10 Septambra 2012

Tantara tamin'ny 10 Septambra 2012

Ejipta: Mpitandro Filaminana Mamotika Ny Tsenam-boky Manan-tantaran'i Alexandria

Niara-nifoha tamin'ny vaovao momba ny famotehana nataon'ny Ministeran'ny Atitany ireo fivarotam-boky teo an-tsisin-dàlan'ny Mpaminany Danial ao Alexandria ny Ejiptiana ny marainan'ny 7 Septambra teo. Ny bemidina, tamin'ny vao mangiran-dratsy, dia nahatonga hatezeran'ireo mpikirakira aterineto amin'ny Firahalahiana Silamo, izay tondroin-dry zareo ho manao ady amin'ny kolontsaina.

Espaina : Sintonin-dry Zareo Ny Sakafo Mba Homena Ireo Sahirana

  10 Septambra 2012

Juan Manuel Sánchez Gordillo, solombavambahoaka ao Andalozia, mpikambana ao amin’ny Antoko Ankavia Miray (IULV-CA), solontena nasionalin’ny antoko mpiaro ny mpiasa (CUT-BAI) sy ben’ny tanàna andalò ao Marinaleda , ary mpikambana an-jatony avy ao amin'ny sendikà tafaray no niditra tranombarotra lehibe maromaro mba  hanatontosa ny hetsika faritan-dry zareo ho « fisintonana ny sakafo hiala...

Karaiba: Fanamarihana ny Fanafahana ny Fanandevozana

  10 Septambra 2012

Maro amn'ireo firenena Karaiba no mankalaza ny 01 Aogositra, Andron'ny Fanafahana ny fanandevozana, izay ahatsiarovana ny fanafoanana ny fanandevozana. Manamarika ny vanim-potoana isan-taona ireo mpitoraka bilaogy, fa tamin'ity taona ity, saika ambany ny fifantohan'ny saina tety anaty aterineto momba io fialantsasatra io, raha azo isaina aminny rantsan-tànana fotsiny ny mponina amin'ny aterineto milaza izany eo amin'ny lahatsorany na eo amin'ny bitsiny.

Iran: Nampidirina Hopitaly Ilay Mpitarika Ny Green Movement Nofonjaina

Nahiditra hopitaly tamin'ny Alakamisy 23 Aogositra 2012 noho ny "aretim-po" i Mir Hossein Mousavi, mpitarika sangany eo amin'ny Green Movement izay kandidà reformista tamin'ny fifidianana filoham-pirenena nahabe resaka tamin' 2009 ary koa mpitarika ny antoko mpanohitra tamin'ny korontana taorian'ny fifidianana.Noraràna tsy hivoaka ny tranony i Mir Hossein Mousavi nandritra izay 520 andro lasa izay.

Aostralia: Fizarana Rononon-dReny Amin'ny Alalan'ny Aterineto

  10 Septambra 2012

nahavariana ny sampana fampahalalam-baovao mahazatra sasany ny mikasika ny fizarana rononon-dreny amin’ny alalan’ny  tambazotra sosialy ao Aostralia sy ny faritra hafa manerana izao tontolo izao. Ao amin’ny Mama manome ronono amin’ny tambazotra sosialy (Mums sourcing breast milk on social media) (02 Septambra 2012), no nitateran'ny News Limited.com.au: Mandalo misoratra anarana ao...

Lahatsary: Fipoahana Volokano San Cristobal Tao Avaratry Nikaragòa

  10 Septambra 2012

Manana ny lisitry ny lahatsary mampiseho fipoahana volokano nanohina tao Nikaragòa tamin'ny 8 Septambra lasa teo ireo mpisera YouTube. Volokano San Cristobal, izay avo indrindra ao amin'ity firenena Amerika Afovoany ity, no nipoaka tamin'ny Asabotsy maraina tamin'ny 9:02, namoaka setroka sy lavenona ka nahatonga ny manampahefana tao an-toerana namindra ireo mponina maherin'ny...