Mali: Azo Sakanana Ve Ny AQMI?

Ampahany amin'ny tatitray momba ny Fifandraisana Iraisampirenena & Fandriampahalemana ity lahatsoratra ity.

Tahaka ny manjavona miaraka amin'ny fotoana mandeha ny vahaolana ho an'ny fifandirana ao Mali. Efa ho dimy volana izao  no nisaraka ho roa io firenena io: ny Atsimo izay fehezinà governamanta marefo [fr] raha ny Avaratra kosa, izay ahitàna  ny tanàna manan-tantaran'i Timbuktu sy Gao, dia sehatry ny fitaran'ny Al Qaeda in the Islamic Maghreb (AQIM/AQMI) mankany Sahel.

Eo an-tànan'ny AQMI amin'ny fomba an-kolaka ny Avaratr'i Mali

Ny Aprily 2012, taorian'ny fidarabohan'ireo tanàna tao Gao, Timbuktu sy Kidal, nanambara samy irery ny fisintahany tamin'ny ilany avaratry ny firenena ny andiam-pihoko Tuareg Hetsika Nasionaly Ho Fanafahana An'i  Azawad (MNLA).

Mali begins Touareg dialogue. Image by Flickr user Magharebia (CC BY 2.0).

Manomboka miresaka amin'ny Touareg i Mali. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr , Magharebia (CC BY 2.0).

Amin'izao fotoana dia eo ambany vahohon'ireo vondrona efatra [fr] samihafa : ny MNLA, Ansar Dine, izay misora-tena ho  Salafista, ny Movement for the Unity of Jihad in West Africa (Mujao), ary ny AQMI.

Kanefa, tatitra iray [fr] avy amin'ny AFP, no mihevitra fa ny AQMI raha ny tena marina no mandrindra sy mamatsy ireo fikambanana telo ambiny ; ity ahiahy ity dia nohamafisin'ny filazana ho fahatongavan'i Mokhtar Belmokhtar ao Mali, mpikambana iray mpanorina ny Vondrona Salafist Group for Preaching and Combat (SGPC), izay niteraka ny AQMI.

Ny Martsa 2012, israeldefense.com dia nanoratra mikasika ny fitsidihan'i Belmokhtar tany Libya, ary nitatitra sahady ny tahotra mety hisian'ny fitaran'i AQMI any Atsimon'i Sahara :

Araka ny loharanom-baovao avy amin'ny tafika ao Mali, ny mpitarika ny sampana Al-Qaeda any Afrika Avaratra, Mokhtar Belmokhtar, dia tany Libya nandritra ny herinandro maro ka tanjona tamin'izany  ny haka fitaovam-piadiana. (…) Ireo loharano avy amin'ny tafika Maliana dia milaza fa ny asa nataon'i Belmokhtar tany Libya dia manamafy ny tohan-kevitra hoe mitady hanitatra ny faritra fiasàny ny AQMI ary  “hanao iray rehetra tratry ny heriny  ny mpampihorohoro mba hananganany tambajotra midadasika any Sahel sy Sahara.”

Tapi-dalaln-kaleha ny ara-politika sy diplaomatika

Tahaka ny manamafy ny fifehezany ny Avaratr'i Mali ny AQMI.  Ny 9 Aogositra Koaci.com dia nitatitra fa nisy mpikambana avy ao amin'ny Mujao nanapaka ny tanàn'ny [fr] olona iray nampangaina ho mpangalatra, tao an-tanànan'i Ansogo. Io dia taorian'ilay tamin'ny 30 Jolay nitoraham-bato olon-droa tsy mpivady ara-dalàna tao amin'ny faritr'i  Kidal.

Hatramin'ny anio, mitohy tsy miloa-bava amin'io olana io ny any amin'ny faritra. Raha nanendry an'i Blaise Compaoré, Filohan'i Burkina Faso ho mpanelanelana [fr] ireo mpitondra firenena Afrikana Tatsinanana ao anatin'ity olana taorian'ny fanonganam-panjakan'ny 22 Martsa tao Mali ity, ny Economic Community Of West African States (ECOWAS/CEDEAO ) na fikambanana ara-barotr'ireo firenena ao atsinanan'i Afrika kosa mbola andrasana hatrany handefa hery ara-tafika hamerina ny maha-iray tsy mivaky ny tany ao Mali.

Ary raha mitatitra ny Afrik.com [fr] fa hoe ny governemanta de facto Maliana sy ny ECOWAS/CEDEAO dia tonga aminà fifanarahana iray nikendrena hamahàna ny olana, fa mijanona ho ny firotsahana ara-tafika no safidy  tena ironan'ny maro amin'ireo mpikirakira aterineto. Thierno A. Diallo avy ao Ginea, mpifanolo-vodirindrina aminy, dia manoratra ao amin'ny bilaoginy hoe [fr] :

Ce qui se passe au Mali est grave. Notre pays, frontalier au sud et pas tellement éloigné de cette zone de non-droit a tout à perdre d'une victoire des fanatiques à nos portes. Le landernau politique guinéen, la tête dans le guidon des interminables législatives voulues par Alpha Condé, risque d'avoir un réveil en sursaut très douloureux. La zone la plus proche géographiquement et donc  la plus menacée étant la Haute-Guinée.

Tsy an-jaza raha ny zava-mitranga ao Mali. Ny firenenay, manamorona ny sisintany atsimo ary tsy lavitra an'io faritra tsy tan-dalàna io dia ho voa mafy raha eto am-tokonanay no mandresy ireto mpanara-drenirano ireto. Ireo  Gineana mpanao politika miaraka amin'ny lohany tsy misaina afa-tsy ny fifidianana solombavambahoaka tsy misy farany kasain'i  Alpha Condé [Filohan'i Ginea], dia mety hitondra fifohazana tampoka sy anaty hirifiry. Ny faritra tena faran'izay akaiky ara-jeografika sy tena tandindonin-doza araka izany dia i Haute-Guinée.
ISN logoIty lahatsoratra ity sy ny dikanteniny amin'ny teny Espaniôla, Arabo ary Frantsay dia fangatahan'ny International Security Network (ISN) tafiditra ao anatin'ny fiarah-miasa hikatsahana izay handrenesana ny feon'ireo olon-tsotra momba olan'ny fifandraisana iraisampirenena sy ny fandriampahalemana manerana izao tontolo izao. Navoaka voalohany tao amin'ny bilaogin'ny ISN ity lahatsoratra ity, jereo ireo tantara mitovitovy aminy ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.