Afrika Frankôfôna: Ny Ivotoeram-Piofanam-Pitantanam-Panjakana

Tamin’ny volana Febroary 2001, lany nandritra ny fivoriambe tany Windhoek, ao Namibia  ny Sata Mifehy ny Asam-panjakana ao Afrika (PDF). Efa-polo taona taorian'ny fahaleovantena, mampiseho ny fahataran'ny fanomezan-danja ny fitantanam-panjakana momba ny fampandrosoana sy ny fitsinjaran-karena ao Afrika ny fanambarana nivoaka tao Windhoek. Nampisy fihenana ny isan’ny mpiasam-panjakana afrikanina ny fandaharan’asa momba ny fanitsiana ara-drafitra tamin’ny taompolo 80. Misy hatrany ny fanerena amin’ireo kandidà ho amin’ny asam-panjakana: mahomby, miasa tsara.

 Ireo tanjona amin’ny fampianarana momba ny asam-panjakana

Andao hotsiahivina ny «sasany» momba ny andraikitr’izy ireo (PDF) :

    • Hampanjaka ny filaminana sy ny fahamarinan-toerana eo amin’ny seha-panjakana : andraikitr’ireo mpanelanelana be fikirizana sy niofana momba ny diplaomasia sy ny fifampiraharahana ny famahana am-pilaminana ny adim-poko sy sisintany.
    • Mitantana ny tetibola-panjakana: ireo mpiasa-panjakana manam-pahaizana manokana momba ny fitantanana ny tetibola-panjakana sy ny lalàna mifehy ny hetra no misahana ireo fandaharan’asam-panarenana ny toekarena, ny fiàlana amin’ny trosa sy ny fanavaozana ny fitaovam-pamokarana ara-toe-karena izay mbola bitika loatra eo amin'ny tsena iraisam-pirenena.
    • Miantoka ny raharaha ara-tsosialy ilaina: Eny anivon’ny toeram-pampianaran’asa-panjakana no hamolavolàna ny lasitry ny sampan-draharaham-piarovana ara-tsosialy na ny fampianarana, sehatra sarotra apetraka indrindra amin’ny ankamaroan’ny firenena afrikana mpiteny frantsay (frankofôna).
    • Miantoka ny tsy fironana sy ny fahamarinana eo amin’ny asam-panjakana: Eny anivon’ny sekolim-pampianaran'ny asam-panjakana no handalinan’ny (na ahitany!) mpiasan-panjakana ny fahalalàny momba ny etika (fitondratena) sy ny asam-panjakana mahabe adi-hevitra ho ivon'ny kolikolin'ny fitondram-panjakana maro, kitro ifaharan’ny fitokisan’ny olom-pirenena amin’ireo mpitondra azy.

Konferansa tao Cotonou. Sary: Wikipédia (licence Creative Commons)

Aiza ho aiza moa ny sekolim-panofanana mpiasam-panjakana ambony ao Afrika frankofôna? Ny tsy itovizany amin'ny rafitra mpiteny anglisy, eo ambanin’ny fifehezan’ny fitondrana mivantana ny fampianarana ireo mpiasam-panjakana ambony ao Afrika frankofona, manaraka ny fomban’ny mpanjanaka taloha. Misy ny sekoly sasany, tahaka ny ENAM – Bénin, ENAM-Kamerona-Sekoly Ambony mampiofana momba ny Toekarena sy ny Tetibola-Gabon, ENAM-Madagasikara, ENA-Mali, ENA- Maoritania sy ENA- Togo no anisan’ny mpikambana mavitrika ao amin'ny Fikambanana Iraisampirenena Ivondronan’ny Sekoly sy Toeram-pampianarana ambony momba ny Fitantanana (Association Internationale des Ecoles et des Instituts d’Administration) (AIEIA). Ny Sekoly Iraisampirenena momba ny Fitantanan-draharaham-Panjakana no nanangana ny fikambanana. Sekoly folo hafa, toy ny ao Burkina Faso,  Côte d’Ivoire sy Nizera no hita ao amin’ny Seha-panaraha-maso ny Asam-panjakana Afrikana [Observatoire des Fonctions Publiques Africaines] (OFPA), izay manana tanjona « fifampizaràna fizàran-draharaham-panjakana ».

Manasongadina ny andraikiny ny ivon-toerana:

Fanangonam-baovao, fijerena ireo olana iombonana, famantarana ireo fandaharan’asa rezionaly sy ny firotsahana amin’ny seha-pandalinana sy fikarohana no asanay amin'ny ankapobeny.

Ho an’ny sasany, tena zava-dehibe izany fifampizaràna traikefa izany. Wise Doh,  mpianatra Ganeana ao ENA, nanazava hoe:

Tsy maintsy manampy ny fireneko amin’ny fanao frantsay aho mba tsy hitoka-monina be loatra ao anatin'ny Cedeao [Fikambanana Ara-toekarena Ivondronan’ireo Firenena ao Afrika Andrefana]. Voahodidina firenena nozanahana frantsay taloha izahay: Burkina, Côte d’Ivoire, Togo. Noho ny maha-firenena miteny anglisy antsika, dia tsy mahatsindry lenta loatra isika anatin'izany.

Ireo olana hita amin’ny fampiofanana fitantanam-panjakana

Zato eo ho eo amin'ny ankapobeny ny andiam-pianatra miara-mahazo diplaoma, hita ao avokoa ny grady rehetra. Ny sekoly sasany, tahaka ny any Mali, nilaza fa kandidà 82 no afaka tamin’ireo mpiadina 10262 tamin’ny fidirana tamin’ity taona 2012 ity. Manakona ny fidinan'ny haavom-pahaizan'ny mpiasam-panjakana nivoaka am-polony taona izany tarehimarika izany, fijotsoana nohamafisin'ny hetsika liberaly, hetsika manome tsiny ny anjara toerana mibahana be loatra ataon'ny fanjakana sy ny fandaniana mifandraika amin'izany. Noho ny fampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana mifanesisesy, namasoka ny asam-panjakana izany nefa mifanohitra amin'izany kosa dia nampisy fihatsaràny tamin'ny asa tena, ny injenieria sy ny fitantanan-draharaha « mamelo-tena » izany.

Nandritra ny velan-kevitra nataon'ny Pr Jacques Mariel Nzouankeu avy ao Senegaly niompana amin'ny fanamby miandry ny rafi-piofanam-panjakana eto Afrika no nanipihany hoe:

Tsy noho ny olana ara-toekarena ihany no nahatonga ny fijotsoana (krizin'ny solika 71 sy 79, ny fanitsiana ara-drafitry ny taom-polo 80), fa noho ny tsy fisian’ny vina sy ny fahakingan’ny mpitondra ao an-toerana manoloana ireo filàna vaovaon'izao tontolo izao, mailaka sy tafiditra kokoa. Noho izany, navela hosoloina fampianarana ara-toekarena, mifandraika kokoa amin'ny fanamby apetraky ny fijotsoana maharitra ny fahalalàna ankapobeny natao hanamafisana ny vina politika sy ny fahaizana mitantana ireo mpiasa-panjakana ambony. Manampahaizana momba ny toe-karena kokoa noho izany no nofanina fa tsy matihanin'ny fampandrosoana.

Fahadisoana hafa, araka ny filazan’i Jacques Nzouankeu :

Tsy nomen’ny fitondrana lanjany loatra ny rafitra vaovaon'ny « Biraon'ny Fomba Fiasa» ( Bureau Organisation Méthodes = BOM), izay ny fomba fiasa nolovaina tamin'ny fomba fitantanam-panjakana Amerikana no mifanaraka kokoa amin’ny fanovana rafi-panjakana rahatrizay.

Ankehitriny, ny modely ENA frantsay no tena manjaka ary ny kandidà afrikanina miteny frantsay tena manan-kambo no mirotsaka amin’ity ambaratongam-pampianarana iraisam-pirenena miorina ao Strasbourg ity. Voafetra ihany anefa ny mpianatra afrikanina miditra ao. Tamin’ny taona 1949 hatramin’ny 2008, mpianatra afrikanina 747 aminà firenena 32 no nandalo nianatra tao amin’ny ENA frantsay, eo amin’ny mpianatra 13  latsaka isan-taona eo. Vitsy dia vitsy ny solontena avy amin’ny firenena Afrikana atsimon'i Sahara : 56 ho an’i Kamerona, eo amin’ny telopolo eo ho an’i  Sénégaly,  tahaka izany koa ny ao Maoritania.
Tsy misy azo anoharana ity ENA frantsay, fampianarana avo lenta ity tokoa, amin'ireo sekoly afrikana mitovitovy anarana aminy: tamin’ny 2011, tetibola fampandehanana 42,3 tapitrisa euro no teo am-pelantanan’ny sekoly, tohanan'ny fanjakana hatramin'ny 85%.

Goavana ny fanamby miandry ny ENA afrikanina: mampianatra ny fahakingana ohatra, amin'ny fanambàrana ny sekoly araka ny sokajin’asa, mba ahafahana manao tahiry bebe kokoa eo anivon’ny faritra; mampiditra ny fitaovam-pitantanana stratezika ao amin'ny programa; mampifanakaiky ny teoria sy ny eny amin'ny toeram-piasana ka anaovana fiofanana hatrany ny eny tontolo tena iasana. Izany rehetra izany ao anatin'ny tetibola mifintina.
Tsy mijanona eo ny fahasarotana: fepetra fototra ilaina ho fampandrosoana ny kalitaon’ny fiofanana fitantanam-panjakana saingy tsy ampy hiantohana ho amin'izany. Tsy maintsy ampidirina ihany koa ny fepetra hafa: ny faneren'ny mpiara-miasa, ny fahatratraran'isan'ny mpiasam-panjakana tsara ofana, fifampiresahana mavitrika amin’ny fiarahamonim-pirenena ary indrindra ny finiavana politikan'ny mpitondra ambony. Finiavana tsy mba ampianarina eny amin’ny ENA.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.