Myanmar (Birmania) : Tondra-drano mahery vaika indrindra tao anatin'ny 10 taona Tao Amin'ny Vinany

Amin'ny teny birmana avokoa ny rohy rehetra.

Nanjary loza mahatsiravina isan-taona ny tondra-drano ao Myanmar. Ny volana Aogositra, mandritra ny vanim-potoanan'ny orana, niteraka tondra-drano mahery vaika ny orambe nivatravatra tao amin'ny faritr'a vinanin'i Ayeyarwaddy Tanàna kely teo amin'ny 727 teo no tratran'ny tondra-drano ary maherin'ny 30 000 ireo mponina ao Pathien sy Ayeryarwaddy tsy mana-kialofana ka mialokaloka vonjimaika aminà toby 207. Sekoly teo amin'ny 95 teo kosa no voatery nikatona nandritra ny tondra-drano mahery vaika indrindra tao anatin'izay 10 taona lasa izay [my]. Ankoatra ny faritry ny vinany, niharan'ny tondra-drano ihany koa tao Yangon sy Lashio ao amin'ny Firenena Shan.

Naneho ny ahiahiny ireo mpiserasera marobe, tsy ho an'ireo niharan'ny tondra-drano ihany fa momba ny olana mety hiseho amin'ny famokaram-bary, satria tanimbary 215 000 hekitara [my] teo no tondraky ny rano.

 

Tondra-drano ratsy indrindra tao anatin'ny folo taona tao Myanmar. Sary Nay Myo Zin

Mg Ygn niahiahy [my] ny amin'ny fiakaran'ny vidim-bary atsy ho atsy :

Hiakatra izany ny vidim-bary.

Nilar Ave kosa niahiahy [my] ny amin'ireo mpiompy, satria ny “namany” no mitantana ny taniny ankehitriny:

Mampiahiahy ny toe-draharaha ao Manmar ankehitriny. Novonjena ireo mpiompy noho ny tondra-drano saingy ny manahirana dia ny “namana” naka tsy ara-drariny ireo tany fiompiana.

Nirotsaka an-tsehatra ireo vondrona mpilatsaka an-tsitrapo mba hitondra fanampiana ireo niharam-boina. Nisy ireo vondrona nikarakara fanangonana fanampiana  avy amin'ireo Birmana any ivelany tamin'ny alalan'ny aterineto, ny hafa kosa nidina tany amin'ny faritra [my] tratran'ny tondra-drano mba hitondra ny fanampiany ho an'ireo tra-boina. Nay Myo Zin nifanerasera [my] tamin'ireo mponina tao an-tanàna nisian'ny tondra-drano tamin'ny alalan'ny Facebook.

Nangatahana ireo mpamaky ny lahatsoratra mba hizara sy hanaparitaka ny rohy amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo akaikin'i Thar Paung ary mba hiantso anay ny Alatsinainy hariva.

Iza avy ireo arabe tratran'ny tondra-drano? Aiza ny toerana ahafahana maka sambo? Inona no tokony hovidiantsika voalohany? Ahoana ny fomba tsara hanampiana ireo tra-boina? Azafady, raha monina ao Thar Paung ianao, lazao aho. Hanao araka izay vitako aho mba hitondra izay ilainareo.

Naneho hevitra [my] mikasika ny zava-misy mahazo ireo mponina sasany ao amin'ny toera-pitsaboana ireo Mpilatsaka an-tsitrapo An-tserasera ho Fanampiana Ireo Niharam-boina ao Myanmar (OVDR4MM – Online Volunteers of Disasters Recovery for Myanmar) izay nandray anjara mavitrika tamin'ny fanampiana ireo niharam-boina tao Pakkoku tamin'ny herintaona:

90% ny tanànan'i Thar Paung no tratran'ny tondra-drano tanteraka. Nialokaloka ao amin'ny fiangonana bodista sy ny toerana lehibe manodidina ireo niharam-boina. Sarotra ny mahazo sakafo araka ny tokony izy noho ny tondra-drano manodidina ny tanàna. Mila rano fisotro madio maika ny mponina. Mitohy ny orana ary mbola mety hiakatra ny rano.

Mifandray amin'ireo vondrona afaka manome fanampiana haingana sy ireo tompon'andraikitra ao amin'ny toby vonjimaika izahay, mba hanamarina fa nampiasana araka ny tokony izy tokoa ny vola voaangona.

Satria avy amin'ireo olo-tsotra sy vondrona mpilatsaka an-tsitrapo ao an-toerana ny fanampiana atolotra ho an'ireo faritra niharam-boina, misy ireo mametra-panontaniana [my] mikasika ny tsy fihetsehana sy ny fahanginan'ny ONG izay re matetika sy mitatatata rehefa misy olana mitranga ao Myanmar.

Khon Ja nandrakitra  ny sarin'ilay tetikasa barazy Myit Sone izay naato noho ny fanoheran'ny mponina. Satria vao maika hampitombo ny loza ateraky ny tondra-drano araka ny filazan'i Khon Ja:

Toheriko ny filazana hoe loza voajanahary. Tamin'ny taon-dasa, efa niharan'ny tondra-drano i Pakokku. Mandritra ny vanim-potoanan'ny orana, tondraky ny rano avokoa ny tanàna kely handalovan'i Ayeyarwaddy. Mbola mety hitranga izany amin'ny manaraka.

Nolavahana 600m ny sakany ary 50km ny lavany ny sisiny roa an'i In May (na) May Kha. Nisy fiantraikany mivantana tamin'ny fiainan'ireo mponin'i Ayeyarwady izany.

Nay Myo Zin, miaramila ambony teo aloha, niampanga [my]  ny fitondrana miaramila ho nandrava ny harena voajanahary ao amin'ny firenena:

Mankahala lalina ireo mpitondra tsy mahay na inona na inona aho izay nanimba ny harena voanjanahary, ny ala sy ny reniranontsika. Tsy mirary azy ireo hizaka izay iainanan'ny vahoaka ankehitriny aho saingy malahelo aho ary tsy afaka ny hamela azy ireo mandrakizay. Raha mahita ny endrik'ireo indizeny mahantra ao Myanmar izay mijalin'ny tondra-drano, ny loza voajanahary sy ny hanohanana aho, tsy afaka ny hamela [fitodrana jadona miaramila] azy ireo mihitsy.

Tondra-drano ao amin'ny faritra viñany ao Myanmar. Sary: Nay Myo Zin

Tla Chan Mon nanery ny governemanta mba hanatsara ny rafitra momba ny fikorian-drano :

Mila rafitra matanjaka momba ny fikorian-drano izahay. Rariny raha misy ny fiakaran-drano mandritra ny vanim-potoanan'ny orana mahery vaika. Ilaina  mikoriana tsara ny renirano, ny sakelidrano sy ny rano amin'ny tatatra, mba hikorianan'ny ranon'orana haingana mankany amin'ny ranomasina.

Sunney Hla nangataka tetikasa maharitra mba hampihenana ny loza ateraky ny tondra-drano :

Tsy ampy ny ekipa vonjimaika sy ny Fanampiana Haingana. Tokony apetraka ny dingana fampihenana ny rano ary atao anaty tetikasa maharitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.