Mujeres Mundi, “Ahoana Ny Anjara Toeran'ny Vehivavy Eo Amin'ny Fiarahamonina Misy Anao?”

Tafatafa nifanaovana fizarana faharoa sady farany.

Bajo la forma de biografías, Mujeres Mundi es un homenaje a la Mujer: en su rol de madre, luchadora por los derechos humanos, artista, viajera, aventurera, diferente.

Amin'ny alalan'ny endrika biografia, Mujeres Mundi dia fanomezam-boninahitra ny vehivavy : amin'ny maha-reny, mpiaro ny zon'olombelona, artista, mpizaha tany, tia mandehandeha amin'ny tany tsy fantatra… mba te-ho hafa.

Amin'ny fizarana voalohany [teny malagasy], no niresahan'i Xaviera Medina de Albrand ny bilaoginy, Mujeres Mundi [Tontolon'ny Vehivavy], izay amoahany ny tafatafa nifanaovany tamin'ny vehivavy manerana izao tontolo izao. Amin'ny fizarana faharoa no iresahan'i Xaviera ny lanjan'ny fampielezana ny tafatafa nifanaovany tamin'ireo olona zatra fiteny hafa. Resahiny eo ihany koa ny tetikasa manokana nampitondrainy ny lohateny hoe “Ahoana ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina misy anao?”

Azo vakiana amin'ny teny anglisy, frantsay ary espaniola ny Mujeres Mundi. Ianao ihany ve no nanao ny fandikan-teny?

Xaviera Medina de Albrand

Xaviera Medina de Albrand, photo used with permission

Sí. El proyecto es mi responsabilidad de A a Z, las traducciones soy yo, como dije alguna vez, encontrarán errores en inglés y francés, por seguro, y me disculpo por ello. Soy como el personaje Salvatore de la película En el Nombre de la Rosa, ¡hablando muchos idiomas pero ninguno a la vez!

Eny. Ahy hatrany am-paladia ka hatreny an-tampon-doha ny tetikasa, ahy ny fandikanteny, na dia efa nolazaiko aza, fa mety hisy fahadisoana amin'ny teny frantsay sy teny anglisy, ary miala tsiny amin'izany aho. Tahaka ilay olona manana anarana Salvatore ao amin'ny sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe ‘The Name Of The Rose’ [Ny Anaran'ny Raozy] aho, mieny amin'ny fiteny maro fa tsy iray fotsiny amin'ny fotoana iray!

Nahoana no nanapa-kevitra ny hanao dikanteny izay navoakanao ianao?

Hubiera sido mucho más sencillo trabajar los textos solamente en español a pesar de entrevistar en otros idiomas, lo difícil no es tanto hablar sino dar la forma al texto, sobre todo en idiomas que no son mis idiomas maternales. Pero también quería que las entrevistadas que no hablan español (en su mayoría) sepan lo que escribo sobre ellas, y segundo porque mientras más gente pueda leer sus historias, más gente podrá conocerlas, quizás contactarlas y dar a conocer sus ejemplos. Es un sistema de cadena, mientras llegue a un mayor público, mejor.

Mety ho mora kokoa raha amin'ny teny espaniola fotsiny no amoahako lahatsoratra, na dia mitafatafa amin'ny fiteny hafa aza. Tsy ny miteny no sarotra fa ny mametraka azy rehetra ao anaty lahatsoratra iray, ary indrindra amin'ny fiteny tsy andavanandroko. Saingy tiako ho fantatry ny vehivavy tsy miteny espaniola (ary izay ny ankamaroany) fa manoratra momba azy ireo aho. Faharoa, tiako ho maromaro kokoa ny olona afa-mamaky ny tantarany, ary mety ho maro ihany koa ny olona mety ho te-hahalala azy ireny, sy ho fanentanana avy amin'ny ohatra nasehon'izy ireo. Rojo io, arakaraka ny hahazoana mmpamaky betsaka kokoa no mahatsara azy.

Misy zoro eo amin'ny bilaoginao mitondra ny lohateny hoe “Ahoana ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina misy anao?” Mba lazalazao anao bebe kokoa ny momba azy io.

Se trata de los estereotipos que se tiene de las mujeres en ciertas sociedades. A veces nos hacemos una idea de una sociedad especifica pero esta idea o estereotipo es contraria a la realidad. De manera individual, realizo un estudio sobre los diferentes estereotipos de mujeres en diversas sociedades y las comparo con el rol que tienen en realidad.

Miompana amin'ny fomba fijerin'ny fiarahamonina maro ny vehivavy izy io. Indraindray isika manangana hevi-piarahamonina iray saingy mifanohitra amin'ny zava-misy io hevitra na fomba fijerin'ny fiaraha-monina io. Amin'ny alalan'ny fomba fijery manokana no itondrako ny fomba fijery [vilana] isan-karazany ataon'ny fiarahamonina amin'ny vehivavy raha ampitahaina amin'ny tena anjara toerana misy azy.

http://www.youtube.com/watch?v=PxDEHUA2ND8

Inona ny tanjonao amin'ilay tetikasa?

Este proyecto tiene tres objetivos:

a. Aumentar la conciencia sobre algunos estereotipos creados ya sea por los medios de comunicación o por otras sociedades con respecto a las representaciones de mujeres en diversas culturas.

b. Describir cómo la creciente influencia política, económica y social de las mujeres puede tener un efecto positivo en la sociedad.

c. Describir los problemas comunes que enfrentan las mujeres dentro de su propia sociedad, así como motivar a los jóvenes a participar en algunas de las soluciones a estos problemas.

El lado de investigación lo vengo avanzando sola. Pensé que podría hacer un llamado al público para que participe con textos o con imágenes narrando cual es el rol de la mujer en su sociedad y si creen que hay estereotipos creados. Por el momento el lado gráfico no avanza mucho, tenía pensado realizar un video de presentación con las imágenes para acompañar la investigación. Los resultados los compartiré con organizaciones femeninas o simplemente, con quien lo desee.

Telo ny tanjon'ity tetikasa ity:

a. Manentana sy manaitra momba ireo karazana fomba fijery foronin'ny haino aman-jery sy fikambanana [fiarahamonina] hafa isian'ny fanajana ireo vehivavy amin'ny kolontsaina isan-karazany.

b. Hanome endrika ny vokatsoa azon'ny fiarahamonina amin'ny fandraisana anjaran'ny vehivavy mihamiroborobo eo amin'ny sehatra ara-politika, ekonomika ary ara-piaraha-monina.

c. Hanome endrika ny olona iraisana mianjady amin'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina misy azy, sy ny fomba anentanana ny tanora handray anjara amin'ny famahana ny olana sasany amin'ireny olana ireny.

Mitozo manao fikarohana hatrany aho aty amiko aty. Nieritreritra aho fa afa-miantso ny daholobe handray anjara an-tsoratra na sary ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny fiaraha-monina misy azy, sy hizara raha inoany fa misy fomba fijerin'ny fiarahamonina efa tsara petraka amin'izy ireny. Mbola mila asa ny fanehoana amin'ny alalan'ny fira (grafika) amin'izao fotoana izao, nieritreritra aho ny hanao lahatsary miaraka amin'ny saripika ampiarahana amin'ny fikarohana. Hozaraiko amin'ny fikambanam-behivavy na amin'izay rehetra liana amin'ny ny voka-pikarohana.

Ahoana ny fomba andraisan'ny olona anjara amin'ny “Ahoana ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina misy anao?”

Es simple. Solo deben enviar imágenes (fotos, videos o ilustraciones) sobre los estereotipos creados sobre la situación de la mujer en su sociedad, y/o sobre el rol de la misma en la comunidad.

Tsotra. Mandefa sary (saripika, lahatsary na kisarisary) mampiseho ny fomba fijery mafy orina ao amin'ny fiarahamonina sy ny satan'ny vehivavy amin'izany fotsiny izy ireo, ary ny andraikitry ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina.

Farany, hatraiza ny fijerinao ny Mujeres Mundi rahampitso? Mieritreritra ny hamoaka ireo tafatafa ireo amin'ny boky na endrika hafa ve ianao?

La primera etapa del proyecto esta en curso, que es la publicación on-line. Dentro de un año y medio se trabajarán los textos y ciertos perfiles en un libro, exactamente. Pero el objetivo final (y a más largo plazo) es de crear un documental con perfiles de ciertas de nuestras entrevistadas, de cuatro a cinco minutos por perfil.

La idea de crear una revista y un organismo Mujeres Mundi ronda mi cabeza, pero es un trabajo mayor y se necesitará de un equipo de trabajo así como de fondos. Quiero que la primera etapa cobre una forma más importante aún para poder subir los siguientes escalones!

Mbola an-dalana ny dingana voalohan'ny tetikasa, ny famoahana an-tserasera. Eny ao anatin'ny herintaona sy tapany, hapetraka anaty boky ny lahatsoratra sy ny mombamomba olona vitsivitsy. Saingy ny tanjona farany (tanjona lavitr'ezaka) dia ny hanangana tahirin-kevitra ahitana ireo vehivavy nifampitafatafàna, ka andaniana efatra ka hatramin'ny dimy minitra ny tsirairay. Efa ao an-dohako ny hanangana gazety-boky sy fikambanana Mujeres Mundi, saingy mbola asa goavana izany ary mila ekipa sy famatsoana lehibe. Ao anatin'ny dingana voalohany no ahafahako manabe voho ny lanjan'ny Mujeres Mundi, ary dia afaka ny miditra amin'ny dingana manaraka aho avy eo!

Azonao arahina i Xaviera sy ny Mujeres Mundi ao amin'ny Twitter sy Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.