Libya: Azafady Ry Chris, Tsy Naharo Anao i Benghazi

Andian'olona Libyana vitsy no nivory teo amin'ny kianja Al Shajara ao Benghazi ny andron'ny 12 Septambra 2012ho fanoherana ny fanafihana tao amin'ny Kaonsilàn'i Etazonia.

Amerikana efatra, ka ao anatin'izany ny Ambasadora Christopher Stevens no maty raha nitifitra balafomanga ireo ny mpitolona nandritra ny nitondrana azy ireo tany amin'ny toerana tsara aro kokoa rehefa nohodidinin'ny mpanao fihetsiketsehana ny Kaonsilà.

Notaterin'ny vaovao fa nihodidina ny Kaonsilà ny mpanao fihetsiketsehana, tezitra tamin'ny fanivaivana ny Mpaminany Mohammed tao anatin'ny sarimihetsika notontosaina Amerikan-Isiraeliana iray. Nisy fihetsiketsehana tahaka izany ihany koa tany Kairo, izay nananihan'ny mpanao fihetsiketsehana ny rindrin'ny Masoivoho Amerikana, nandrovitra ny sainan'i Etazonia ary nanolo azy io tamin'ny faneva Islamika.

Nahatezitra ny mpiserasera nanerana ny faritra ny namonoana an'Atoa Stevens sy ny mpiasa ao amin'ny kaosilàn'i Etazonia telo hafa.

Avy any Benghazi i Ahmed Sanalla mizara ao amin'ny Twitter ny sora-baventy nentin'ny mpanao fihetsiketsehana.

Nisioka izy:

@ASanalla: Small crowd gathered in Alshajra square in #Benghazi to protest against attack on US embassy & calling 4 activation of Army & Police #Libya

Andian'olona vitsy mivory eo amin'ny kianja Alshara ao #Benghazi ho fanoherana ny fanafihana ny masoivohon'i Etazonia sy miantso ny hamelomana ny Tafika sy ny Polisy eto Libya

Anisan'ny hiaka ny:

هذه ثوره شباب لا قاعدة لا إرهاب. هتفات المتظاهرين في ميدان الشجرة
@ASanalla: Revolisionan'ny tanora ity fa tsy an'ny Al Qaeda na ny mpampihorohoro. Anisan'ny hiaka tao amin'ny kianja Al Shajara izany

Indreto ny notsongaina tamin'ny sary navoakan'i Sanalla nandritra ny fihetsiketsehana.

@ASanalla: Chris Stevens was a friend to all Libyans. Image from today's protest in #Benghazi #USEmbassyattack #Libya pic.twitter.com/jcCkMTUh

Namanny Libyana rehetra i Chris Stevens. Sary avy amin'ny fihetsiketsehana androany tao #Benghazi
Chris Stevens was a friend to all Libyans

Naman'ny Libyana rehetra i Chris Stevens. Sora-baventy nentina nandritra ny fihetsiketsehana tao Benghazi androany 8 septambra. Saripika nozarain'i Ahmed Sanalla hita Twitter

@ASanalla: Sorry Chris #Benghazi couldn't protect you. Image from today's protest in Benghazi.

Miala tsiny Chris, tsy naharo anao i #Benghazi. Sary avy amin'ny hetsika androany tao Benghazi
A Benghazi protester carries a sign which reads: Sorry Chris, Benghazi Couldn't Protect you

mpanao fihetsiketsehana iray tao Benghazi nitondra sora-baventy mivakyhoe: Miala tsiny ry Chris, tsy naharo anao i Benghazi. saripika nozarain'i Ahmed Sanalla ao amin'ny Twitter

@ASanalla: Thugs & killers don't represent #Benghazi nor #Islam. Image from today's protest in #Benghazi

Tsy misolo tena ny Islam ny jiolahim-boto sy ny mpamono olona. Sary nandritra ny fihetsiketsehana tao Benghazi
Thugs and killers don't represent islam

Tsy misolo tena ny Islam ny jiolahim-boto sy ny mpamono olona. Sary nandritra ny fihetsiketsehana tao Benghazi norazain'i @ASanalla hita Twitter

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.