16 Septambra 2012

Tantara tamin'ny 16 Septambra 2012

Alzeria : Tsy Dia Mirongatra Loatra Ny Fihetsiketsehana Manohitra Amerikana Mitaha Amin'ireo Firenena Arabo Hafa

Lasibatr'ireo mpanao fihetsiketsehana tamina toerana maro samihafa tany amin'ny tontolo arabo ireo solotena tandrefana, indrindra fa ny Amerikana, taorian'ny nandefasana tao amin'ny Youtube ilay lahatsary « Innocence des musulmans », na «Ny havendranan'ny Miozolmana» . Tsy dia nisy namaly loatra anefa ireo antso hanaovana fihetsiketsehana tao Alger. Nitety ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra alzeriana maro i Salah Ziah:

Tajikistan: Mpihira Mankalaza An'i Poutine Mahatonga Hatezerana

  16 Septambra 2012

Hatramin'ny fiandohan'ny taona, namoaka hira telo ilay Tajik mpihira, Tolibjon Kurbonkhonov, manindrahindra ny filoha Rosiana Vladimir Putin. Nanjary malaza ao amin'ny Youtube ireo hira sady nampalaza ilay mpihira any Rosia ihany koa. Kanefa any Tajikistan, nahatezitra ireo mpiray tanindrazana amin'i Kurbonkhonov ireo hira ireo, izay miampanga azy ho "mpisolelalaka" sy "nanome henatra ny firenena".

Mihetsika Noho Ilay Sarimihetsika Manohitra Silamo i Pakistan

  16 Septambra 2012

Nihetsika noho ilay sarimihetsika manohitra ny silamo i Pakistan, ilay niteraka ny fahafatesan'ny Ambasadaoro Amerikana tao Libia. Nanamafy ny fiarovany ireo masoivoho diplaomatika manerana ny firenena, saingy hatreto an-katezerana ireo hetsi-panoherana saingy tsy misy herisetra.