- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sodàna: Noafahana Ilay Mpikatroka Twitter Taorian'ny Roa Volana Nidirany Am-ponja.

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

 Nanao hetsika mihery vaika ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly sy ny Sampam-piarovana Sodànezy (NISS) tamin'ny tapaky ny volana Jiona 2012. Nisambotra mpanao fihetsiketsehana, mpikatroka, mpikambana sy mpitarika antoko mpanao politika ary olom-pirenena mpahay lalàna tao amin’ny toerana fanaovana fihetsiketsehana, oniversite, toerana ankalamanjana sy tranon’olona maro izay manaraka ny hetsi-panoherana ny NISS.

Na dia izany aza, vao nanomboka nangina ny fihetsiketsehana tao anatin’ny roa volana mahery, noafahan’ny NISS ireo olona notànana; manamarika ny fanafahana ireo olona marobe notànana ny 17 Aogositra.

Anisan'ireo noafahana ilay mpikatroka Twitter Usamah Mohamed Ali [1] izay nosamborina [2] nandritra ny fihetsiketsehana tao Khartoum tamin'ny 22 Jiona.

Usamah Mohamed Ali is a Sudanese Twitter activist who was arrested at a protest. He has tweeted his prison experience following his release.

Mpisera Twitter Sodaney nosamborina nandritra ny fihetsiketsehana i Usamah Mohamed Ali. Nitantara ny zava-niainany nandritra ny famonjana azy izy teo am-pivoahana ny fonja.

Iray volana taorian’ny fisamborana an’i Usamah, nanoratra bilaogy [3] manazava ny fitazomana azy tany am-ponja i Mimz [4]

Ny ampitson’ny fanafahana azy, ni-tweet teny roa [TELO] tsotra izy ary nanamafy tamin’ireo mpanaraka azy fa efa noafahana:

@simsimt [5]: Mitohy ny tolona.

Nampiany hoe:

@simsimt [6]: Mankasitraka ireo rehetra nanentana ny mahakasika ahy aho! Hafatra tamin’ny sioka, lohahevitra & fanohanana nitondra fampaherezana ho ahy isaky ny mamaky izany!

Herinandro taty aoriana, Usamah nanoratra andianà sioka fohy [7] mitantara ny zava-niaretany nandritra fisamborana azy.

Hoy izy nanomboka izany:

@simsimt [8]: Tsy misy fanazavana  amin’ny antsipirihany aloha hatramin’izao, nanatona nisambotra ahy ny polisy #NISS nanao fanamiana sivily raha mbola teo am-pisiokana aho #SudanRevolts

@simsimt [9]: Tadidiko mazava tsara fa nanoratra momba ny fanafihana goavana nataon’ny #NISS izay manakana ny fitantarana ny fihetsiketsehana aho. #SudanRevolts

Nanazava I Usamah fa tsy nanaiky nanome ny tenihiditra tamin’ny findainy izy, ka niteraka ny fahaviniran’ireo manampahefana tao amin’ny NISS:

@simsimt [10]: Mihidy ny findaiko, ary izaho ihany no manana ny tenihiditra aminy, nanjary loza ho ahy anefa izany satria fanararaotam-pahefana maro, fijaliana  & fanadihadiana no niharetako #SudanRevolts

Hoy ihany koa izy nilaza:

@simsimt [11]: Raha tao anatin’ilay fiaran’ny #NISS izay nijanona teo amin’ny faritry ny fihetsiketsehana aho, noterena foana hamelona sy hanome ny tenimiafina amin’ny findaiko. #SudanRevolts

@simsimt [12]: Nolaviko hatrany anefa izany. Rehefa tsy hitan’izy ireo intsony izay atao, naiditra tanaty fiara manokana an’ny #NISS aho hoentina any Bahri. #SudanRevolts

Nitantara ny fampijaliana ara-tsaina sy ara-batana niaretany  nandritra ny fihazonana azy izy:

@simsimt [13]: Tao amin’ny tranoben’ny #NISS, tabataba, vono marary sy karazana fandrahonana maro no niaretako nandritra ny 4 na 5 ora teo, mba hampandeha ny findaiko #SudanRevolts

@simsimt: [14] Norahonana aho/ novetavetaina/fampijaliana imbetsaka nandritra izany andro izany. Nampijaly ahy na dia manam-pahefana ambony tao amin’ny#NISS aza indray maka. #SudanRevolts

Nanamarika ihany koa izy hoe:

@simsimt: [15] Niaritra vono mahery vaika teo amin’ny lohako aho, satria raha mbola teny amin’izy ireo ny findaiko, naharay antso avy any Etazonia aho. #SudanRevolts

@simsimt: [16] Nikiakiaka tamiko toy izao ilay mpampijaly romotra toy ny adala “mpitsikilo ianao, MPITSIKILO, MPITSIKILO!” sady namono ahy koa! #SudanRevolts

Nanazava ihany koa izy fa tsy navelan’ilay manam-pahefana ambony ao amin’ny NISS natory mihitsy:

@simsimt [17]: Rehefa tsy hitan’izy ireo intsony izay natao tamiko, tsy navelan’ilay manam-pahefana ambony teo anoloako hatory aho. #SudanRevolts

Nofehezin’i Usamah hoe:

@simsimt [18]: Fantatro avokoa ireo tompon'andraikitra ao amin'ny #NISS izay nampijaly ahy. Tadidiko ny tavan’ireo manam-pahefana nampijaly sy nanararaotra ahy. #SudanRevolts