06 Septambra 2012

Tantara tamin'ny 06 Septambra 2012

Palestina: Mipongatra Ny Hetsi-panoherana Ny Fidangan'ny Vidim-piainana Sy Tsy Fisian'asa

Mitombo be ireo hetsi-panoherana any amin'ireo tany Palestiniana, indrindra fa any amin'ireo tanàn-dehibe any amin'ny faritr'i Cisjoprdanie : Hebrona, Ramallah, Betlehema ary Naplouse. Maneho ny hatezerany amin'ny Manampahefana Palestiniana ireo mpanao hetsi-panoherana, noho ny halafon'ny vidim-piainana sy ny taha avoben'ny tsy fisian'asa ho an'ireo tanora Palestiniana

Yemen: Hatezerana Noho Ireo Sivily 13 Matin'ny Fanafihana ‘Drone’ Amerikana

Fanafihan'ny 'drone' Amerikana iray hafa indray no niantraika tamin'i Yemen tamin'ny Alahady, tao Al-Baydha, nikendrena ireo mpitolona efa "noahiahiana" toy ny mahazatra. Ao anatin'izay efa lasa fahazarana ankehitriny, tsy voa izay nokinendry ary araka ny tatitra avy any an-toerana dia sivily 13, ahitàna vehivavy telo no maty.. Mitodika amin'ny Twitter ireo Yemenita mpikirakira aterineto maneho ny hatezeran-dry zareo

Bolivia: Tsy Laharam-pahamehan’ Ireo Atleta Amin'ny Lalao Olaimpika Tao Londona

  06 Septambra 2012

Atleta 5 monja no nentin'i Bolivia niatrika ny Lalao Olaimpika faha- XXX atany Londona. Nisy tantara ratsy mifandray amin'ny fandaniana ataon'ireo mpitarika Olaimpika nipoaka teny anaty tambajotra sosialy ary tonga hatrany amin'ireo mpampahalala vaovao. Miompana amin'ny toerana ambany dia ambany misy ny fanatanjahantena ao amin'ny firenena ihany koa ny fifanakalozan-dresaka, izay tsy mbola nahazo medaly Olaimpika mihitsy hatrizay.

Hong Kong: Bahàno Ny Afovoany – Mialoha Ny Fanesorana An-kery

  06 Septambra 2012

Ny 'Bahàno Ny Afovoany' dia naharitra maherin'ny folo volana ary isan'ny iray lava indrindra tamin'ireo hetsika fibahànana manerantany. Vao haingana ny HSBC no nahazo taratasy tamin'ny fitsarana hanesorana ireo mpibahana - mafàna fo, mpilanja sakaosy mandehandeha sy tsy manan-kialofana ka ny 27 Aogositra amin'ny 9 ora alina no fetra farany