Philippines: Sary Nesorina Tao Amin'ny Facebook Hanamarihana Ny Andro Iraisampirenena Ho An'ireo Tsy Hita Nanjavonana

Nanaisotra ny sary teo amin'ny mombamomba azy daholo ireo mpikirakira Facebook tao Philippines tamin'ny 30 Aogositra lasa teo ho fangatahana ny rariny ho an'ireo tratry ny fanjavonana an-terisetra.

Ilay fanentanana tety anaty aterineto dia niara-dàlana tamin'ny Andro Iraisam-pirenena natao ho an'ireo Tsy hita nanjavonana sady ho fanehoana miarka amin'izay ihany koa ny firaisankina amin'ireo fianakaviana sy naman'ireo tsy hita nanjavonana.

Hetsika ara-politika ihany koa io hahatsiarovana ny faha-40 taonan'ny nametrahana ny Lalàna Miaramila tao Philippines nataon'ilay mpanao didy jadona fahiny Ferdinand Marcos tamin'ny Septambra 21. Anisan'ny ao anatin'ny tanjon'ilay fanentanana ireto manaraka ireto :

- Tadidio ireo fitondrana tsy refesi-mandidy nivandravandra sy ny fanitsakitsahana faran'izay henjana ny zon'olombelona nandritra ny taona nitondran'i  Marcos
– Saino sy halalino ny rivo-piarahamonina ‘tsimatimanota’ nisy sy ny fanitsakitsahana ny zo fony teo ambany fitondran'i  Oplan Bayanihan , fitantanan-draharahan'i Aquino amin'izao fotoana.
– Tohero ny endrika rehetra misy faneriterena sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona ary ento eny amin'ny fitsaràna mba ho an'ireo niharam-boina sy ny havany akaiky.

Ilay hetsika tanaty aterineto dia notarihan'ny vovonana mpiaro ny zon'olombelona, KARAPATAN, ary ireo fikambanan'ny fianakvian'ireo niharam-bona noho ny fanjavonana an-terisetra, DESAPARECIDOS.

Ireo mpisolovavan'ny zon'olombelona, ireo fianakaviana sy ireo sakaizan'ny niharam-boina samihafa noho ny fanitsakitsahana zo, ary ieo olona avy aminà fikambanana samihafa dia nanao hetsi-panoherana tao Manila sy tany amin'ireo tnan-dehibe hafa tao amin'ny firenena.

Nampangain-dry zareo ny fitomboan'ny tranganà fanitsakitsahana zon'olombelona, izay misy antontan-taratasin'olona 11 nanjavona hatramin'ny nanombohan'ny Filoha Noynoy Aquino ny fotoam-pitondrany tamin'ny  2010

Jay Cuesta dia mangataka ireo namany ao amin'ny Facebook mba hanala eo amin'ny mombamomba azy ireo ny sary, ho fanohanana ilay fanentanana hisian'ny rariny sy ny zon'olombelona :

Ry namana sy mpiara-miasa isany,

Miangavy aho mba esory ny sarinareo ao amin'ny mombamomba anareo amin'ny 30 Aogositra, Alakamisy, ho firaisankina amin'ireo namana sy fianakavian'ireo tsy hita, hatramin'ny andron'ny Lalàna Miaramila hatramin'izao, izay mbola mitohy mitaky ny rariny. Izany dia midika ihany koa ny firaisanany amin'ny antso handaniana avy hatrany ny Volavolan-dalàna manohitra ny Fanjavonana natoa an-tery. Ny 30 Aogositra no andro iraisampirenena ho an'ireo tsy hita nanjavonana.

Ireto ny sasany amin'ireo saripika nampiasain'ireo Filipinos mpikirakira aterineto mba hanehoana ny fanohanana ilay fanentanana ankoatra ilay famelàna ny sary ao amin'ny mombamomba ny tena amin'ny Facebook ho fotsy.

Sary FB  an'i  Jay Cuesta

Sary FB  an'i Ron Magbuhos

Judy Taguiwalo nanavao ny sariny taminà lisitry ny sasany tamin'ireo mafàna fo ‘tsy hita nanjavonana’

Sary avy amin'i Louie Arches Posa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.