tsy vondron'olona. Satria ilay lahatsary dia mamely ny finoana Silamo fa tsy ny vahoaka Miozolmana, dia manana zo hipetraka ao amin'ny tranonkala any amin'ny ankamaroan'ny firenena  maneran-tany. [..] Kanefa, noho ny toe-draharaha sarotra misy ao Libya sy Ejipta dia noferanay vonjimaika ny fahafahana miditra amin'izany ho an'ireo firenena roa ireo.

Hetsika tsy mbola nisy toa azy ity nataon'ny Google ity, Jillian York ato amin'ny Global Voices Advocacy dia manana antsipirihany

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.