08 Septambra 2012

Tantara tamin'ny 08 Septambra 2012

Mizara Fahalalàna Manerana Ny Tendro Atsimo Ny LibreBus

Rising Voices  08 Septambra 2012

Mizotra manerana ireo firenenan'i Shily, Arzantina, Orogoay ary Paragoay ny The LibreBus (Fiara Fitaterana Malalaka) ConoSur, mijanojanona ka mikarakara adihevitra sy atrikasa momba ny lanjan'ny fahalalahana miteny, ny rindrambaiko malalaka, ny fizaràna votoaty, ary ireo loharano fanabeazana misokatra.

Arabia Saodita: Mitohy Ny Fitsarana Ilay Mpiaro Ny Zon'olombelona Fanta-daza

Nalaina ambavany fanindroany tao amin’ny fitsarana Ady heloka Bevava Riyadh  vao maraimben’ny 1 septambra lasa teo ireo Saodiana malaza mpiaro ny zon’olombelona sy reformista Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid, izay nandray anjara tamin’ny fananganana ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Ara- sivily sy Ara-politika noho ny tolona maro momba ny fiarovana ny zon’olombelona...

Bahrain: Nifanjevo Ny Tao Amin'ny Fitsarana Noho Ny Fanalavana Ny Fitazonana Ireo Ankizy Roa Tsy Ampy Taona

Nohalavain’ilay mpitsara Bahrainita fito andro ny fitazonana ireo zaza tsy ampy taona 12 sy 13 taona ao amin’ny “Ivon-toeram-piarovana ny Zaza tsy ampy taona” noho ny fiampangana azy ireo ho nandoro kodiarana sy nanao fivoriana tsy ara-dalàna. Fanitelony izao fanavaoza-pitazonana izao hatramin’ny nisamborana azy ireto izay midika fa efa 28...